Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 29:28 - Baiboly Katolika

28 izany no anjaran’i Aarôna sy ny zanany, tsy maintsy hafoin’ny zanak’i Israely ho azy ireo mandrakizay; fa fanatitra voasandratra izany, ary ny zanak’i Israely tsy maintsy hanokana fanatitra avy amin’ny sorona fisaorana, fanatitra atokany ho an’i Iaveh.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

28 Ary ho anjara mandrakizay ho an’i Arona sy ho an’ny taranany avy amin’ny Zanak’Israely izany, fa anjara fanomezana; ary hisy anjara fanomezana ho an’NY TOMPO, haterin’ny Zanak’Israely avy amin’ny fanati-pihavanany rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

28 Noho izany, rehefa manao sorom-pihavanana amiko ny Israelita rehetra, dia hanavaka ny soron-kena sy ny tratrany amin’ireo biby mba ho anjara raikitra ho an’i Aharôna sy ny taranany: zavatra avahana ho Ahy TOMPO izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

28 Noho izany, rehefa manao sorom-pihavanana amiko ny Israelita rehetra, dia hanavaka ny soron-kena sy ny tratrany amin’ireo biby mba ho anjara raikitra ho an’i Aharôna sy ny taranany: zavatra avahana ho Ahy TOMPO izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

28 Ary ho anjara mandrakizay ho an’i Arona sy ho an’ny taranany avy amin’ny Zanak’Isiraely izany, fa fanatitra asandratra izany; ary hisy fanatitra asandratra haterin’ny Zanak’Isiraely avy amin’ny fanati-pihavanany rehetra ho fanatitra asandratra ho an’i Jehovah.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

28 Ary ho anjara mandrakizay ho an'i Arona sy ho an'ny taranany avy amin'ny Zanak'Isiraely izany, fa fanatitra asandratra izany; ary hisy fanatitra asandratra haterin'ny Zanak'Isiraely avy amin'ny fanati-pihavanany rehetra ho fanatitra asandratra ho an'i Jehovah.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 29:28
18 Rohy Ifampitohizana  

«Manaova fanamiana masina ho an’i Aarôna, rahalahinao, ho mariky ny fiamboniany sy ho fihaingony.


Amin’ny ondralahy fanokanana, amin’izay anjaran’i Aarôna sy amin’izay anjaran’ny zanany, dia hohamasininao izay efa voahevaheva sy izay efa voasandratra, dia izao avy: ny tratra voahevaheva sy ny soroka voasandratra;


«Ny fanamiana masin’i Aarôna dia ho an’ny zanany handimby azy koa, ka hatafy azy izany, rehefa avy izay hanosorana azy sy hanokanana azy;


«Raha misy olona manatitra sorom-pihavanana ka biby vaventy, lahy na vavy, no ateriny, dia izay tsy misy kilema no hateriny eo anatrehan’i Iaveh.


Ho santatry ny kobanareo, dia hanavaka izay ho fanatitra ho an’i Iaveh aloha ianareo, dia ianareo sy ny taranakareo.


Fa ny fahafolon-karena hatokan’ny zanak’i Israely ho an’i Iaveh no omeko ho lovan’ny Levita; izany no ilazako aminy hoe: Tsy hanan-dova eo afovoan’ny zanak’i Israely izy.»


Amin’ny fanomezana rehetra horaisinareo, dia hanokananareo ny fanatitra rehetra izay an’i Iaveh: amin’ny tsara indrindra rehetra, dia hanokananareo ny anjara masina avahana aminy.


Ary hoy i Iaveh tamin’i Aarôna: «Indro omeko anao ny fizakana ny zavatra rehetra voaavaka ho Ahy, dia ny zava-drehetra voatokana avy amin’ny zanak’i Israely. Ny fanosorana anao no antony anomezako izany ho anao sy ny zanakao ho lalàna mandrakizay.


ka nony efa nalan’i Môizy ny fanamian’i Aarôna, dia natafiny an’i Eleazara zanany.


Ny azy ireo antsasany no hangalanareo an’izany, ka omeo an’i Eleazara mpisorona ho anjara natokana ho an’i Iaveh.


Dia nomen’i Môizy an’i Eleazara mpisorona ny anjara natokana ho an’i Iaveh, araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy.


azy avokoa ny zavatra atokan’ny olona rehetra na iza na iza. Izay omen’ny olona ho an’ny mpisorona dia ho azy.»


An’ny mpisorona ny fanatitra rehetra avahana amin’ny zava-masina aterin’ny zanak’i Israely amin’ny mpisorona;


dia hahevahevan’ny mpisorona eo anatrehan’i Iaveh ireo. Zava-masina anjaran’ny mpisorona izany, fanampin’ny tratra ahevaheva, sy ny fe avahana koa. Aorian’izany, dia mahazo misotro divay ny nazareàna.


Izao no anjaran’ny mpisorona avy amin’ny vahoaka amin’izay misorona omby na ondry: omena ny mpisorona ny sorony sy ny valanoranony ary ny vavoniny.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra