Mpitsara 21:19 - Baiboly Katolika Dia hoy izy hoe: «Indro misy fetin’i Iaveh ankalazaina isan-taona any Silao», ilay tanàna ao avaratr’i Betela, atsinanan’ny lalana miakatra avy any Betela ho any Sikema ary atsimon’i Libàna, Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia hoy ireo: Indro, misy andro firavoravoana isan-taona ho an’NY TOMPO any Silo izay avaratr’i Betela, atsinanan’ny lalambe miakatra avy any Betela hankany Sekema ary atsimon’i Lebona. DIEM PROTESTANTA Tamin’izay dia tsaroan’ny loholona fa hisy ny fety fanao isan-taona ho an’ny TOMPO any Silao izay eo avaratr’i Betela sy ao atsimon’i Lebônà ary ao atsinanan’ny lalana mampitohy an’i Betela sy i Sekema. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Tamin’izay dia tsaroan’ny loholona fa hisy ny fety fanao isan-taona ho an’ny TOMPO any Silao izay eo avaratr’i Betela sy ao atsimon’i Lebônà ary ao atsinanan’ny lalana mampitohy an’i Betela sy i Sekema. Baiboly Protestanta Malagasy Dia hoy izy: Indro, misy andro firavoravoana isan-taona ho an’i Jehovah any Silo, izay avaratr’i Betela, atsinanan’ny làlambe miakatra avy any Betela hankany Sekema, ary atsimon’i Lebona. Malagasy Bible Dia hoy izy: Indro, misy andro firavoravoana isan-taona ho an'i Jehovah any Silo, izay avaratr'i Betela, atsinanan'ny lalambe miakatra avy any Betela hankany Sekema, ary atsimon'i Lebona. La Bible en Malgache Dia hoy ireo: Indro, misy andro firavoravoana isan-taona ho an’NY TOMPO any Silo izay avaratr’i Betela, atsinanan’ny lalambe miakatra avy any Betela hankany Sekema ary atsimon’i Lebona. |
«Mitenena amin’ny zanak’i Israely ka lazao aminy hoe: Raha avy izay hahatafidiranareo any amin’ny tany omeko anareo, ka mijinja ny vokatrareo ianareo, dia hitondra amboaram-bary iray amin’ny mpisorona ho santatry ny vokatrareo.
«Mitenena amin’ny zanak’i Israely ka lazao aminy hoe: Ireto no fety lehibe ho an’i Iaveh izay hantsoinareo mba ho fivoriana masina; fetiko lehibe izany.»
«Mitenena amin’ny zanak’i Israely ka lazao hoe: Amin’ny andro fahadimy ambin’ny folon’io volana fahafito io, no fetin’ny tabernakla, mandritra ny hafitoana, ho fankalazana an’i Iaveh.
Ary ny andro fahadimy ambin’ny folon’io volana io, dia fetin’ny mofo tsy misy lalivay, fankalazana an’i Iaveh; hafitoana no hihinananareo mofo tsy misy lalivay.
Amin’ny andro fifalianareo sy amin’ny fetinareo, ary amin’ny voaloham-bolanareo, hitsoka ny trômpetra ianareo, eo am-panolorana ny sorona doranareo, sy ny sorom-pihavananareo, dia ho fampahatsiarovana anareo izany, eo anatrehan’i Iaveh Andriamanitrareo. Izaho no Iaveh Andriamanitrareo.»
«Amin’ny andron’ny voaloham-bokatra, rehefa hanolotra fanatitra avy amin’ny vokatra vaovao ho an’i Iaveh ianareo, amin’ny fetin’ny Herinandro hataonareo, dia hisy fivoriana masina ho anareo, ka tsy hanao asa fanaon’ny mpiasa na inona na inona.
Amin’ny andro faha 15n’ny volana fahafito, dia hisy fivoriana masina ho anareo, tsy hanao asa fanaon’ny mpiasa na inona na inona ianareo. Hanao fety fankalazana an’i Iaveh mandritra ny hafitoana ianareo,
«Tandremo ny volana Abiba, ka ankalazao ny Paka, fanomezam-boninahitra an’i Iaveh Andriamanitrao, fa tamin’ny volana Abiba, raha alina, no nitondran’i Iaveh Andriamanitrao anao nivoaka tany Ejipta.
dia hankalaza ny fetin’ny Herinandro ho fanomezam-boninahitra an’i Iaveh Andriamanitrao ianao, amin’ny fanolorana an-tsitrapo avy amin’ny tananao, araka izay nanambinan’i Iaveh Andriamanitrao anao.
Hafitoana no hankalazanao ny fetin’ny Tabernakla, rehefa voaangonao ny vokatra avy eo am-pamoloana amam-pamiazanao.
Nivory ny fiangonan’i zanak’i Israely rehetra tao Silô, ka nanangana ny trano lay fihaonana. Efa resy teo anoloany ny tany.
Ilay sary voasikotra nataon’i Mikasy no natsangan’izy ireo ho azy, nandritra ny fotoana rehetra nisian’ny tranon’Andriamanitra tao Silô.
ka nomeny didy ny taranak’i Benjamina, nataony hoe: «Mandehana ianareo, manao otrika ao amin’ny tanimboaloboka,
Niakatra avy any an-tanàna isan-taona ralehilahy io, hivavaka amin’i Iavehn’ny tafika sy hanatitra sorona aminy, any Silao. Ary tao ny zanak’i Helì, roa lahy, dia i Ofnì sy i Finea, mpisoron’i Iaveh.