Mitsangàna, ry Iaveh, avia eto amin’ny fitoerana fitsaharanao, ianao sy ny fiaran’ny fiandriananao!
Nomery 10:35 - Baiboly Katolika Nony niainga ny fiara, dia hoy i Môizy: «Mitsangàna, ry Iaveh, ka aoka hihahaka ny fahavalonao, aoka handositra ny Tavanao izay mankahala Anao.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Rehefa niainga ny vata misy ny Fanekena dia hoy i Mosesy: Mitsangàna, TOMPO ô! Aoka hiely ny fahavalonao! Aoka handositra ny tavanao izay mankahala Anao! DIEM PROTESTANTA Rehefa niainga ny Vatamasina, dia hoy i Mosesy hoe: «Mitsangàna, TOMPO ô, aoka hihahaka ny fahavalonao, ary handositra anao ny mpankahala!» Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Rehefa niainga ny Vatamasina, dia hoy i Mosesy hoe: «Mitsangàna, TOMPO ô, aoka hihahaka ny fahavalonao, ary handositra anao ny mpankahala!» Baiboly Protestanta Malagasy Ary raha niainga ny fiara, dia hoy Mosesy: Mitsangàna, Jehovah ô, ka aoka hiely ny fahavalonao; ary aoka handositra ny tavanao izay mankahala Anao. Malagasy Bible Ary raha niainga ny fiara, dia hoy Mosesy: Mitsangàna, Jehovah ô, ka aoka hiely ny fahavalonao; ary aoka handositra ny tavanao izay mankahala Anao. La Bible en Malgache Rehefa niainga ny vata misy ny Fanekena* dia hoy i Mosesy: Mitsangàna, TOMPO ô! Aoka hiely ny fahavalonao! Aoka handositra ny tavanao izay mankahala Anao! |
Mitsangàna, ry Iaveh, avia eto amin’ny fitoerana fitsaharanao, ianao sy ny fiaran’ny fiandriananao!
Mitsangàna, ry Iaveh ô! Vonjeo aho, ry Andriamanitro! Fa Ianao no mamely ny takolaky ny fahavaloko rehetra; Ianao no manorotoro ny nifin’ny ratsy fanahy.
Fa ny malahelo tsy mba hadinoina hatrany hatrany; ny fanantenan’ny ory tsy rava mandrakizay.
Iza no hitsangana ho ahy, hanohitra ny ratsy fanahy? Iza no hanohana ahy, hanohitra ireo manao ratsy?
Mifohaza, mifohaza ianao, mitafia hery, ry zandrin’i Iaveh! Mifohaza toy ny tamin’ny andro taloha, tahaka ny tamin’ny taona fahiny. Tsy Ianao va no nitetika an-dRahaba ho potipotika, sy nitomboka ilay dragona ho gorobaka?
Rehefa hanasa ny sabatro manelatrelatra sy handray ny fitsarana ny tanako, dia hasiako valim-bonoana ny fahavaloko, ary hampandraisiko tody izay mandrafy Ahy.
Fa mamaly an-kitsirano kosa an’izay mankahala azy, amin’ny fandringanana azy; tsy hitaredretra akory Izy ny amin’izay mankahala Azy, fa hovaliany an-kitsirano izao.
Niverina tany an-toby ny olona, ary hoy ny loholon’i Israely: «Nahoana i Iaveh no namely antsika teo anoloan’ny Filistinina androany? Andeha hoentina hankatỳ amintsika avy any silao ny Fiaran’ny Faneken’i Iaveh; aoka ho tonga eo afovoantsika sy hanafaka antsika amin’ny tanan’ny fahavalontsika Izy.»