Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mpitsara 15:18 - DIEM PROTESTANTA

18 Ary nahatsiaro nangetaheta mafy i Samsôna ka niantso vonjy tamin’ny TOMPO nanao hoe: –Ianao no nanome ahy izao fandresena lehibe izao; koa ankehitriny ve dia havelanao ho fatin-ketaheta aho, ka ho latsaka eo an-tanan’ireo tsy mifora ireo?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

18 Ary nangetaheta be izy dia nitaraina tamin’NY TOMPO hoe: Ianao no nanome izao famonjena lehibe izao tamin’ny tanan’ny mpanomponao. Ankehitriny, moa ho fatin-ketaheta va aho ka hianjera ho eo an-tanan’ny tsy mifora?

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

18 Ary nahatsiaro nangetaheta mafy i Samsôna ka niantso vonjy tamin’ny TOMPO nanao hoe: –Ianao no nanome ahy izao fandresena lehibe izao; koa ankehitriny ve dia havelanao ho fatin-ketaheta aho, ka ho latsaka eo an-tanan’ireo tsy mifora ireo?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

18 Ary main’ny hetaheta i Samsôna, ka nitalaho tamin’i Iaveh nanao hoe: «Ianao no nanome izao famonjen-dehibe izao, tamin’ny tanan’ny mpanomponao, ary ankehitriny dia ho fatin’ny hetaheta va aho sy ho latsaka eo an-tanan’ny tsy mifora?»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

18 Ary nangetaheta indrindra izy, dia nitaraina tamin’i Jehovah ka nanao hoe: Hianao no nanome izao famonjen-dehibe izao tamin’ny tànan’ny mpanomponao; ary ankehitriny efa ho fatin-ketaheta aho ka hianjera ho eo an-tànan’ny tsy mifora!

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

18 Ary nangetaheta indrindra izy, dia nitaraina tamin'i Jehovah ka nanao hoe: Hianao no nanome izao famonjen-dehibe izao tamin'ny tanan'ny mpanomponao; ary ankehitriny efa ho fatin-ketaheta aho ka hianjera ho eo an-tànan'ny tsy mifora!

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

18 Ary nangetaheta be izy dia nitaraina tamin’NY TOMPO hoe: Ianao no nanome izao famonjena lehibe izao tamin’ny tanan’ny mpanomponao. Ankehitriny, moa ho fatin-ketaheta va aho ka hianjera ho eo an-tanan’ny tsy mifora?

Jereo ny toko dika mitovy




Mpitsara 15:18
19 Rohy Ifampitohizana  

Namaly kosa i Abrahama hoe: –Nihevitra anakampo aho fa tsy misy olona matahotra an’Andriamanitra amin’ity toerana ity, koa hovonoin’ireo aho noho ny amin’ny vadiko.


Ka hoy i Jakôba hoe: –Efa nahita an’Andriamanitra nifanatri-tava tamiko aho, nefa tsy maty fo aman’aina. Izany no niantsoany io toerana io hoe Peniela, na hoe Tavan’Andriamanitra.


Aza aely any Gata izany vaovao izany na torina eny an-dalamben’i Askelôna, fandrao hifalian’ny vehivavin’ny Filistinina na hibitahan’ny tovovavin’ny mpanompo sampy.


Taorian’izany, dia fantatr’i Jesoa fa efa vita ny zavatra rehetra; ka mba hahatanteraka ny Soratra Masina, dia hoy Izy: –Mangetaheta Aho.


Ary inona koa no holazaiko? Tsy hanam-potoana aho raha hilazalaza momba an-dry i Gidehôna sy i Baràka, ry i Samsôna sy i Jeftà, ry i Davida sy i Samoela ary ny mpaminany.


Fa namaly azy ny ray sy reniny hoe: –Angaha tsy misy tovovavy ato amin’ny fokonao na ato amin’ny firenenao manontolo no handeha haka vady any amin’izay Filistinina tsy mifora ianao? Fa hoy i Samsôna tamin’ny rainy: –Iny no mahafinaritra ahy, ka angataho ho vadiko.


Rehefa izany, dia natsipiny terỳ ilay valanoranom-boriky teny an-tanany; izany no niantsoana io toerana io hoe Ramata-Lehỳ na Havoanan’ny Valanorano.


Koa niantso ny TOMPO i Samsôna nanao hoe: –Ry Tompo ANDRIANANAHARY ô, mba tsarovy aho! Ka omeo hery aho, Andriamanitra ô, na dia amin’izao indray mandeha izao ihany aza mba hamaliako faty indray maka monja ireo Filistinina noho ny amin’ny voamasoko roa.


Ary tonga teo Jôrdàna i Gidehôna sy ireo telonjato lahy niaraka taminy ka niampita. Efa reraka izy ireo nefa mbola nanenjika ny fahavalony ihany.


Dia hoy i Davida tamin’ny miaramila iray teo akaikiny: –Hatao ahoana tsara hoe izay maharesy io Filistinina io ka mahafaka an’i Israely amin’izao fahafaham-baràkany izao? Fa iza moa io Filistinina mpanompo sampy io no sahy mihantsy ny tafik’ilay Andriamanitra velona?


Raha izany no nahafatesan’ny mpanomponao ny liona sy ny bera, dia ho tahaka izany koa no hanjo io Filistinina mpanompo sampy io, satria nihantsy ny tafik’ilay Andriamanitra velona izy.


Hoy i Davida anakampo: «Ho fatin’ny tanan’i Saoly ihany aho indray andro any. Koa ny tsara indrindra amiko dia tsy misy afa-tsy ny mandositra any amin’ny tanin’ny Filistinina. Hatsahatr’i Saoly ny fitadiavany ahy manerana ny faritanin’i Israely, ka dia ho afa-doza aminy aho.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra