Aoka ny fanahiko tsy halainao miaraka amin’ny an’ny mpanota, ary ny aiko miaraka amin’ny an’ny olona mpandatsa-dra,
Mpitsara 19:18 - Baiboly Katolika Ary hoy ny navaliny azy: «Avy any Betlehema any Jodà izahay, ka ho any amin’ny sisin’ny tendrombohitr’i Efraima izay tany niaviako. Tany Betlehema any Jodà aho, ary ho any an-tranon’i Iaveh, nefa tsy mba misy olona mampiantrano ahy akory. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Hoy izy taminy: Avy tany Betleheman’i Joda izahay ka hankany an-tsisin’ny tany be havoana any Efraima, fa any no tany niaviako. Tany Betleheman’i Joda aho. Mpankany amin’ny tranon’NY TOMPO aho nefa tsy misy olona mampiantrano ahy. DIEM PROTESTANTA Dia novalian’ilay levita hoe: –Avy tany Betlehema any Joda izahay ary hamonjy toerana iray mihataka an-tsisin’ny faritra be tendrombohitra any Efraîma, fa any no fiaviako; ka hody any amiko aho, rehefa avy nivahiny tany Betlehema. Ary tsy misy olona mampiantrano ahy; Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia novalian’ilay levita hoe: –Avy tany Betlehema any Joda izahay ary hamonjy toerana iray mihataka an-tsisin’ny faritra be tendrombohitra any Efraîma, fa any no fiaviako; ka hody any amiko aho, rehefa avy nivahiny tany Betlehema. Ary tsy misy olona mampiantrano ahy; Baiboly Protestanta Malagasy Dia hoy izy taminy: Avy tany Betlehema-joda izahay ka hankarỳ an-tsisin’ny tany havoan’i Efraima, fa any no tany nihaviako; ary nankany Betlehema-joda aho, fa mpankany an-tranon’i Jehovah; ary tsy misy olona mampiantrano ahy; Malagasy Bible Dia hoy izy taminy: Avy tany Betlehema-joda izahay ka hankarỳ an-tsisin'ny tany havoan'i Efraima, fa any no tany nihaviako; ary nankany Betlehema-joda aho, fa mpankany an-tranon'i Jehovah; ary tsy misy olona mampiantrano ahy; La Bible en Malgache Hoy izy taminy: Avy tany Betleheman’i Joda izahay ka hankany an-tsisin’ny tany be havoana any Efraima, fa any no tany niaviako. Tany Betleheman’i Joda aho. Mpankany amin’ny tranon’NY TOMPO aho nefa tsy misy olona mampiantrano ahy. |
Aoka ny fanahiko tsy halainao miaraka amin’ny an’ny mpanota, ary ny aiko miaraka amin’ny an’ny olona mpandatsa-dra,
Izay tsy mitoetra ao amiko dia ariana any ivelany tahaka ny sampana ka maina; ary hangonina ny sampana ka hatsipy ao anaty afo, dia may.
Nivory ny fiangonan’i zanak’i Israely rehetra tao Silô, ka nanangana ny trano lay fihaonana. Efa resy teo anoloany ny tany.
Ary nisy zatovo lahy anankiray avy any Betlehema any Jodà, avy amin’ny fokon’i Jodà, Levita izy io, ary nitoetra tao amin’izany tany izany.
Ilay sary voasikotra nataon’i Mikasy no natsangan’izy ireo ho azy, nandritra ny fotoana rehetra nisian’ny tranon’Andriamanitra tao Silô.
Nanopy ny masony izy, ka nahita ilay mpivahiny teo an-kianjan’ny tanàna; ka hoy ny anti-dahy taminy nanao hoe: «Ho aiza ianao ary avy aiza?»
Anananay anefa ny mololo amam-bilona ho an’ny ampondranay, ny mofo aman-divay ho ahy sy ny ankizy vavinao ary ny zatovo miaraka amin’ny mpanomponao, fa tsy mila na inona na inona izahay».
Nony tamin’ny andro fahefatra dia nifoha maraina koa izy ireo, ary efa nivonon-kandeha ity Levita. Nefa hoy ny rain-drazazavavy tamin’ity vinantony: «Hatanjaho ny fonao ka homàna sombi-mofo aloha, vao mandeha ianareo».
Dia niainga ny zanak’i Israely niakatra tany Betela, ary nanontany an’Andriamanitra hoe: «Iza aminay no hiakatra voalohany hiady amin’ny taranak’i Benjamina?» Hoy ny navalin’i Iaveh: «I Jodà no hiakatra voalohany.»
Niakatra avy any an-tanàna isan-taona ralehilahy io, hivavaka amin’i Iavehn’ny tafika sy hanatitra sorona aminy, any Silao. Ary tao ny zanak’i Helì, roa lahy, dia i Ofnì sy i Finea, mpisoron’i Iaveh.
Ary toy izany no nataon’i Elkanà isan-taona isaky ny iakaran’i Anà any an-tranon’i Iaveh; fa nampijalin’i Fenenà toy izany ihany koa izy. Ary tamin’izany dia nitomany izy sy tsy nihinan-kanina.