Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Nomery 15:21 - Baiboly Katolika

Ho santatry ny kobanareo, dia hanavaka izay ho fanatitra ho an’i Iaveh aloha ianareo, dia ianareo sy ny taranakareo.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ny voalohan’ny kobanareo voafetafeta dia hanomezanareo ho an’NY TOMPO hatramin’ny taranakareo fara aman-dimby.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Toy izany no anomezanareo ho Ahy TOMPO ny ampahany amin’ny santatry ny kobanareo; hatramin’ny taranakareo fara mandimby.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Toy izany no anomezanareo ho Ahy TOMPO ny ampahany amin’ny santatry ny kobanareo; hatramin’ny taranakareo fara mandimby.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ny voalohan’ny kobanareo voafetafeta dia hanomezanareo ho an’i Jehovah hatramin’ny taranakareo fara mandimby.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ny voalohan'ny kobanareo voafetafeta dia hanomezanareo ho an'i Jehovah hatramin'ny taranakareo fara mandimby.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ny voalohan’ny kobanareo voafetafeta dia hanomezanareo ho an’NY TOMPO hatramin’ny taranakareo fara aman-dimby.

Jereo ny toko



Nomery 15:21
8 Rohy Ifampitohizana  

Toraka izany koa hanatitra ho an’ny mpisorona ao amin’ny efitrano, ao an-tranon’ny Andriamanitsika, ny santatry ny kobanay amam-panatitray voaavaka mbamin’ny voankazo avy amin’ny hazo rehetra, ny divay vaovao ary ny diloilo, ary hanolotra amin’ny Levita ny ampahafolon’ny vokatry ny taninay; ary ny tenan’ny Levita no haka ny ampahafolony any amin’ny tanàna rehetra fambolenay.


«Haterinao ao an-tranon’i Iaveh Andriamanitrao ny santatry ny voaloham-bokatry ny taninao. Aza mahandro zanak’osy amin’ny rononon-dreniny.»


izany no anjaran’i Aarôna sy ny zanany, tsy maintsy hafoin’ny zanak’i Israely ho azy ireo mandrakizay; fa fanatitra voasandratra izany, ary ny zanak’i Israely tsy maintsy hanokana fanatitra avy amin’ny sorona fisaorana, fanatitra atokany ho an’i Iaveh.»


Ny santatry ny voaloham-bokatra rehetra isan-karazany, mbamin’ny fanatitra rehetra isan-karazany haterinareo, dia ho an’ny mpisorona; omeo ny mpisorona koa ny santatry ny fitotoam-barinareo, mba hitoeran’ny tso-drano ao amin’ny tranonareo.


Tsy hihina-mofo, na salohim-bary voaendy, na salohim-bary maitso hatramin’izany andro izany mandra-pitondrànareo ny fanatitra ho an’ny Andriamanitrareo. Lalàna tsy tapaka ho an’ny taranakareo izany, any amin’ny tany rehetra honenanareo.»


Ho santatry ny kobanareo, dia havahanareo aloha ny mofomamy iray hatao fanatitra; havahanareo izany toy ny fanavahana ny fanatitra avy eo am-pamoloana.


Raha manota tsy nahy ianareo, fa tsy mitandrina ireo didy rehetra nolazain’i Iaveh tamin’i Môizy ireo,


«Mitenena amin’ny Levita ianao, ka lazao amin’izy ireo hoe: Rehefa mandray ny fahafolon-karena avy amin’ny zanak’i Israely ianareo, izay omeko ho lovanareo avy amin’ny fananan’izy ireo, dia hanokananareo izay ho fanatitra ho an’i Iaveh, ampahafolon’ny ampahafolon-karena.