Nehemia 12:10 - Baiboly Katolika I Josoe niteraka an’i Jôakima, i Jôakima niteraka an’i Eliasiba, i Eliasiba niteraka an’i Joiadà, Baiboly Protestanta Malagasy 2011 I Josoa dia niteraka an’i Joiakima; ary i Joiakima dia niteraka an’i Eliasiba; i Eliasiba dia niteraka an’i Joiada; DIEM PROTESTANTA I Jesoa no ray niteraka an’i Jôiakima; i Jôiakima no ray niteraka an’i Eliasiba; i Eliasiba no ray niteraka an’i Jôiadà; Dikateny Iombonana Eto Madagasikara I Jesoa no ray niteraka an’i Jôiakima; i Jôiakima no ray niteraka an’i Eliasiba; i Eliasiba no ray niteraka an’i Jôiadà; Baiboly Protestanta Malagasy Ary Jesoa niteraka an’i Joiakima; ary Joiakima niteraka an’i Eliasiba; ary Eliasiba niteraka an’i Joiada; Malagasy Bible Ary Jesoa niteraka an'i Joiakima; ary Joiakima niteraka an'i Eliasiba; ary Eliasiba niteraka an'i Joiada; La Bible en Malgache I Josoa dia niteraka an’i Joiakima; ary i Joiakima dia niteraka an’i Eliasiba; i Eliasiba dia niteraka an’i Joiada; |
Tamin’ny andron’i Eliasiba, i Jôiadà, i Johanàna, ary i Jedoà, dia voasoratra avokoa ny Levita loham-pianakaviana sy ny mpisorona, tamin’ny nanjakan’i Dariosa ilay Persa.
Ireo izy no tamin’ny andron’i Jôakima, zanak’i Josedeka sy i Nehemia governora, ary i Esdrasa mpisorona sy mpanora-dalàna.
i Bekbekiasa sy i Anì, rahalahin’ireo kosa no antoko-mpihira nifamaly tamin’ireo, tamin’ny fanompoana.
Ny iray amin’ny zanak’i Jôiadà, zanak’i Eliasiba mpisorona lehibe, dia vinantolahin’i Sanabalata, ka noroahiko hiala teo amiko.
Talohan’izany, i Eliasiba mpisorona, izay mpitandrina ny efitranon’ny Andriamanitsika, sy tonga havan’i Tobia,
nahazo alalana tamin’ny mpanjaka hiverina ho any Jerosalema aho, ka izay vao nahita ity ratsy nataon’i Eliasiba, ho fankasitrahana an’i Tobia, fa namboatra efitrano ho azy, tao anatin’ny kianjan’ny tranon’Andriamanitra.
I Eliasiba mpisorona lehibe, mbamin’ireo mpisorona rahalahiny dia nanomboka nanorina ny vavahadin’ny Ondry, nanamasina azy izy, dia nandatsaka ny lela-vavahady; namboariny ny manda dia nohamasininy hatramin’ny tilikambon’i Meà, ka hatramin’ny tilikambon’i Hananeela.