Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Nomery 1:47 - Baiboly Katolika

Tsy mba nisaina niaraka tamin’ireo ny Levita araka ny fokom-pianakaviany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Tsy mba nisaina tao anatin’ireo kosa ny levita, araka ny fokony.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Fa tsy mba natao fanisana niaraka tamin’ny Israelita hafa ny Levita.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Fa tsy mba natao fanisana niaraka tamin’ny Israelita hafa ny Levita.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

FA ny Levita, araka ny fireneny kosa, dia tsy mba nalamina ho isan’ireo.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Fa ny Levita, araka ny fireneny kosa dia tsy mba nalamina ho isan'ireo.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Tsy mba nisaina tao anatin’ireo kosa ny levita*, araka ny fokony.

Jereo ny toko



Nomery 1:47
12 Rohy Ifampitohizana  

Fa i Levì sy i Benjamina tao amin’izy ireo, tsy mba nanaovany fanisana, satria nolavin’ny sain’i Jôaba ny didin’ny mpanjaka.


hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra, dia ny lehilahy rehetra amin’i Israely izay mahatàm-piadiana. Ianao sy i Aarôna no hanisa azy araka ny isan-tokony avy;


Niteny tamin’i Môizy i Iaveh nanao hoe:


Fa apetraho aminy kosa ny fikarakarana ny Fonenan’ny vavolombelona mbamin’ny fanaka aman-javatra rehetra momba azy. Izy ireo no hitondra ny Fonenana mbamin’ny fanaka rehetra momba azy; izy no hanao ny fanompoana ao aminy; ary izy no hitoby manodidina ny Fonenana.


Tsy anisan’ny voaisa niaraka tamin’ny zanak’i Israely ny Levita, araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy.


Izao no taranak’i Arôna sy i Môizy, tamin’ny andro nitenenan’i Iaveh tamin’i Môizy, teny an-tendrombohitra Sinaia.


Tany an’efitra Sinaia, dia niteny tamin’i Môizy i Iaveh ka nanao hoe:


«Alao isa, araka ny fokom-pianakaviany, araka ny fianakaviany avy, ny taranak’i Levỳ, ka ny lahy rehetra hatramin’ny iray volana no ho miakatra no isao.»


Noho ny didy nomen’i Iaveh tamin’ny alalan’i Môizy no nanaovana izany fanisana izany sy nanomezana azy tsirairay ny fanompoana tsy maintsy hataony sy ny entana tsy maintsy hoentiny avy, ka dia voaisa araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy izy ireo.