Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mpitsara 20:18 - DIEM PROTESTANTA

18 Dia nandeha tany Betela aloha ny Israelita ka nanontany an’Andriamanitra hahalalana izay foko hiroso voalohany hanafika ny Benjaminita; ka ny fokon’i Joda no voatondron’ny TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

18 Dia niainga ny Zanak’Israely ka niakatra tany Betela ary nanontany tamin’Andriamanitra hoe: Iza aminay no hiakatra voalohany hiady amin’ny taranak’i Benjamina? Dia hoy NY TOMPO: I Joda no ho voalohany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

18 Dia nandeha tany Betela aloha ny Israelita ka nanontany an’Andriamanitra hahalalana izay foko hiroso voalohany hanafika ny Benjaminita; ka ny fokon’i Joda no voatondron’ny TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

18 Dia niainga ny zanak’i Israely niakatra tany Betela, ary nanontany an’Andriamanitra hoe: «Iza aminay no hiakatra voalohany hiady amin’ny taranak’i Benjamina?» Hoy ny navalin’i Iaveh: «I Jodà no hiakatra voalohany.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

18 Dia niainga ny Zanak’Isiraely ka niakatra tany Betela ary nanontany tamin’Andriamanitra hoe: Iza no hiakatra voalohany hiady amin’ny taranak’i Benjamina ho anay? Dia hoy Jehovah: Joda no ho voalohany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

18 Dia niainga ny Zanak'Isiraely ka niakatra tany Betela ary nanontany tamin'Andriamanitra hoe: Iza no hiakatra voalohany hiady amin'ny taranak'i Benjamina ho anay? Dia hoy Jehovah: Joda no ho voalohany.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

18 Dia niainga ny Zanak’Israely ka niakatra tany Betela ary nanontany tamin’Andriamanitra hoe: Iza aminay no hiakatra voalohany hiady amin’ny taranak’i Benjamina? Dia hoy NY TOMPO: I Joda no ho voalohany.

Jereo ny toko dika mitovy




Mpitsara 20:18
15 Rohy Ifampitohizana  

Manokàna andro fifadian-kanina, miantsoa fivoriana masina; angony ny loholona sy ny mponina rehetra eto amin’ny tany ho ao an-tranon’ny TOMPO Andriamanitrareo, ka miantsoa vonjy amin’ny TOMPO.


Izy kosa hiseho eo amin’i Elehazara mpisorona, izay hangataka ho azy eo anatrehako ny tinapaky ny Orima. Avy amin’izany no hitarihany ny Israelita rehetra, dia ny fiangonana manontolo, amin’ny toe-javatra rehetra.


Nentin’i Mosesy teo amin’ny TOMPO ny fitarainan’izy dimy mirahavavy.


Taorian’ny nandresen’ny Israelita ilay tany, dia nivory tao Silao ny fiangonana israelita tsivakivolo ka tao no nananganany ny Tranolay fihaonana amin’Andriamanitra.


Ary nihinanan’ny Israelita ny vatsin-dry zareo fa tsy nanontaniany akory ny TOMPO ny amin’io.


Nokajin’ireo ilay sampin’i Mikà tamin’ny fotoana rehetra nisian’ny tranon’Andriamanitra tao Silao.


Dia novalian’ilay levita hoe: –Avy tany Betlehema any Joda izahay ary hamonjy toerana iray mihataka an-tsisin’ny faritra be tendrombohitra any Efraîma, fa any no fiaviako; ka hody any amiko aho, rehefa avy nivahiny tany Betlehema. Ary tsy misy olona mampiantrano ahy;


Tetsy an-kilany, rehefa natao fanisana kosa ireo vatan-dehilahy tamin’ny Israelita hafa, dia nahitana vata-miaramila nisy andiany efajato samy kinga famely sabatra sady zatra ady avokoa.


Niainga vao maraina ny vatan-dehilahy israelita ka nitoby tao akaikin’i Gibehà.


Indreto ianareo Israelita rehetra, koa samia miteny ary maka fanapahan-kevitra.


Hanohy ny lalanao ianao ka ho tonga eo akaikin’ny hazo ôakan’i Tabôra, ary hahita lehilahy telo ho any amin’Andriamanitra any Betela: ny voalohany mitondra zanak’osy telo, ny faharoa mofo telo ary ny fahatelo siny hoditra feno divay.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra