Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Mpitsara 7:14 - Baiboly Katolika

Dia izao no navalin’ilay namany manao hoe: «Tsy inona izany fa ny sabatr’i Jedeôna, zanak’i Jôasy, lehilahy Israelita; efa voatolotr’Andriamanitra eo an-tanany i Madiàna sy ny toby rehetra.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia namaly ilay namany hoe: Tsy zavatra hafa izany fa ny sabatr’i Gideona, zanak’i Joasy, lehilahy Israelita, mihitsy; efa natolotr’Andriamanitra eo an-tanany ny Midianita sy ny toby manontolo!

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Fa namaly azy ilay namany ka nanao hoe: –Tsy zavatra hafa no asehon’izany fa ny sabatr’i Gidehôna, ilay Israelita zanakalahin’i Jôasy. Efa natolotr’Andriamanitra eo an-tanany isika miaraka amin’ny toby manontolo.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Fa namaly azy ilay namany ka nanao hoe: –Tsy zavatra hafa no asehon’izany fa ny sabatr’i Gidehôna, ilay Israelita zanakalahin’i Jôasy. Efa natolotr’Andriamanitra eo an-tanany isika miaraka amin’ny toby manontolo.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia namaly ilay namany ka nanao hoe: Tsy zavatra hafa izany, fa ny sabatr’i Gideona, zanak’i Joasy, lehilahy Isiraelita, mihitsy: efa natolotr’Andriamanitra eo an-tànany ny Midiana sy ny toby rehetra.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia namaly ilay namany ka nanao hoe: Tsy zavatra hafa izany, fa ny sabatr'i Gideona, zanak'i Joasy, lehilahy Isiraelita, mihitsy: efa natolotr'Andriamanitra eo an-tànany ny Midiana sy ny toby rehetra.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia namaly ilay namany hoe: Tsy zavatra hafa izany fa ny sabatr’i Gideona, zanak’i Joasy, lehilahy Israelita, mihitsy; efa natolotr’Andriamanitra eo an-tanany ny Midianita sy ny toby manontolo!

Jereo ny toko



Mpitsara 7:14
14 Rohy Ifampitohizana  

Tsy efa vitanao fefy manodidina va ny tenany, ny ankohonany mbamin’ny ananany rehetra? Fa nambininao ny asan’ny tanany, ka manenika ny tany ny biby fiompiny.


Hoy i Balaama tamin’i Balàka: «Indro aho mankatỳ aminao; fa ankehitriny moa ho afa-milaza na inona na inona va aho? Ny teny hataon’Andriamanitra ao am-bavako no holazaiko.»


Indro efa nahazo teny hitso-drano aho; Izy efa nitso-drano, ka tsy hanova izany aho.


Dia nanisy teny tao am-bavan’i Balaama i Iaveh sy nanao taminy hoe: «Miverena any amin’i Balàka, ka izao sy izao lazaina aminy.»


Tonga tany amin’i Jôsoe zanak’i Nona izy, dia nilaza ny zavatra rehetra nihatra taminy.


«Fantatro fa efa nomen’i Iaveh anareo ity tany ity, satria izahay efa raiki-tahotra ny anaranareo; ny mponina rehetra amin’ity tany ity efa ketraka eo anoloanareo.


Nony ren’ny mpanjakan’ny Amôreana rehetra any an-dafin’i Jordany any andrefana sy ny mpanjakan’ny Kananeanina rehetra akaikin’ny ranomasina fa nataon’i Iaveh maina ny ranon’i Jordany teo anoloan’ny zanak’i Israely mandra-pitantsika, dia kivy ny fony ka nanary toky teo anoloan’ny zanak’i Israely izy.


Hoy izy taminy: «Manaraha ahy, fa efa natolotr’i Iaveh eo an-tananareo ny fahavalonareo, ny Moabita.» Dia nidina nanaraka azy ireo, ka azony ny fitàna an’i Jordany tandrifin’i Moaba, ary notapahiny tsy hitan’olona na dia iray aza.


Tonga teo i Jedeôna ka indro nisy lehilahy anankiray nilaza nofy tamin’ny namany anankiray nanao hoe: «Nanonofy aho, ka indro, nisy mofo orja nikodiadia teo amin’ny tobin’i Madiàna, dia tonga hatrany amin’ny lay, dia nandona azy ka nianjera io; nataony mitsingoloka ny lay, ka voazera teo.»


Nony ren’i Jedeôna ny filazana ny nofy sy ny heviny, dia niankohoka izy; ka nony tafaverina tany amin’ny tobin’i Israely, dia hoy izy: «Mitsangàna ianareo, fa efa natolotr’i Iaveh eo an-tanantsika ny tobin’i Madiàna.»


Ary niteny tamin’i Jônatasy sy ny mpitondra fiadiany ny miaramila amin’io antokony io nanao hoe: «Miakara atỳ aminay, fa hataonay mahita raha ianareo». Dia hoy i Jônatasy tamin’ity mpitondra fiadiany: «Manaraha ahy, fa efa natolotr’i Iaveh eo an-tanantsika izy ireo».