Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Nomery 13:22 - Baiboly Katolika

Niakatra an’i Negeba izy ireo, ka nandroso hatrany Hebrôna, izay nisy an’i Akimàna sy i Sizaia ary i Tolmaia, taranak’i Enàka. I Hebrôna dia naorina fito taona talohan’i Tanisa any Ejipta.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Niakatra nandalo ny Negeva izy ireo ka nankany Hebrona izay nisy an’i Ahimana sy i Sesay ary i Talmay, taranaky ny Anakita. I Hebrona dia voaorina fito taona talohan’i Zoana any Ejipta.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Niakatra avy any atsimo izy ireo ka tonga tao Hebrôna izay nonenan’ny tarik’i Ahimàna sy i Sesay ary i Talmay, samy taranaky ny Hanakita. I Hebrôna dia niorina fito taona talohan’i Tsôhàna any Ejipta.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Niakatra avy any atsimo izy ireo ka tonga tao Hebrôna izay nonenan’ny tarik’i Ahimàna sy i Sesay ary i Talmay, samy taranaky ny Hanakita. I Hebrôna dia niorina fito taona talohan’i Tsôhàna any Ejipta.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia niakatra tao amin’ny tany atsimo izy ka nankany Hebrona; ary teo Ahimana sy Sesay ary Talmay, teraky ny Anakita. (Ary Hebrona dia voaorina fito taona talohan’i Zoana any Egypta.)

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia niakatra tao amin'ny tany atsimo izy ka nankany Hebrona; ary teo Ahimana sy Sesay ary Talmay, teraky ny Anakita. (Ary Hebrona dia voaorina fito taona talohan'i Zoana any Egypta.)

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Niakatra nandalo ny Negeva izy ireo ka nankany Hebrona izay nisy an’i Ahimana sy i Sesay ary i Talmay, taranaky ny Anakita. I Hebrona dia voaorina fito taona talohan’i Zoana any Ejipta.

Jereo ny toko



Nomery 13:22
21 Rohy Ifampitohizana  

Dia nifindra toby i Abrama ka nandeha nonina teo amin’ny terebintan’i Mambre, izay any Hebrôna, ary teo izy nanangana ôtely ho an’i Iaveh.


Ary i Sarà dia maty tany Kiriatarbe, dia Hebrôna izany, any amin’ny tany Kanaana; ka tonga i Abrahama hisaona an’i Sarà sy hitomany azy.


Taorian’izany dia nanontany an’i Iaveh i Davida nanao hoe: «Hiakatra any amin’ny anankiray amin’ny tanànan’i Jodà va aho?» Dia hoy ny navalin’i Iaveh azy: «Miakara.» Hoy i Davida: «Aiza no hiakarako?» Ary i Iaveh namaly hoe: «Any Hebrôna.»


Ary fito taona sy enim-bolana no andro nanjakan’i Davida tao Hebrôna tamin’ny fokon’i Jodà.


Ary i Jesbì-Benôba, ny iray amin’ny zana-dRafà - ny lefony dia lanjana 300 sikla varahina ary sabatra vaovao no voafehy teny aminy - dia efa namoaka teny hamono an’i Davida.


Dia nanao fahagagana teo anatrehan’ny razany Izy, tany amin’ny tany Ejipta, tao an-tsahan’i Tanisa,


izay nanehoany ny fahagagany tany Ejipta, ny asany mahagaga tany an-tsahan’i Tanisa.


Ny mpanapaka an’i Tanisy adala foana; ny an’ireo hendry amin’ny mpanolo-tsain’i Faraôna dia hadalana ny toroheviny. Ahoana no ahasahianareo milaza amin’i Faraôna hoe: Zanak’olon-kendry aho, taranak’andriana fahagola aho?


Ny mpanapaka an’i Tanisy efa very saina; ny mpanapaka an’i Memfisy efa voafitaka, ny tenan’izy ireo, vato fehizoron’ny karazam-pokon’i Ejipta no nandrebireby azy.


Efa mby any Tanisa sahady ireo mpanapaka an’i Jodà; ary efa tafahoatra hatrany Hanesa ny irany;


Nirahin’i Môizy hisafo ny tany Kanaana izy ireo, nataony hoe: «Miakara ianareo, mihazoa ny Negeba, dia miakara amin’ny tendrombohitra.


Fa ny vahoaka monina any, mahery; ny tanàna, sady mimanda no lehibe; ny zanak’i Enàka aza, hitanay any koa.


ary hitanay tany koa ny Rapeto zanak’i Enàka, taranaky ny Rapeto: mova tsy ny valala izahay teo imasony sy teo imasonay.»


Vahoaka vaventy, lava, taranaky ny Enakima, izay fantatrao sy renao laza hoe: Zovy no hahatohitra ny taranak’i Enàka?


Niakatra avy eo Eglôna i Jôsoe sy i Israely rehetra niaraka taminy, dia nankany Hebrôna, ka namely azy izy ireo.


Ny taranak’i Aarôna mpisorona dia nomeny ny tanàna fialofan’ny mamono olona, dia i Hebrôna sy ny manodidina azy, ary koa i Lebnà sy ny manodidina azy,


Dia nandroso i Jodà namely ny Kananeanina nonina tany Hebrôna, izay nantsoina fahiny hoe Kariata-Arbe, ary nandresy an’i Sesaia sy i Ahimàna ary Tolmaia.


an’ny ao Hebrôna, ary ho an’ny any amin’ny tany rehetra nalehan’i Davida sy ny olony».