Maty i Hosama, ary nanjaka nandimby azy i Adada, zanak’i Badada, ilay nandresy an’i Madianina, tany amin’ny tanin’i Moaba; ary Avita no anaran’ny tanànany.
Mpitsara 7:23 - Baiboly Katolika Dia nivory ny lehilahy amin’i Israely, ny avy amin’i Neftalì sy amin’i Asera ary amin’i Manase rehetra, ka nanenjika an’i Madiàna. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia nivory ny lehilahin’ny Israely avy tamin’ny Naftaly sy ny Asera ary ny Manase rehetra ka nanenjika ny Midianita. DIEM PROTESTANTA Dia novorina ny vatan-dehilahy israelita avy amin’ny foko naftalita sy i aserita ary koa avy amin’ny foko manasita manontolo ka nanenjika ny Midianita. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia novorina ny vatan-dehilahy israelita avy amin’ny foko naftalita sy i aserita ary koa avy amin’ny foko manasita manontolo ka nanenjika ny Midianita. Baiboly Protestanta Malagasy Dia nivory ny lehilahy amin’ny Isiraely avy tamin’ny Naftaly sy ny Asera ary ny Manase rehetra ka nanenjika ny Midiana. Malagasy Bible Dia nivory ny lehilahy amin'ny Isiraely avy tamin'ny Naftaly sy ny Asera ary ny Manase rehetra ka nanenjika ny Midiana. La Bible en Malgache Dia nivory ny lehilahin’ny Israely avy tamin’ny Naftaly sy ny Asera ary ny Manase rehetra ka nanenjika ny Midianita. |
Maty i Hosama, ary nanjaka nandimby azy i Adada, zanak’i Badada, ilay nandresy an’i Madianina, tany amin’ny tanin’i Moaba; ary Avita no anaran’ny tanànany.
dia samy nahafaty lehilahy iray avy izy ireo, ka rafitra nandositra ny Sirianina, nefa nenjehin’i Israely. Niara-nandositra an-tsoavaly tamin’ny mpitaingin-tsoavaly sasany koa i Benadaba mpanjakan’i Siria.
Nivoaka ny mpanjakan’i Israely; nasiany avokoa ny soavaly sy ny kalesy, ka nasiany tamin’ny fandresena mafy ny Sirianina.
nandefa iraka tany amin’i Manase rehetra izy, dia nivory nanaraka azy koa ireo; nandefa iraka tany amin’i Asera sy i Zabolôna ary i Neftalì izy, ka niakatra ireo nitsena azy.