Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Levitikosy 23:14 - Baiboly Katolika

14 Tsy hihina-mofo, na salohim-bary voaendy, na salohim-bary maitso hatramin’izany andro izany mandra-pitondrànareo ny fanatitra ho an’ny Andriamanitrareo. Lalàna tsy tapaka ho an’ny taranakareo izany, any amin’ny tany rehetra honenanareo.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

14 Aza mihinana mofo na lango na salohim-bary maitso, mandra-pahatongan’ny andro izay hitondranareo fanatitra ho an’Andriamanitrareo; ho lalàna maharitra amin’ny taranakareo fara aman-dimby izany any amin’izay fonenanareo rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

14 Alohan’izany andro hitondranareo ny amboaram-bary ho fanatitra ho Ahy Andriamanitrareo izany, dia aza mbola misy ihinanana ny mofo na lango na voambary avy amin’ny vokatra vao niakatra: ho fepetra raikitra hatrany hatrany izany ho anareo, na aiza na aiza honenanareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

14 Alohan’izany andro hitondranareo ny amboaram-bary ho fanatitra ho Ahy Andriamanitrareo izany, dia aza mbola misy ihinanana ny mofo na lango na voambary avy amin’ny vokatra vao niakatra: ho fepetra raikitra hatrany hatrany izany ho anareo, na aiza na aiza honenanareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

14 Ary aza mihinana mofo, na lango, na salohim-bary maitso, mandra-pahatongan’ny andro izay hitondranareo fanatitra ho an’Andriamanitrareo; ho lalàna mandrakizay amin’ny taranakareo hatramin’ny fara mandimby izany eny amin’izay fonenanareo rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

14 Ary aza mihinana mofo, na lango, na salohim-bary maitso, mandra-pahatongan'ny andro izay hitondranareo fanatitra ho an'Andriamanitrareo; ho lalàna mandrakizay amin'ny taranakareo hatramin'ny fara mandimby izany eny amin'izay fonenanareo rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

14 Aza mihinana mofo na lango na salohim-bary maitso, mandra-pahatongan’ny andro izay hitondranareo fanatitra ho an’Andriamanitrareo; ho lalàna maharitra amin’ny taranakareo fara aman-dimby izany any amin’izay fonenanareo rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy




Levitikosy 23:14
15 Rohy Ifampitohizana  

Nampahalalainao ny sabatanao masina izy, ary nomenao didy, fitsipika aman-dalàna hotandremana izy, tamin’ny alalan’i Môizy mpanomponao.


Lavorary ny lalàn’i Iaveh, mamelombelona ny fanahy; mahatoky ny teny vavolombelon’i Iaveh, ka mahahendry ny kely saina.


Ao an-trano lay fihaonana, ivelan’ny efitra lamba anoloan’ny vavolombelona, no hanamboaran’i Aarôna sy ny zanany avy, hirehetany eo anatrehan’i Iaveh hatramin’ny hariva ka hatramin’ny maraina. Lalàna mandrakizay izany ho an’ny zanak’i Israely, hatramin’ny taranaka mifandimby.»


«Atero ao an-tranon’i Iaveh Andriamanitrao ny santatry ny voaloham-bokatry ny taninao.» «Aza mahandro zanak’osy amin’ny rononon-dreniny.»


ary mba hahaizanareo mampianatra ny zanak’i Israely ny lalàna rehetra nomen’i Iaveh azy ireo, tamin’ny alalan’i Môizy.»


«Raha fanatitra atao santa-bokatra no entinao amin’i Iaveh, dia salohim-bary voaendy amin’ny afo, lango voatoto, no haterinao ho fanatitra hatao santa-bokatrao.


Tsy hanao asa na inona na inona ianareo. Lalàna tsy tapaka ho an’ny taranakareo izany, any amin’izay tany rehetra honenanareo.


Hafitoana isan-taona no hanaovanareo izany fety izany ho fankalazana an’i Iaveh, lalàna tsy tapaka ho an’ny taranakareo izany; amin’ny volana fahafito no hanaovanareo izany.


Lalàna tsy tapaka hatrany amin’ny taranakareo izany. Na aiza na aiza honenanareo, aza mihinana sabora na ra akory.»


Tsarovy fa efa mba andevo tany Ejipta koa ianao, ka tandremo ny hanatanteraka ireo didy ireo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra