Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Mpitsara 5:14 - Baiboly Katolika

Avy any amin’i Efraima ny olona izay mandatsa-paka amin’i Amaleka; nikambana tamin’ny antokonao i Benjamina teo aorianao; avy any amin’i Makira nisy lehibe nidina, avy any amin’i Zabolôna nisy mpitondra nitana ny tehin’ny mpanoratra.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ny avy amin’i Efraima dia any amin’i Amaleka ny fotony. Ao aoriananao, dia i Benjamina no nomba ireo olonao. Avy tany Makira no nidinan’ireo mpitari-tafika ary avy tamin’i Zebolona ireo mitana ny tehin’ny mpanoratra.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Ireo taranaka avy any Efraîma dia efa tonga ao an-dohasaha, ka narahin’ny fokon’i Benjamîna izay nifangaro tamin’ny andian-tafiny. Nipoitra avy amin’ny terak’i Makira ireo mpitari-tafika ary avy amin’ny fokon’i Zebolòna ireo manampahefana.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ireo taranaka avy any Efraîma dia efa tonga ao an-dohasaha, ka narahin’ny fokon’i Benjamîna izay nifangaro tamin’ny andian-tafiny. Nipoitra avy amin’ny terak’i Makira ireo mpitari-tafika ary avy amin’ny fokon’i Zebolòna ireo manampahefana.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ny avy amin’i Efraima, izay miorina amin’i Amaleka, Dia nomba anao teo amin’ny firenenao, ry Benjamina; Avy tany Makira no nidinan’ny mpanao lalàna, Ary avy tamin’i Zebolona ireo mitana ny tehin’ny mpifehy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ny avy amin'i Efraima, izay miorina amin'i Amaleka, dia nomba anao teo amin'ny firenenao, ry Benjamina; Avy tany Makira no nidinan'ny mpanao lalàna, ary avy tamin'i Zebolona ireo mitana ny tehin'ny mpifehy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ny avy amin’i Efraima dia any amin’i Amaleka ny fotony. Ao aoriananao, dia i Benjamina no nomba ireo olonao. Avy tany Makira no nidinan’ireo mpitari-tafika ary avy tamin’i Zebolona ireo mitana ny tehin’ny mpanoratra.

Jereo ny toko



Mpitsara 5:14
14 Rohy Ifampitohizana  

Raha mbola nipetraka teo amin’izany tany izany i Israely dia avy i Robena ka nandry tamin’i Balà, vaditsindranon-drainy; ary nandre izany i Israely. Roa ambin’ny folo no isan’ny zanakalahin’i Jakôba.


Zanak’i Lià: Robena, lahimatoan’i Jakôba, Simeôna, Levi, Jodà, Isakara ary Zabolôna.


Zana-dRasela: Josefa sy Benjamina.


Misaora an’Andriamanitra eo amin’ny fiangonana, misaora ny Tompo ianareo izay avy amin’ny loharanon’i Israely.


Tsofy ao Gabaà ny anjomara; ary ao Ramà ny trômpetra; miantsoa vonjy taitra ao Betavena! Mitandrema ianao, ry Benjamina!


Nandritra ny valo taona izy no mpitsara tamin’i Israely.


Nikambana tamin’ny taranak’i Amôna sy i Amaleka, i Eglôna, dia niainga nandeha. Nandresy an’i Israely izy ka nanafaka ny tanànan-drofia.


Vao tonga izy dia notsofiny ny trômpetra tany amin’ny tendrombohitra Efraima. Nidina avy any amin’ny tendrombohitra niaraka taminy, ny zanak’i Israely, ary izy no nitarika azy ireo.


Nantsoin’i Baràka ho any Kedesy i Zabolôna sy i Neftalì, ka nisy lehilahy iray alina no rafitra nanaraka azy; ary i Debôrà nandeha niaraka taminy.


Tamin’izay dia hoy i Debôrà tamin’i Baràka: «Mitsangàna, fa anio no andro anoloran’i Iaveh an’i Sisarà ho eo an-tananao. Moa tsy nivoaka teo alohanao va i Iaveh?» Koa nidina avy any an-tendrombohitra Tabôra, i Baràka, ary lehilahy iray alina no nanaraka azy.


Midìna amin’izay ny sisan’ny andriana amin’ny vahoaka! Midìna ho atỳ amiko, Iaveh, eo amin’ireo olo-mahery!