Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mpitsara 15:19 - DIEM PROTESTANTA

19 Dia notresahin’Andriamanitra ny vatolampy holoka tao Lehỳ ka nampiboiboika rano; dia nisotro i Samsôna ka nody indray ny heriny. Izany loharano izany dia nantsoina hoe Haîna-Kôrà na loharanon’ilay niantso vonjy, ary mbola ao mandraka androany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

19 Dia nampitresahin’Andriamanitra ilay lavaka ao amin’ny vato tany Lehy ka niboiboika avy tao ny rano. Rehefa nisotro izy dia nody ny ainy ka velombelona indray izy. Izany no nanaovana ny anarany hoe Eny-Hakore, izay any Lehy mandraka androany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

19 Dia notresahin’Andriamanitra ny vatolampy holoka tao Lehỳ ka nampiboiboika rano; dia nisotro i Samsôna ka nody indray ny heriny. Izany loharano izany dia nantsoina hoe Haîna-Kôrà na loharanon’ilay niantso vonjy, ary mbola ao mandraka androany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

19 Fa nampitresahin’Andriamanitra kosa ilay vatolampy hoboka tao Lekia, dia niboiboika teo ny rano. Ary velombelona ny fanahiny, nody ny ainy. Izany no niantsoana io loharano io hoe En-Hakôre, izay mbola any Lekia mandraka androany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

19 Dia nampitresahin’Andriamanitra ilay fitoerana hoboka tany Lehy, ka niboiboika teo ny rano; ary rehefa nisotro izy, dia nody ny ainy, ka velona izy; ka izany no nanaovany ny anarany hoe En-hakore, izay any Lehy mandraka andro-any.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

19 Dia nampitresahin'Andriamanitra ilay fitoerana hoboka tany Lehy, ka niboiboika teo ny rano; ary rehefa nisotro izy, dia nody ny ainy, ka velona Izy; ka izany no nanaovany ny anarany hoe En-hakore, izay any Lehy mandraka androany.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

19 Dia nampitresahin’Andriamanitra ilay lavaka ao amin’ny vato tany Lehy ka niboiboika avy tao ny rano. Rehefa nisotro izy dia nody ny ainy ka velombelona indray izy. Izany no nanaovana ny anarany hoe Eny-Hakore, izay any Lehy mandraka androany.

Jereo ny toko dika mitovy




Mpitsara 15:19
16 Rohy Ifampitohizana  

Dia hoy i Hagara anakampo: «Moa nahita marina Ilay mahita ahy ve aho!» Ary dia nomeny ny TOMPO Izay niteny taminy izao anarana izao: «Ianao no ilay Andriamanitra mahita ahy.»


Dia nantsoiny hoe Betela na hoe tranon’Andriamanitra io toerana io, fa Lozy no anaran’izany tanàna izany taloha.


Ny fanananao izay kely talohan’ny niaviako dia nitombo be dia be teo ambany fitantanako, fa notahîn’ny TOMPO ianao. Ary ankehitriny, tsy mba tokony hiasa ho an’ny ankohonako amin’izay ve aho?


Fa nambaran’izy ireo taminy ny teny rehetra izay nampitondrain’i Jôsefa azy; ary rehefa nahita ny sarety izay nalefan’i Jôsefa hitondrana azy i Jakôba rainy, dia nahazoazo aina indray


Dia ny sakeli-drano ao an-dohasaha no hisotroan’ity Mpanjaka eny an-dalana. Izany sy izany no hampitraka Azy ho mpandresy.


Hira fiakarana. Fony aho tao an-katerena, dia nantsoiko ny TOMPO ka namaly.


Mijere Azy ianareo, dia aoka ho mirana; ny tavanareo tsy ho safo-kenatra intsony.


Dia antsoy amin’ny andro mahory Aho, fa hanafaka anareo ka homenareo voninahitra.


Dia nanamboatra alitara teo i Mosesy ka nomeny anarana hoe «Ny TOMPO fanevako».


Atopazo eny an-danitra ny masonareo ka jereo: Iza no nahary ny kintana? Tsy iza fa Ilay mamoaka azy isan-tokony toy ny andian-tafika hanao matso sy miantso azy rehetra amin’ny anarany avy. Lehibe loatra ny heriny ary tena hentitra ny fahefàny ka tsy misy mitsoaka an-daharana ireo.


Manome hery ny reraka Izy ary manatanjaka ny malemy.


Fa hanosaka rano amin’izay mangetaheta Aho sy hampandriaka renirano amin’ny tany mangentana. Hatosako amin’ny zanakao ny Fanahiko ary amin’ny taranakao ny fitahiako.


Ningain’i Mosesy ny tanany ka nokapohiny indroa tamin’ny tehiny ny vatolampy; dia niboiboika be ny rano ka samy nisotro avokoa ny olon-drehetra mbamin’ny biby fiompiny.


Ary niakatra ny Filistinina ka nitoby tany Joda, ary nitandahatra hamely ny tanàna Lehỳ.


Dia nomena didina mofomamin’aviavimbazaha sy sampahom-boaloboka maina roa. Rehefa avy nihinana ireo izy, dia nihanahazo hery, satria efa tsy nihinan-kanina nandritra ny telo andro sy telo alina.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra