Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Nehemia 3:17 - Baiboly Katolika

Nanamboatra nanaraka azy, ny Levita tarik’i Rehoma, zanak’i Benì. Nanamboatra teo anilany ho an’ny faritaniny, i Hasebiasa lehiben’ny antsasaky ny faritanin’i Keilà.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Teo anilan’io dia nanamboatra koa ny levita, dia i Rehoma, zanak’i Bany. Teo anilan’ireo dia nanamboatra koa i Hasabia, komandin’ny antsasaky ny faritr’i Keila, ho an’ny faritra misy azy.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Nanarakaraka an’i Nehemià, dia namboatra koa ny levita notarihin’i Rehoma zanakalahin’i Banỳ; ary teo an-kilan’ireo i Hasabià, komandin’ny antsasaky ny faritr’i Kehilà, dia namboatra ny manda ho an’ny faritra feheziny.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Nanarakaraka an’i Nehemià, dia namboatra koa ny levita notarihin’i Rehoma zanakalahin’i Banỳ; ary teo an-kilan’ireo i Hasabià, komandin’ny antsasaky ny faritr’i Kehilà, dia namboatra ny manda ho an’ny faritra feheziny.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Manarakaraka io dia namboatra koa ny Levita, dia Rehoma, zanak’i Bany. Manarakaraka ireo dia namboatra koa Hasabia, komandin’ny antsasaky ny fehin’i Keila, ho an’ny fehiny.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Manarakaraka io dia namboatra koa ny Levita, dia Rehoma, zanak'i Bany. Manarakaraka ireo dia namboatra koa Hasabia , komandin'ny antsasaky ny fehin'i Keila, ho an'ny fehiny.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Teo anilan’io dia nanamboatra koa ny levita*, dia i Rehoma, zanak’i Bany. Teo anilan’ireo dia nanamboatra koa i Hasabia, komandin’ny antsasaky ny faritr’i Keila, ho an’ny faritra misy azy.

Jereo ny toko



Nehemia 3:17
8 Rohy Ifampitohizana  

Ary hoy i Davida: «Aoka ny 24.000 amin’izy ireo, hiadidy ny raharaha ao an-tranon’i Iaveh, ny enina arivo ho mpanoratra sy mpitsara,


i Sebeniasa, i Rehoma, i Merimota,


Nanaraka azy, i Nehemia zanak’i Azbôka, lehiben’ny antsasaky ny faritanin’i Betsora, namboatra hatreo amin’ny tandrifin’ireo fasan’i Davida, hatreo amin’ilay dobo voafaritra sy hatreo amin’ny tranon’ny Lehilahy mahery.


Nanamboatra nanarakaraka azy, ireo rahalahiny tarik’i Bavaì zanak’i Henadada, lehiben’ny antsasaky ny faritanin’i Keilà.


Namboatra teo anilany, i Rafaiasa zanak’i Hora, lehiben’ny antsasaky ny faritanin’i Jerosalema.


Niakatra teo amin’ny lampihazon’ny Levita i Jôsoe, i Banỳ, i Kedmiela, i Sabaniasa, i Bonỳ, i Sarebiasa, i Banỳ, sy i Kananì, ka nitaraina tamin’ny feo avo tamin’i Iaveh Andriamaniny.


i Keilà, i Aleziba, ary i Maresà, tanàna sivy ary ny zana-bohiny,