Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Nomery 16:33 - DIEM PROTESTANTA

33 Nidina velona tany amin’ny fonenan’ny maty izy ireo mbamin’izay azy rehetra, ary dia nandrakotra azy ny tany. Tsy hita intsony teo amin’ny fiangonana izy ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

33 Dia nidina velona ho any amin’ny fitoeran’ny maty izy ireo mbamin’izay azy rehetra; nikatona taminy ny tany ka fongotra tsy ho eo amin’ny fiangonana intsony izy ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

33 Nidina velona tany amin’ny fonenan’ny maty izy ireo mbamin’izay azy rehetra, ary dia nandrakotra azy ny tany. Tsy hita intsony teo amin’ny fiangonana izy ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

33 Latsaka velona tany amin’ny fonenan’ny maty ny tenan’izy ireo mbamin’izay azy rehetra, dia nikatona taminy ny tany, ka fongotra teo amin’ny fiangonana izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

33 Dia latsaka velona ho any amin’ny fiainan-tsi-hita izy mbamin’izay azy rehetra; ary ny tany dia nikatona taminy, ka fongotra tsy ho amin’ny fiangonana intsony izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

33 Dia latsaka velona ho any amin'ny fiainan-tsi-hita izy mbamin'izay azy rehetra; ary ny tany dia nikatona taminy, ka fongotra tsy ho amin'ny fiangonana intsony izy.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 16:33
19 Rohy Ifampitohizana  

Toy ny hazo tapatapahina sy vakivakîna eny an-tsaha no nanelezana ny taolam-balony, rehefa hitelina azy ny toeran’ny maty.


Valio faingana aho, TOMPO ô, fa efa ambivitra ny aiko. Aza manafin-tava amiko Ianao, ndrao ho tahaka izay midina any am-pasana aho.


Izany isika nifanao teny mamy sy niara-dia, fony nankao an-tranon’Andriamanitra!


Aoka ireo mpanohitra ahy ho faty tampoka; aoka hidina velona any an-toeran’ny maty izy, fa toe-dratsy no ao amin’ny fonenany, hevi-dratsy no ao anatin’ny fony!


Apetraho amin’ny TOMPO ny fiahianao, fa Izy no hanohana anao; na oviana na oviana ny olo-marina tsy havelany hangozohozo.


Afaho aho mba tsy ho difotry ny fotaka na hindaosin’ny tafio-drivotra sy ny rano lalina;


Amin’izay dia hotanisaiko avokoa ireo anton-javatra iderako Anao; ao an-tanànan’i Tsiôna no hiravoako, satria Mpamonjy ahy tokoa Ianao.


Kanjo any amin’ny fonenan’ny maty, any amin’ny fanambanin’ny lavaka, no tsy maintsy nidinanao.


Mihotakotaka noho ny aminao, ry ilay mpanjakazaka, ny any amin’ny fonenan’ny maty any ambany any. Fohazina hitsena ny fiavianao ireo ambiroa, dia ireo lehibe rehetra fony tetỳ an-tany. Ampitsanganina hiala eo amin’ny sezafiandrianany ireo mpanjaka rehetra nifehy firenena fahizay.


Any amin’ny fonenan’ny maty tokoa dia tsy misy afaka midera Anao; ireo nindaosin’ny fahafatesana tsy mba afaka mankalaza Anao; izay tafidina any am-pasana tsy hanantena ny toetranao mahatoky.


Izany no nataoko dia mba tsy hisy intsony hazo tsara tondraka sy vonton-drano, izay ho avo mijoalajoala ka hitehi-drahona ny tendrony, ary hiavonavona noho ny haavony. Fa ny hazo rehetra dia toy ny olona ka natao ho faty sy hankany ambanin’ny tany eo akaikin’ireo efa tafidina any.


«Ry ilay taranak’olombelona, mitolokia ny amin’ny vahoaka maroben’i Ejipta. Izany no ampidino azy miaraka amin’ireo mponin’ny firenen-kafa ho any ambanin’ny tany, izay toerana fidinan’ny maty.


«Any koa ireo rehetra mpitondra ny vahoaka any avaratra mbamin’ireo Tsidônianina rehetra izay nidina ho any amin’ny maty. Nahery fo tokoa ireny ary nampihorohoro, fa ankehitriny ireny tsy voafora ireny dia miampatra rakotry ny henatra, miaraka amin’ireo hafa rehetra maty an’ady. Mitondra fahafaham-baràka izy miaraka amin’ireo rehetra tafidina any an-davaka ambany any.


Nisokatra ny tany ka nitelina azy ireo mbamin’ny fianakaviany ary koa nitelina an’i Kôra sy ny olony rehetra mbamin’ny fananany rehetra.


Ny Israelita rehetra izay nanodidina azy, dia nandositra raha nandre ny fidradradradràny, satria natahotra fandrao hatelin’ny tany eo koa.


Nahita ahy ny boriky ka intelo nivily ahy. Fa raha toa ka tsy nivily ahy izy, dia ianao no ho novonoiko ho faty teo no ho eo, fa izy kosa notsimbiniko ny ainy.


Kanefa ireo zanakalahin’i Kôra kosa tsy mba maty.


Nirehitra ny afon’ny fahatezerako ka nandoro ny toeran’ny maty, hatrany amin’ny farany ambany sy nandevona ny tany mbamin’ny vokatra ao aminy ary nampirehitra ny fanambanin’ny tendrombohitra. HEAVEN-THE DWELLING PLACE OF GOD NY LANITRA-TOERAM-PONENAN’ANDRIAMANITRA THE WATER ABOVE THE VAULT NY RANO AMBONIN’NY HABAKABAKA VAULT OF HEAVEN NY HABAKABAKA ANDOHALAMBON’NY LANITRA EARTH NY TANY Pillars of the sky (2) Andry fanorenan’ny lanitra (2) Pillars of the earth (3) Andry fanorenan’ny tany (3) Sheol Toeran’ny maty The Abyss of waters (2) Ranolalimbe Early conception of the universe Fiheverana fahagola ny amin’ny firafitr’izao tontolo izao (Deôterônômy 32.22) [NEB 148]


Hahita loza ireo, fa nizotra tamin’ny lalana efa nizoran’i Kaina, nihitsoka tamin’ny hadisoana efa nahavoa an’i Balahàma mba hahazoana tamby, ary efa ringana tamin’ny fikomiana nataony toy ny naharingana an’i Kôrà.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra