Nomery 14:5 - Baiboly Katolika Nidaboka niankohoka teo anatrehan’ny fiangonan’ny zanak’i Israely rehetra tafavory i Môizy sy i Aarôna. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary niankohoka teo anatrehan’ny fivorian’ny fiangonan’ny Zanak’Israely manontolo i Mosesy sy i Arona. DIEM PROTESTANTA Niankohoka tamin’ny tany teo anatrehan’ny fiangonan’ny Israelita rehetra vory teo i Mosesy sy Aharôna. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Niankohoka tamin’ny tany teo anatrehan’ny fiangonan’ny Israelita rehetra vory teo i Mosesy sy Aharôna. Baiboly Protestanta Malagasy Ary Mosesy sy Arona dia niankohoka teo anatrehan’ny fivorian’ny fiangonana, dia ny Zanak’Isiraely rehetra. Malagasy Bible Ary Mosesy sy Arona dia niankohoka teo anatrehan'ny fivorian'ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra. La Bible en Malgache Ary niankohoka teo anatrehan’ny fivorian’ny fiangonan’ny Zanak’Israely manontolo i Mosesy sy i Arona. |
Nony nahita izany ny vahoaka rehetra, dia niankohoka tamin’ny tany nanao hoe: «I Iaveh ihany no Andriamanitra, i Iaveh ihany no Andriamanitra!»
Nony natopin’i Davida ny masony, dia hitany ilay Anjelin’i Iaveh teo anelanelan’ny tany sy ny lanitra, nitan-tsabatra voatsoaka natondrony nanandrify an’i Jerosalema. Niankohoka i Davida sy ny loholona, sady nitafy lasàka izy ireo.
Nony namely izy ireo, ka izaho irery no sisa teo, dia niankohoka aho, sady nitaraina hoe: «Indrisy! Iaveh Tompo ô! dia haringanao avokoa va ny sisa amin’i Israely, amin’izao ampidinanao ny hatezeranao amin’i Jerosalema izao?»
Ary nisy afo nivoaka avy eo anatrehan’i Iaveh nandevona ny sorona dorana mbamin’ny sabora teo ambonin’ny ôtely. Ary nahita izany daholo ny vahoaka rehetra, dia nihoby an-kafaliana sady rafitra niankohoka.
Nandriatra ny fitafiany i Jôsoe, zanak’i Nona, sy i Kaleba, zanak’i Jefôna, anisan’ireo nisafo ny tany,
Ary niankohoka tamin’ny tany izy ireo ka nanao hoe: «Andriamanitra ô, ry Andriamanitry ny fanahin’ny nofo rehetra, olona iray no nanota, ka no dia tezitra amin’ny fiangonana rehetra Ianao?»
«Mialà ianareo eo afovoan’ity fiangonana ity, handringanako azy indray mihelina.» Dia niankohoka tamin’ny tany izy.
Dia niala tao amin’ny fiangonana i Môizy sy i Aarôna, nankeo am-baravaran’ny trano lay fihaonana. Nidaboka niankohoka izy ireo, dia niseho taminy ny voninahitr’i Iaveh.
Ary nony nandroso kely Izy, dia nihohoka tamin’ny tany ka nivavaka nanao hoe: «Raiko, raha azo atao, aoka hoesorina amiko ity kapoaka ity, kanefa aoka tsy ny sitrapoko anie no ho tanteraka, fa ny Anao.»
ireo Anti-dahy efatra amby roapolo kosa dia miankohoka eo anoloan’ilay mipetraka amin’ny seza fiandrianana koa, sy mitsaoka an’ilay Velona mandrakizay mandrakizay, ary manipy ny satroboninahiny eo anoloan’ny seza fiandrianany, ka manao hoe:
Dia novalian’ny Zava-manana aina efatra hoe: «Amen.» Ary ny Anti-dahy efatra amby roapolo niankohoka nitsaoka an’Ilay velona mandrakizay mandrakizay.
Dia nitsangana nanodidina ny seza fiandrianana sy ireo Anti-dahy ary ny Zava-manana aina efatra ny Anjely rehetra, ka niankohoka teo anoloan’ny seza fiandrianana, nitsaoka an’Andriamanitra,