Mpitsara 5:18 - Baiboly Katolika Fa i Zabolôna no firenena manao vy very ny ainy; torak’izany koa i Neftalì eo amin’ny havoany marin-tampona. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 I Zebolona dia firenena nanao vy very ny ainy hatramin’ny fahafatesana, toy izany koa i Naftaly, teny amin’ny havoana tamin’ny tany. DIEM PROTESTANTA Ny vahoakan’i Zebolòna mbamin’i Naftalỳ kosa dia nanaiky hanao vy very ny ainy teo an-tany fiadiana, na dia ho faty aza! Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ny vahoakan’i Zebolòna mbamin’i Naftalỳ kosa dia nanaiky hanao vy very ny ainy teo an-tany fiadiana, na dia ho faty aza! Baiboly Protestanta Malagasy Zebolona dia firenena nanao tsinontsinona ny ainy, na dia ho faty aza, Ary Naftaly koa teo amin’ny fitoerana avo any an-tsaha. Malagasy Bible Zebolona dia firenena nanao tsinontsinona ny ainy, na dia ho faty aza, Ary Naftaly koa teo amin'ny fitoerana avo any an-tsaha. La Bible en Malgache I Zebolona dia firenena nanao vy very ny ainy hatramin’ny fahafatesana, toy izany koa i Naftaly, teny amin’ny havoana tamin’ny tany. |
Misaora an’Andriamanitra eo amin’ny fiangonana, misaora ny Tompo ianareo izay avy amin’ny loharanon’i Israely.
Tsy misy atahorako anefa izany zavatra izany; ary tsy ataoko ho zavatra ny aiko rehefa tanteraka ny diako, ka vitako ny raharaha noraisiko tamin’i Jesoa Tompo, dia ny mitory ny Evanjelin’ny fahasoavan’Andriamanitra.»
Izao no nahafantarantsika ny fitiavana: nahafoy ny ainy ho antsika Izy. Koa tsy maintsy mahafoy ny aintsika ho an’ny namana koa isika.
Nandresy azy ireo koa ny namantsîka noho ny Ran’ny Zanak’ondry sy ny teny nambarany ary ny tsy fitandroany ny ainy, na dia ho faty aza Izy.
Nantsoin’i Baràka ho any Kedesy i Zabolôna sy i Neftalì, ka nisy lehilahy iray alina no rafitra nanaraka azy; ary i Debôrà nandeha niaraka taminy.
Tamin’izay dia hoy i Debôrà tamin’i Baràka: «Mitsangàna, fa anio no andro anoloran’i Iaveh an’i Sisarà ho eo an-tananao. Moa tsy nivoaka teo alohanao va i Iaveh?» Koa nidina avy any an-tendrombohitra Tabôra, i Baràka, ary lehilahy iray alina no nanaraka azy.
Naniraka olona hiantso an’i Baràka, zanak’i Abinaema, tany Kadesa any Neftalì, izy, ka nanao taminy hoe: «Tsy izao va no didy nomen’i Iaveh Andriamanitr’i Israely: Mandehana mankany an-tendrombohitra Tabôra ianao ary mitondrà lehilahy iray alina amin’ny taranak’i Neftalì sy amin’ny taranak’i Zabolôna hiaraka aminao,
nandefa iraka tany amin’i Manase rehetra izy, dia nivory nanaraka azy koa ireo; nandefa iraka tany amin’i Asera sy i Zabolôna ary i Neftalì izy, ka niakatra ireo nitsena azy.