dia samy nahafaty lehilahy iray avy izy ireo, ka rafitra nandositra ny Sirianina, nefa nenjehin’i Israely. Niara-nandositra an-tsoavaly tamin’ny mpitaingin-tsoavaly sasany koa i Benadaba mpanjakan’i Siria.
Mpitsara 7:21 - Baiboly Katolika Samy nijanona tamin’izay nisy azy nanodidina ny toby avy izy ireo; ka rafitra nihazakazaka, ninananàna sy nandositra ny tao an-toby rehetra. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary samy nijoro teo amin’ny toerany avy, manodidina ny toby izy rehetra; dia nihazakazaka ny miaramila rehetra ka niantsoantso sady nandositra. DIEM PROTESTANTA Samy nijoro teo amin’ny toerany manodidina ny toby avy izy rehetra. Fa tao anatin’ny toby kosa dia nihazakazaka ny miaramila rehetra sady niantsoantso sy nandositra. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Samy nijoro teo amin’ny toerany manodidina ny toby avy izy rehetra. Fa tao anatin’ny toby kosa dia nihazakazaka ny miaramila rehetra sady niantsoantso sy nandositra. Baiboly Protestanta Malagasy Ary samy nijanona teo amin’ny fitoerany avy manodidina ny toby izy rehetra; dia nihazakazaka ny miaramila rehetra ka ninananana sady nandositra. Malagasy Bible Ary samy nijanona teo amin'ny fitoerany avy manodidina ny toby izy rehetra; dia nihazakazaka ny miaramila rehetra ka ninananana sady nandositra. La Bible en Malgache Ary samy nijoro teo amin’ny toerany avy, manodidina ny toby izy rehetra; dia nihazakazaka ny miaramila rehetra ka niantsoantso sady nandositra. |
dia samy nahafaty lehilahy iray avy izy ireo, ka rafitra nandositra ny Sirianina, nefa nenjehin’i Israely. Niara-nandositra an-tsoavaly tamin’ny mpitaingin-tsoavaly sasany koa i Benadaba mpanjakan’i Siria.
ka nanao hoe: «Mampandria sofina, ry Jôsafata mpanjaka! Izao no lazain’i Iaveh aminareo: Aza matahotra na manam-badi-po eo anatrehan’ireo vahoaka be ireo, fa tsy anareo ity ady ity, fa an’Andriamanitra.
Tsy hisy tokony hiadianareo akory amin’ity, fa tongava dia mijanòna eo, fa ho hitanareo ny famonjena hataon’i Iaveh anareo, ry Jodà sy i Jerosalema. Aza matahotra na manam-badi-po; mivoaha ianareo rahampitso hitsena an’ireo, fa homba anareo i Iaveh.»
Ary hoy ny Ejiptianina tamin’izay: «Andeha handositra eo anoloan’i Israely isika, fa i Iaveh no miady ho azy, mamely ny Ejiptianina.»
Fa izao no nolazain’i Iaveh Tompo, ilay Masin’i Israely: «Ny fibebahana sy ny fiandrasana amim-piadanana no hahavoavonjy anareo; ao amin’ny fitsaharana amam-pahatokiana no herinareo.»
Ho zava-poana sy tsinontsinona ny vonjin’i Ejipta; izany no iantsoako azy hoe: Ilay be rehaka mipetra-poana.
namono ny herin’ny afo, afaka tamin’ny lelan’ny sabatra, nositranina tamin’ny aretina, nampiseho herim-po tamin’ny ady, nampandositra ny miaramilan’ny fahavalo;
Niaraka tamin’izay, samy nitsoka ny trômpetra sy namaky ny sininy avy izy telo toko, ka ny tanany havia moa nihazona ny fanilo, ary ny havanana kosa ny trômpetra hotsofiny, dia niantso mafy izy nanao hoe: «Sabatra ho an’i Iaveh sy ho an’i Jedeôna».