Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Mpitsara 15:19 - Baiboly Katolika

Fa nampitresahin’Andriamanitra kosa ilay vatolampy hoboka tao Lekia, dia niboiboika teo ny rano. Ary velombelona ny fanahiny, nody ny ainy. Izany no niantsoana io loharano io hoe En-Hakôre, izay mbola any Lekia mandraka androany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia nampitresahin’Andriamanitra ilay lavaka ao amin’ny vato tany Lehy ka niboiboika avy tao ny rano. Rehefa nisotro izy dia nody ny ainy ka velombelona indray izy. Izany no nanaovana ny anarany hoe Eny-Hakore, izay any Lehy mandraka androany.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Dia notresahin’Andriamanitra ny vatolampy holoka tao Lehỳ ka nampiboiboika rano; dia nisotro i Samsôna ka nody indray ny heriny. Izany loharano izany dia nantsoina hoe Haîna-Kôrà na loharanon’ilay niantso vonjy, ary mbola ao mandraka androany.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Dia notresahin’Andriamanitra ny vatolampy holoka tao Lehỳ ka nampiboiboika rano; dia nisotro i Samsôna ka nody indray ny heriny. Izany loharano izany dia nantsoina hoe Haîna-Kôrà na loharanon’ilay niantso vonjy, ary mbola ao mandraka androany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia nampitresahin’Andriamanitra ilay fitoerana hoboka tany Lehy, ka niboiboika teo ny rano; ary rehefa nisotro izy, dia nody ny ainy, ka velona izy; ka izany no nanaovany ny anarany hoe En-hakore, izay any Lehy mandraka andro-any.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia nampitresahin'Andriamanitra ilay fitoerana hoboka tany Lehy, ka niboiboika teo ny rano; ary rehefa nisotro izy, dia nody ny ainy, ka velona Izy; ka izany no nanaovany ny anarany hoe En-hakore, izay any Lehy mandraka androany.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia nampitresahin’Andriamanitra ilay lavaka ao amin’ny vato tany Lehy ka niboiboika avy tao ny rano. Rehefa nisotro izy dia nody ny ainy ka velombelona indray izy. Izany no nanaovana ny anarany hoe Eny-Hakore, izay any Lehy mandraka androany.

Jereo ny toko



Mpitsara 15:19
16 Rohy Ifampitohizana  

Nataon’i Agara hoe: Atta-El-Rôy no Anaran’i Iaveh izay niteny taminy, fa hoy izy: «Moa dia hitako teto tokoa va ilay Andriamanitra Izay nahita ahy?»


Nataony hoe Betela no anaran’io fitoerana io. Loza anefa no anaran’ny tanàna tany aloha.


Fa kely ny fanananao talohan’ny nahatongavako: ary efa nitombo be dia be izy izao, ka nambinin’i Iaveh ianao, tamin’ny nalehako. Ary ankehitriny, rahoviana kosa no mba hihariako ho an’ny ankohonako?»


Koa nambaran’izy ireo azy ny teny rehetra nolazain’i Josefa. Rehefa hitany ny sarety nalefan’i Josefa hitondrana azy, dia velombelona terỳ ny fanahin’i Jakôba rainy.


Misotro amin’ny renirano izy eny an-dalana, ka izany no itrakan’ny lohany.


Fihirana fiakarana Tao anatin’ny fahoriako nitaraina tamin’i Iaveh aho, dia nohenoiny.


Raha mitodika azy ny olona dia miramiran’ny hafaliana, ary tsy safo-kenatra ny tavany.


Antsoy amin’ny andron’ny fahoriana Aho, dia hamonjy anao; ka hanome voninahitra Ahy ianao.


Dia nanorina ôtely i Môizy, ka nomeny anarana hoe: Iaveh-Nesi.


Asandrato ny masonareo amin’ny eo ambony, ka mijere. Iza no nahary ireo zavatra ireo? Dia izay mampandeha milahatra ny tafik’ireo, sy miantso azy rehetra amin’ny anarany avy; ary noho ny haben’ny heriny sy ny hafatratry ny tanjany, tsy misy midify ireny na dia iray aza.


Manome hery an’izay sasatra Izy ary mampitombo tanjaka an’izay reraka.


Fa handatsaka rano amin’ny tany mangentana Aho; sy sakeli-drano eo amin’ny tany karankaina. Handatsaka ny fanahiko amin’ny taranakao Aho, sy ny fitahiako amin’ny solofonao.


Dia naingain’i Môizy ny tanany, ary nokapohiny indroa tamin’ny tehina ny vatolampy, ka niboika be dia be ny rano, dia nisotro avokoa ny fiangonana sy ny biby fiompiny.


Tamin’izay dia niakatra ny Filistinina, nitoby teo amin’i Jodà, niely tany Lekia.


norosoana ampempan’aviavy maina iray didy, sy voaloboka maina roa takelaka. Nony efa nihinana izy, dia nody ny ainy, fa hateloana andro sy hateloana alina izy, tsy nihinan-kanina na nisotro rano.