I Jodà dia lasan-ko babo, fadiranovana, voaheloka hiasa mafy; mitoetra any amin’ny firenena, tsy mahita fitsaharana; tratr’ireo mpanenjika azy, teo an-kadilànana tery.
Mpitsara 20:42 - Baiboly Katolika ka niamboho teo amin’ny lehilahin’i Israely izy ireo nihazo ny lalana mankany an’efitra; nefa noenjehin’ny mpiady mafy izy; ary ny tao an-tanàna novonoiny samy eo amin’ny fitoerana nisy azy avy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nandositra teo anoloan’ny lehilahin’ny Israely ireo hankany amin’ny lalana ho any an-tany efitra, nefa nahatratra azy ihany ny ady, ary ireo izay nivoaka avy tao an-tanàna koa dia namono azy satria tonga teo afovoany ireo. DIEM PROTESTANTA Vaky nandositra teo anoloan’ny vatan-dehilahy israelita izy ary nizotra nankany an-taniefitra; saingy narahin’ny andian-tafika lehibe sy ireo vatan-dehilahy israelita nivoaka avy tao an-tanàna izy ka naringany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Vaky nandositra teo anoloan’ny vatan-dehilahy israelita izy ary nizotra nankany an-taniefitra; saingy narahin’ny andian-tafika lehibe sy ireo vatan-dehilahy israelita nivoaka avy tao an-tanàna izy ka naringany. Baiboly Protestanta Malagasy Dia niamboho teo anoloan’ny lehilahy amin’ny Isiraely hankany amin’ny làlana ho any an-efitra izy, fa ny ady nahatratra azy: ary izay nivoaka avy tao amin’ny tanàna koa dia novonoiny teo. Malagasy Bible Dia niamboho teo anoloan'ny lehilahy amin'ny Isiraely hankany amin'ny lalana ho any an-efitra izy, fa ny ady nahatratra azy: ary izay nivoaka avy tao amin'ny tanàna koa dia novonoiny teo. La Bible en Malgache Nandositra teo anoloan’ny lehilahin’ny Israely ireo hankany amin’ny lalana ho any an-tany efitra, nefa nahatratra azy ihany ny ady, ary ireo izay nivoaka avy tao an-tanàna koa dia namono azy satria tonga teo afovoany ireo. |
I Jodà dia lasan-ko babo, fadiranovana, voaheloka hiasa mafy; mitoetra any amin’ny firenena, tsy mahita fitsaharana; tratr’ireo mpanenjika azy, teo an-kadilànana tery.
Efa nanota hatramin’ny andro, fony tany Gabaà, ianao, ry Israely; mikiribiby aman-keloka izy ireo. Moa tsy hahatratra azy ireo koa any Gabaà ny ady voalaza hatao amin’ny zanaky ny faharatsiana?
Simba hatrany am-potony izy ireo, toy ny tamin’ny andron’i Gabaà; hotsarovan’i Iaveh ny helony, ary hovaliany ny fahotany.
Nody resy teo anoloan’izy ireo i Jôsoe sy i Israely rehetra, ka nandositra tamin’ny lalana mankany an’efitra.
Nony tapitra matin’i Israely ny mponina rehetra tao Haia, na teny an-tsaha, na tany an’efitra nanenjehany azy, ka efa lavon’ny lelan-tsabatra daholo hatramin’ny farany indrindra, dia niverina tao an-tanàna indray i Israely rehetra ka novonoiny tamin’ny lelan-tsabatra ny olona tao.