Miantsoa fifadian-kanina; mamoria ny fiangonana; vorio ny loholona, izay rehetra monina amin’ny tany, ao an-tranon’i Iaveh Andriamanitrareo,
Mpitsara 20:18 - Baiboly Katolika Dia niainga ny zanak’i Israely niakatra tany Betela, ary nanontany an’Andriamanitra hoe: «Iza aminay no hiakatra voalohany hiady amin’ny taranak’i Benjamina?» Hoy ny navalin’i Iaveh: «I Jodà no hiakatra voalohany.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia niainga ny Zanak’Israely ka niakatra tany Betela ary nanontany tamin’Andriamanitra hoe: Iza aminay no hiakatra voalohany hiady amin’ny taranak’i Benjamina? Dia hoy NY TOMPO: I Joda no ho voalohany. DIEM PROTESTANTA Dia nandeha tany Betela aloha ny Israelita ka nanontany an’Andriamanitra hahalalana izay foko hiroso voalohany hanafika ny Benjaminita; ka ny fokon’i Joda no voatondron’ny TOMPO. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia nandeha tany Betela aloha ny Israelita ka nanontany an’Andriamanitra hahalalana izay foko hiroso voalohany hanafika ny Benjaminita; ka ny fokon’i Joda no voatondron’ny TOMPO. Baiboly Protestanta Malagasy Dia niainga ny Zanak’Isiraely ka niakatra tany Betela ary nanontany tamin’Andriamanitra hoe: Iza no hiakatra voalohany hiady amin’ny taranak’i Benjamina ho anay? Dia hoy Jehovah: Joda no ho voalohany. Malagasy Bible Dia niainga ny Zanak'Isiraely ka niakatra tany Betela ary nanontany tamin'Andriamanitra hoe: Iza no hiakatra voalohany hiady amin'ny taranak'i Benjamina ho anay? Dia hoy Jehovah: Joda no ho voalohany. La Bible en Malgache Dia niainga ny Zanak’Israely ka niakatra tany Betela ary nanontany tamin’Andriamanitra hoe: Iza aminay no hiakatra voalohany hiady amin’ny taranak’i Benjamina? Dia hoy NY TOMPO: I Joda no ho voalohany. |
Miantsoa fifadian-kanina; mamoria ny fiangonana; vorio ny loholona, izay rehetra monina amin’ny tany, ao an-tranon’i Iaveh Andriamanitrareo,
Izy hankeo anatrehan’i Eleazara mpisorona izay hanadina amin’ny fitsaràn’ny Orima ho azy, eo anatrehan’i Iaveh, ka araka ny teniny no hivoahan’i Jôsoe, araka ny teniny no hidirany, dia i Jôsoe, ny zanak’i Israely rehetra miaraka aminy, ary ny fiangonana rehetra. Hitarika azy hivoaka sy hiditra, hitondra sy hifehy azy.
Nivory ny fiangonan’i zanak’i Israely rehetra tao Silô, ka nanangana ny trano lay fihaonana. Efa resy teo anoloany ny tany.
Dia nangalan’ny lehilahy tamin’i Israely ny vatsin’izy ireo, nefa tsy nanontany izay tenin’i Iaveh izy;
Ilay sary voasikotra nataon’i Mikasy no natsangan’izy ireo ho azy, nandritra ny fotoana rehetra nisian’ny tranon’Andriamanitra tao Silô.
Ary hoy ny navaliny azy: «Avy any Betlehema any Jodà izahay, ka ho any amin’ny sisin’ny tendrombohitr’i Efraima izay tany niaviako. Tany Betlehema any Jodà aho, ary ho any an-tranon’i Iaveh, nefa tsy mba misy olona mampiantrano ahy akory.
Ny isan’ny lehilahy amin’i Israely afa-tsy ny Benjaminita, dia efatra hetsy, samy mahatan-tsabatra sy mpanafika avokoa.
Dia niakatra nitomany teo anatrehan’i Iaveh mandra-paharivan’ny andro ny zanak’i Israely; sady nanontany an’i Iaveh nanao hoe: «Mbola handeha hiady amin’ny taranak’i Benjamina, rahalahiko, ihany va aho?» Ka hoy ny navalin’i Iaveh: «Miakara hamely azy.»
Koa indreo ao ianareo zanak’i Israely rehetra, mifampilà saina ianareo, ary tapaho eto ihany izay hevitra».
Avy eo ianao, dia hanohy ny dianao, ary ho tonga eo amin’ny aokan’i Tabôra, ka hotsenain’olona telo lahy miakatra ho any amin’Andriamanitra any Betela: ny iray mitondra zanak’osy telo, ny iray mitondra mofo telo, ny iray mitondra divay iray siny hoditra;