Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Nehemia 9:4 - Baiboly Katolika

Niakatra teo amin’ny lampihazon’ny Levita i Jôsoe, i Banỳ, i Kedmiela, i Sabaniasa, i Bonỳ, i Sarebiasa, i Banỳ, sy i Kananì, ka nitaraina tamin’ny feo avo tamin’i Iaveh Andriamaniny.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary nitsangana teo ambonin’ny lampihazon’ny levita i Josoa, i Bany, i Kadmiela, i Sebania, i Bony, i Serebia, i Bany ary i Kenany ka nitaraina mafy tamin’ny Tompo Andriamaniny.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Ry i Jesoa sy i Binoy, i Kadmiela sy i Sebanià, i Bony sy Serebià, ary i Banỳ sy i Kenany dia nitsangana teo ambonin’ny lampihazo natokana ho an’ny levita ka nitaraina mafy tamin’ny TOMPO Andriamaniny.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ry i Jesoa sy i Binoy, i Kadmiela sy i Sebanià, i Bony sy Serebià, ary i Banỳ sy i Kenany dia nitsangana teo ambonin’ny lampihazo natokana ho an’ny levita ka nitaraina mafy tamin’ny TOMPO Andriamaniny.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary Jesoa sy Bany sy Kadmiela sy Sebania sy Bony sy Serebia sy Bany ary Kenany dia nitsangana teo ambonin’ny lampihazon’ny Levita ka nitaraina mafy tamin’i Jehovah Andriamaniny.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary Jesoa sy Bany sy Kadmiela sy Sebania sy Bony sy Serebia sy Bany ary Kenany dia nitsangana teo ambonin'ny lampihazon'ny Levita ka nitaraina mafy tamin'i Jehovah Andriamaniny.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary nitsangana teo ambonin’ny lampihazon’ny levita* i Josoa, i Bany, i Kadmiela, i Sebania, i Bony, i Serebia, i Bany ary i Kenany ka nitaraina mafy tamin’ny Tompo Andriamaniny.

Jereo ny toko



Nehemia 9:4
13 Rohy Ifampitohizana  

Ary ny Levita amin’ny taranak’i Kaata, amin’ny taranak’i Kôre nitsangana, hankalaza an’i Iaveh Andriamanitr’i Israely, tamin’ny feo mahery sy avo.


Levita: i Josoe, i Benoy, i Kedmiela, i Sarebiasa, i Jodà, i Mataniasa, izay nitarika ny hira fiderana, niaraka tamin’ireo rahalahiny;


Nanamboatra nanaraka azy, ny Levita tarik’i Rehoma, zanak’i Benì. Nanamboatra teo anilany ho an’ny faritaniny, i Hasebiasa lehiben’ny antsasaky ny faritanin’i Keilà.


Teo ambony lampihazo vao narafitra hanaovana izany, no nitsangana i Esdrasa mpanora-dalàna, ary ireto no teo anilany: ao ankavanany, i Matatiasa, i Semeiàsa, i Aniasa, i Oria, i Helkiasa, i Maasiasa; teo ankaviany, i Fadaiasa, i Mesaela, i Melkiasa, i Hasoma, i Hasbadanà, i Zakaria, i Mosolama.


Ary nampianatra ny vahoaka ny lalàna, i Josoe, i Banì, i Sarabiasa, i Jamina, i Akoba, i Septaì, i Odiasa, i Maasiasa, i Kelità, i Azariasa, i Jozabeda, i Hanàna, i Falaisa, mbamin’ny Levita; ka samy nijanona teo amin’ny fitoerany ny olona.


Ary hoy ny Levita, Jôsoe, Kedmiela, Banỳ, Hasebniasa, Sarebiasa, Odaiasa, Sebniasa, Fatatiasa: «Mitsangàna ianareo ka misaora an’i Iaveh Andriamanitrareo, mandrakizay mandrakizay! «Hisaorana anie ny Anaranao be voninahitra, izay mihoatra noho ny fisaorana amam-piderana rehetra!


Fihirana fiakarana. Ato ambody hantsana aho no miantso anao, ry Iaveh, Tompo ô, henoy ny feoko;


Kanefa, ry Iaveh, Ianao no ampingako; Ianao no voninahitro sy manandratra ny lohako.


Ho an’ny mpampianatra hira... Iditona. Salamon’i Asafa .


Na mitaraina sy miangavy aza aho, tampenany avokoa ny fidiran’ny fivavahako.


Rehefa nilaza izany Izy dia niantso tamin’ny feo mahery hoe: «Mivoaha, ry Lazara.»