Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mika 6:4 - Baiboly Katolika

4 Fa nitondra anao niakatra avy any amin’ny tany Ejipta Aho, ary nanavotra anao tamin’ny trano nahandevozana; ary naniraka teo anoloanao, an’i Môizy sy i Aarôna ary i Maria.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

4 Fa nentiko niakatra avy tany amin’ny tany Ejipta ianao sady navotako avy tao amin’ny trano nanandevozana. Dia nirahiko hitarika anao i Mosesy sy i Arona ary i Miriama.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

4 Fa nampiakariko avy tany Ejipta ianareo ary nafahako avy tamin’ny fanandevozana, ka nirahiko hitarika anareo i Mosesy sy i Aharôna ary i Miriama.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

4 Fa nampiakariko avy tany Ejipta ianareo ary nafahako avy tamin’ny fanandevozana, ka nirahiko hitarika anareo i Mosesy sy i Aharôna ary i Miriama.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

4 Fa nentiko niakatra avy tany amin’ny tany Egypta hianao Sady navotako avy tao amin’ny trano nahandevozana: Dia nirahiko hitarika anao Mosesy sy Arona ary Miriama.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

4 Fa nentiko niakatra avy tany amin'ny tany Egypta ianao Sady navotako avy tao amin'ny trano nahandevozana: Dia nirahiko hitarika anao Mosesy sy Arona ary Miriama.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

4 Fa nentiko niakatra avy tany amin’ny tany Ejipta ianao sady navotako avy tao amin’ny trano nanandevozana. Dia nirahiko hitarika anao i Mosesy sy i Arona ary i Miriama.

Jereo ny toko dika mitovy




Mika 6:4
29 Rohy Ifampitohizana  

Aiza izay firenena eto ambonin’ny tany tahaka ny vahoakanao, tahaka an’i Israely, fa Andriamanitra no tonga hanavotra azy, mba ho vahoakany, hahalaza ny Anarany, hanao zava-dehibe ho Anao, ary hanao famantarana ho an’ny taninao, tamin’ny nandroahanao ireo firenena mbamin’ny andriamaniny teo anoloan’ny vahoakanao izay navotanao tamin’i Ejipta.


Lalana nalehanao ny ranomasina, sakeli-dalana nombanao ny ranobe, ka tsy nisy nahafantarana ny dianao.


Ary tamin’izany andro izany indrindra no namoahan’i Iaveh tamin’ny tany Ejipta ny zanak’i Israely voalamina isan-tokony.


«Izaho no Iaveh Andriamanitrao, izay namoaka anao tany amin’ny tany Ejipta, tany amin’ny trano fanandevozana.


Koa handeha ianao amin’izao, irahiko any amin’i Faraôna, hitondranao mivoaka ny zanak’i Israely vahoakako.»


Dia hoy i Môizy tamin’i Iaveh: «Indrisy! ry Tompo, olona mananosarotra ihany aho raha hiteny, ary hatramin’ny omaly sy afak’omaly no toy izany aho, ary na dia hatramin’izao itenenanao amin’ny mpanomponao izao aza, miambatrambatra ny vavako sy ny lelako.»


Izy no hiteny amin’ny vahoaka hisolo anao; ho solom-bavanao izy, ary ianao kosa ho solon’Andriamanitra aminy.


Ireo no teniny tamin’i Faraôna mpanjakan’i Ejipta, mba hitondra ny zanak’i Israely hivoaka avy any Ejipta; dia io Môizy io sy io Aarôna io.


Ianao no nanatsoaka an’i Israely olonao, tany amin’ny tany Ejipta, tamin’ny famantarana amam-pahagagana, tamin’ny tananao mahery aman-tsandry nahinjitra, ary tamin’ny fandatsahana fampahatahorana lehibe;


Nitondra anareo niakatra avy any amin’ny tany Ejipta anefa Aho, sy nitari-dalana anareo, efapolo taona, tany an’efitra, mba hametrahako anareo ho tompon’ny tanin’ny Amôreana.


Ary i Maria mbamin’i Aarôna nanome tsiny an’i Môizy noho ny amin’ny vehivavy Kosita izay efa nalainy ho vady, fa nanambady vehivavy kosita izy.


Izao no nitobian’ny zanak’i Israely nony nivoaka avy tany amin’ny tany Ejipta, araka ny antokony avy, ambanin’ny fitondran’i Môizy sy i Aarôna.


Izy ihany no nanafaka azy ireo, tamin’ny fahagagana amam-pamantarana nataony tany Ejipta, sy tao amin’ny ranomasina Mena, ary tany an’efitra efapolo taona.


Tsarovy fa efa mba andevo tany amin’ny tany Ejipta ianao, saingy nanafaka anao i Iaveh Andriamanitrao, ka izany no anomezako anao anio izao didy izao.


Tsarovy fa efa mba andevo tany Ejipta koa ianao, saingy navotan’i Iaveh Andriamanitrao, ka izany no andidiako anao hanao toy izany.


fa ianareo, dia nalain’i Iaveh ka nentiny nivoaka avy tao amin’ny memy fandrendreham-by, dia tany Ejipta, mba ho tonga ilay vahoaka voatokana ho lovany tahaka izao ankehitriny izao.


Oviana no mba nisy Andriamanitra nanandrana haka firenena anankiray ho azy tao afovoan’ny firenena iray hafa, tamin’ny fitsapana, famantarana, fahagagana, ady, tanana mahery, sandry ahinjitra, ary fangorohoroana lehibe, toraky ny nataon’i Iaveh Andriamanitrareo ho anareo, teo imasonareo, tany Ejipta?


«Izaho no Iaveh Andriamanitrao, izay nampivoaka anao avy any amin’ny tany Ejipta tamin’ny trano fanandevozana.


fa noho ny fitiavany anareo, sy noho ny fankatoavany ny fianianana nataony tamin’ny razanareo, dia nentin’i Iaveh nivoaka, tamin’ny tanana mahery, sy navotany tamin’ny trano fanandevozana ianareo, dia tamin’ny tanan’i Faraôna mpanjakan’i Ejipta.


Nifona tamin’i Iaveh aho, ka nanao hoe: Ry Iaveh Tompo ô, aza mandringana ny vahoakanao, ny lovanao, izay navotanao tamin’ny fahalehibeazanao sy navoakanao avy tany Ejipta tamin’ny tananao mahery.


Dia hoy i Samoela tamin’ny vahoaka: Eny, vavolombelona i Iaveh izay nanangana an’i Môizy sy i Aarôna, ary nitondra ny razanareo niakatra avy tany an-tany Ejipta.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra