Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mpitsara 19:19 - DIEM PROTESTANTA

19 kanefa izahay manana mololo sy vilona ihany ho an’ny borikinay, sady misy mofo sy divay koa ho ahy sy ny vadiko ary ny zatovoko, ka tsy misy zavatra ilainay intsony.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

19 Misy mololo sy hanina ihany anefa ho an’ny borikinay sady misy mofo sy divay ho ahy sy ny mpanompovavinao ary ho an’ny zatovo miaraka amin’ny mpanomponao. Tsy misy zavatra ilainay intsony.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

19 kanefa izahay manana mololo sy vilona ihany ho an’ny borikinay, sady misy mofo sy divay koa ho ahy sy ny vadiko ary ny zatovoko, ka tsy misy zavatra ilainay intsony.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

19 Anananay anefa ny mololo amam-bilona ho an’ny ampondranay, ny mofo aman-divay ho ahy sy ny ankizy vavinao ary ny zatovo miaraka amin’ny mpanomponao, fa tsy mila na inona na inona izahay».

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

19 kanefa misy mololo sy hanina ihany ho an’ny borikinay, sady misy mofo sy divay ho ahy sy ny ankizivavinao ary ho an’ny zatovo manaraka ny mpanomponao: tsy misy zavatra ilainay intsony.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

19 kanefa misy mololo sy hanina ihany ho an'ny borikinay, sady misy mofo sy divay ho ahy sy ny ankizivavinao ary ho an'ny zatovo manaraka ny mpanomponao: tsy misy zavatra ilainay intsony.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

19 Misy mololo sy hanina ihany anefa ho an’ny borikinay sady misy mofo sy divay ho ahy sy ny mpanompovavinao ary ho an’ny zatovo miaraka amin’ny mpanomponao. Tsy misy zavatra ilainay intsony.

Jereo ny toko dika mitovy




Mpitsara 19:19
6 Rohy Ifampitohizana  

Ary mbola nampiany hoe: –Na ny mololo na ny vilona dia samy betsaka ao aminay sady misy toerana handrianareo koa.


–Aza omenareo mololo toy ny taloha intsony ny Israelita amin’ny fanaovam-biriky, fa izy ireo ihany no aoka handeha hanangona mololo ho azy.


Nampiantranoin’i Petera izy telo lahy ka nandry tao ny alin’iny. Ny ampitso kosa dia lasa i Petera niara-dia tamin’ireto iraka. Tafaraka tamin’i Petera koa ny havana sasany mpino avy ao Jôpa.


Nony avy natao batisa izy mbamin’ny ankohonany, dia nanasa anay i Lidia nanao hoe: –Satria noheverinareo fa mino ny Tompo tokoa aho, dia mandrosoa ianareo hiantrano any amiko. Ary notereny mihitsy izahay.


Ary efa hariva be ny andro no tonga teo akaikin’ny tanàna izy, ka hoy ilay zatovony tamin’ny tompony: –Andeha isika hiakatra amin’ity tanànan’ny Jebosita ity ka handry ao anio alina.


Dia novalian’ilay levita hoe: –Avy tany Betlehema any Joda izahay ary hamonjy toerana iray mihataka an-tsisin’ny faritra be tendrombohitra any Efraîma, fa any no fiaviako; ka hody any amiko aho, rehefa avy nivahiny tany Betlehema. Ary tsy misy olona mampiantrano ahy;


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra