Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Mpitsara 4:4 - Baiboly Katolika

Tamin’izany andro izany dia i Debôrà vehivavy mpaminany, vadin’i Lapidôta no nitsara ny zanak’i Israely.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

I Debora mpaminanivavy, vadin’i Lapidota, no mpitsara teo amin’ny Israely tamin’izany andro izany.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Tamin’izany fotoana izany dia i Debôrà, mpaminanivavy vadin’i Lapidôta, no mpitsara nitondra an’i Israely.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Tamin’izany fotoana izany dia i Debôrà, mpaminanivavy vadin’i Lapidôta, no mpitsara nitondra an’i Israely.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary Debora mpaminanivavy, vadin’i Lapidota, no nitsara ny Isiraely tamin’izany andro izany.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary Debora mpaminanivavy, vadin'i Lapidota, no nitsara ny Isiraely tamin'izany andro izany.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

I Debora mpaminanivavy, vadin’i Lapidota, no mpitsara teo amin’ny Israely tamin’izany andro izany.

Jereo ny toko



Mpitsara 4:4
13 Rohy Ifampitohizana  

Dia nandeha i Helkiasa mpisorona, i Ahikama, i Akorôba, i Safàna, ary i Asaiasa nankany amin’i Holdà mpaminany vavy vadin’i Seloma, zanak’i Tekoà, zanak’i Araasa mpitahiry ny fitafiana; tao Jerosalema amin’ny faritry ny tanàna faharoa izy no mipetraka. Nony efa niteny taminy izy ireo,


«Ry Andriamanitra ô, tsarovy i Tobia sy i Sanabalata, araka izany asa ratsy izany, ary koa i Nôadiasa mpaminany, sy ireo mpaminany hafa nitady hampitahotra ahy!»


Nandray langoroany tapaka i Maria, mpaminany vavy, anabavin’i Aarôna, ary nitondra langoroany nanaraka azy koa ny vehivavy rehetra, dia nandihy.


Ary ianao, ry zanak’olona, atodiho ny tavanao, hanandrina ireo zanaka vavin’ny firenenao, izay maminany araka ny sitrapony; ka maminania famelezana azy hoe:


Fa nitondra anao niakatra avy any amin’ny tany Ejipta Aho, ary nanavotra anao tamin’ny trano nahandevozana; ary naniraka teo anoloanao, an’i Môizy sy i Aarôna ary i Maria.


Ary nisy koa mpaminany vavy anankiray dia i Ana, zanak’i Fanoela fokon’i Asera; efa antitra dia antitra izy, dia fito taona no nanambadiany taorian’ny nahavirjiny azy,


Nanana zanaka vavy virjiny efatra izay naminany izy.


fa ny vehivavy rehetra mivavaka na maminany kosa, dia manala baraka ny lohany raha tsy misaron-doha, satria hoatra ny voaharatra izy amin’izany.


Ka tsy misy Jody na Jentily intsony; tsy misy mpanompo na tsy mpanompo, tsy misy lahy na vavy intsony, fa tena iray ihany ianareo rehetra ao amin’i Kristy Jesoa.


Nitaraina tamin’i Iaveh ny zanak’i Israely fa nanan-kalesy vy sivin-jato i Jabìna, ary nampahory mafy ny zanak’i Israely hatramin’ny roapolo taona.


Teo ambanin’ny rofian’i Debôrà, anelanelan’i Ramà sy i Betela, amin’ny tendrombohitra Efraima, no nipetrahany hitsara; niakatra ny zanak’i Israely nanatona azy hotsaraina.


Tamin’izany andro izany dia nihira i Debôrà sy i Baràka zanak’i Abinôema nanao hoe: