Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mika 6:5 - Baiboly Katolika

5 Tsarovy àry, ry vahoakako, ny hevitra nomen’i Balàka, mpanjakan’i Moaba, sy ny navalin’i Balaama, zanak’i Beôra, azy. Tsarovy ny hatrany Setima ka hatrany Galgalà, hahafantaranao ny fahamarinan’i Iaveh.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

5 Ry oloko, mba tsarovy ny saina nataon’i Balaka, mpanjakan’i Moaba, sy izay navalin’i Balama, zanak’i Beora, azy, ary izay natao hatrany Sitima ka hatrany Gilgala, hahafantaranareo ny asa marina nataon’NY TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

5 Ry vahoakako, mba tsarovy izay nokasain’i Balàka mpanjakan’i Môaba hatao sy ny navalin’i Bilehama zanakalahin’i Behôra azy, ary izay niseho hatreo Sitima ka hatrany Gilgala, mba hahafantaranareo asa nanasoavako anareo.»

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

5 Ry vahoakako, mba tsarovy izay nokasain’i Balàka mpanjakan’i Môaba hatao sy ny navalin’i Bilehama zanakalahin’i Behôra azy, ary izay niseho hatreo Sitima ka hatrany Gilgala, mba hahafantaranareo asa nanasoavako anareo.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

5 Ry oloko, mba tsarovy ny saina nataon’i Balaka, mpanjakan’i Moaba, Sy izay navalin’i Balama, zanak’i Beora, azy, Ary izay natao hatrany Sitima ka hatrany Gilgala, Hahafantaranareo ny asa marina nataon’i Jehovah.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

5 Ry oloko, mba tsarovy ny saina nataon'i Balaka, mpanjakan'i Moaba, Sy izay navalin'i Balama, zanak'i Beora, azy, Ary izay natao hatrany Sitima ka hatrany Gilgala, Hahafantaranareo ny asa marina nataon'i Jehovah.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

5 Ry oloko, mba tsarovy ny saina nataon’i Balaka, mpanjakan’i Moaba, sy izay navalin’i Balama, zanak’i Beora, azy, ary izay natao hatrany Sitima ka hatrany Gilgala, hahafantaranareo ny asa marina nataon’NY TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy




Mika 6:5
37 Rohy Ifampitohizana  

Namela fahatsiarovana ny fahagagana nataony Izy; mamindra fo sy miantra i Iaveh.


Iaveh ô, velomy aho, noho ny Anaranao, esory amin’ny fahoriana ny fanahiko, noho ny fahamarinanao.


Fa ao aminao no misy ny loharanon’aina; ary amin’ny fahazavanao no ahitanay fahazavana.


Mahatakatra ny lanitra ny fahamarinanao, ry Andriamanitra, Ianao izay mahefa ny zava-dehibe! - Iza no tahaka Anao, ry Andriamanitra? -


Havotana amin’ny hitsiny i Siôna, ary amin’ny rariny, izay hibebaka ao.


Nony maraina, nalain’i Balàka i Balaama, ka nentiny niakatra ho ao Bamôta-Baala, izay nahatazanan’i Balaama ny vodilalan’ny vahoaka.


Hoy i Balàka tamin’i Balaama: «Andeha àry ianao hoentiko any amin’ny toeran-kafa, fa angamba ho sitrak’Andriamanitra ny hanozonanao azy any.»


Nandritra ny fipetrahan’i Israely tao Setima, dia rafitra nijangajanga tamin’ny zanaka vavin’i Moaba ny vahoaka,


ary ireo nanasa ny vahoaka ho amin’ny fisoronana nataony tamin’ny andriamaniny, ka nihinana sy niankohoka tamin’ny andriamaniny ny vahoaka.


Ireo ihany anefa, noho ny tenin’i Balaama, no nitarika ny zanak’i Israely hivadika tamin’i Iaveh tamin’ilay raharaha tamin’i Fogôra, ka voan’ny loza tamin’izay ny fiangonan’Iaveh;


Afa-tsy izay maty an’ady dia novonoiny koa ny mpanjakan’i Madiàna: i Evỳ, i Rekema, i Sora, i Hora, ary i Reba, mpanjakan’i Madiàna dimy lahy. Novonoiny tamin’ny sabatra koa i Balaama zanak’i Beôra.


Ny moron’i Jordany nitobiany, dia hatreo Betsimôta, ka hatrany Abela-Setima amin’ny tany lemak’i Moaba.


Tsarovinareo Jentily araka ny nofo àry, dia ianareo antsoin’ny voaforan-tanana hoe tsy voafora,


Aza mihinana mofo misy lalivay miaraka amin’ireo sorona ireo, fa mofo tsy misy lalivay no hano mandritra ny hafitoana, dia mofom-pahoriana, satria tamim-pahamaikana no nivoahanao tany amin’ny tany Ejipta, mba hahatsiarovanao ny andro nivoahanao tany Ejipta, amin’ny andro rehetra iainanao.


Aza manan-draharaha amin’izay hahitany soa na hiadanan’izy ireo, na oviana na oviana, raha mbola velona koa ianao.


Tsarovy i Iaveh Andriamanitrao, fa Izy no nanome hery hamorianao izany, mba hahatanteraka ny fanekeny, izay nianianany tamin’ny razanao, araka izao ankehitriny izao.


Tsarovy ny lalàna rehetra izay nasain’i Iaveh Andriamanitrareo nandehananareo, tany an’efitra, nandritra ny efapolo taona izao, mba hampanetry tena anao, sy hitsapa ny tenanao, dia hahalalàna ny hevitrao ao am-ponao, na hitandrina ny didiny ianao, na tsia.


Tsarovy ka aza hadinoinao, fa nanao ahoana moa no nampahatezeranao an’i Iaveh Andriamanitrao tany an’efitra. Hatramin’ny andro nivoahanao tany amin’ny tany Ejipta, ka hatramin’ny nahatongavanao teto amin’ity fitoerana ity, dia niodina tamin’i Iaveh ihany ianareo.


Nandefa mpisafo tany roalahy mangingina avy tany Setima i Jôsoe zanak’i Nona, nataony hoe: «Mandehana, zahao ny tany, sy i Jerikô.» Dia niainga izy roa lahy, ka tonga tao amin’ny tranon’ity vehivavy janga anankiray atao hoe Rahaba, ary nandry tao.


Dia nifoha maraina koa i Jôsoe, ka niala tany Setima izy mbamin’ny zanak’i Israely rehetra; nony tonga tao Jordany izy ireo dia nijanona teo, alohan’ny hitana azy.


Tamin’ny andro fahafolon’ny volana voalohany no niala teo Jordany ny vahoaka dia nitoby tao Galgalà, teo amin’ny sisin-tanin’i Jerikô farany atsinanana.


Niala tamin’ny lalan’i Balaama zanak’i Bôsôra, izay nankasitraka ny tambin’ny tsy fahamarinana,


Fa raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Andriamanitra, ka hamela ny fahotantsika sy hanadio antsika amin’ny tsy fahamarinana rehetra.


Mila loza ireo, fa tafiditra amin’ny lalan’i Kaina izy, sy tafahitsoky ny tamby amin’ny hadisoan’i Balaama, ary nanary tena amin’ny fikomian’i Kôre.


Manan-teny kely aminao anefa Aho, fa ao aminao dia misy mitana ny fampianaran’i Balaama, izay nanome fo an’i Balàka hanisy fanafintohinana eo anoloan’ny zanak’i Israely, mba hitarika azy hihinan-kena naterina tamin’ny sampy sy hijangajanga.


Moa tsara noho i Balàka, zanak’i Sefôra, mpanjakan’i Moaba, va ianao? Ary moa io mba nifanditra tamin’i Israely, na niady taminy akory va?


Aoka ny mpandefa zana-tsipîka eo akaikin’ny rano fisotroam-biby, hankalaza amin’ny feony ny fahamarinan’i Iaveh, dia ny fahamarinana nataony tamin’ny taniny, ao amin’i Israely! Tamin’izay ny vahoakan’i Iaveh nidina ho eny am-bavahadiny.


Koa ankehitriny avia eto anatrehako ianareo, fa tiako ny miantso anareo amin’ny fitsarana eto anatrehan’i Iaveh ny amin’ny soa rehetra nataony taminareo sy ny razanareo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra