Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mpitsara 19:18 - DIEM PROTESTANTA

18 Dia novalian’ilay levita hoe: –Avy tany Betlehema any Joda izahay ary hamonjy toerana iray mihataka an-tsisin’ny faritra be tendrombohitra any Efraîma, fa any no fiaviako; ka hody any amiko aho, rehefa avy nivahiny tany Betlehema. Ary tsy misy olona mampiantrano ahy;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

18 Hoy izy taminy: Avy tany Betleheman’i Joda izahay ka hankany an-tsisin’ny tany be havoana any Efraima, fa any no tany niaviako. Tany Betleheman’i Joda aho. Mpankany amin’ny tranon’NY TOMPO aho nefa tsy misy olona mampiantrano ahy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

18 Dia novalian’ilay levita hoe: –Avy tany Betlehema any Joda izahay ary hamonjy toerana iray mihataka an-tsisin’ny faritra be tendrombohitra any Efraîma, fa any no fiaviako; ka hody any amiko aho, rehefa avy nivahiny tany Betlehema. Ary tsy misy olona mampiantrano ahy;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

18 Ary hoy ny navaliny azy: «Avy any Betlehema any Jodà izahay, ka ho any amin’ny sisin’ny tendrombohitr’i Efraima izay tany niaviako. Tany Betlehema any Jodà aho, ary ho any an-tranon’i Iaveh, nefa tsy mba misy olona mampiantrano ahy akory.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

18 Dia hoy izy taminy: Avy tany Betlehema-joda izahay ka hankarỳ an-tsisin’ny tany havoan’i Efraima, fa any no tany nihaviako; ary nankany Betlehema-joda aho, fa mpankany an-tranon’i Jehovah; ary tsy misy olona mampiantrano ahy;

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

18 Dia hoy izy taminy: Avy tany Betlehema-joda izahay ka hankarỳ an-tsisin'ny tany havoan'i Efraima, fa any no tany nihaviako; ary nankany Betlehema-joda aho, fa mpankany an-tranon'i Jehovah; ary tsy misy olona mampiantrano ahy;

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

18 Hoy izy taminy: Avy tany Betleheman’i Joda izahay ka hankany an-tsisin’ny tany be havoana any Efraima, fa any no tany niaviako. Tany Betleheman’i Joda aho. Mpankany amin’ny tranon’NY TOMPO aho nefa tsy misy olona mampiantrano ahy.

Jereo ny toko dika mitovy




Mpitsara 19:18
12 Rohy Ifampitohizana  

Aza aringana miaraka amin’ny mpanota aho; ny aiko, aza esorina toy ny an’ny mpamono olona,


aoka ianao tsy hateti-pankany an-tranon’ny namanao, fandrao tofoka aminao izy ka hankahala anao.


Raha misy olona tsy miray amiko hatrany, dia ariana any ivelany tahaka ny sampana izy, ka mihamaina; ary angonina ireo sampana maina ka atsipy ao anaty afo, dia may.


Taorian’ny nandresen’ny Israelita ilay tany, dia nivory tao Silao ny fiangonana israelita tsivakivolo ka tao no nananganany ny Tranolay fihaonana amin’Andriamanitra.


Nisy zatovo levita anankiray nivahiny tao Betlehema any Joda, tanàna anisan’ny fokon’i Joda.


Nokajin’ireo ilay sampin’i Mikà tamin’ny fotoana rehetra nisian’ny tranon’Andriamanitra tao Silao.


Nahatsikaritra ity vahiny miandry eo an-kianja ilay lahiantitra ka nanontany azy hoe: –Avy aiza ary ho aiza izato ianao?


kanefa izahay manana mololo sy vilona ihany ho an’ny borikinay, sady misy mofo sy divay koa ho ahy sy ny vadiko ary ny zatovoko, ka tsy misy zavatra ilainay intsony.


Tamin’ny andro fahefatra dia nifoha maraina izy roa lahy; fa nony efa tena handeha tokoa ilay levita, dia nilazan’ny rain-drazazavavy hoe: –Mihinàna ody am-bavafo kely aloha ianareo vao mandeha.


Dia nandeha tany Betela aloha ny Israelita ka nanontany an’Andriamanitra hahalalana izay foko hiroso voalohany hanafika ny Benjaminita; ka ny fokon’i Joda no voatondron’ny TOMPO.


Isan-taona i Elkanà dia nandao an’i Ramà tanànany mba hivavaka sy hanao sorona amin’ny TOMPOn’izao rehetra izao tany Silao; mpisoron’ny TOMPO tao koa i Hôfnỳ sy i Pinehasa zanakalahin’i Helỳ.


Ary isan-taona dia izany foana no zava-mitranga rehefa mba tonga ao an-tranon’ny TOMPO i Hanà; nanao izay hampalahelo azy foana i Peninà, ka nitomany sy tsy nety nihinan-kanina izy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra