Izy rehetra nomeny akanjo indray miova avy; i Benjamina nomeny volafotsy telon-jato farantsa sy akanjo indimy miova.
Mpitsara 14:12 - Baiboly Katolika Ary hoy i Samsôna tamin’ireo: «Hanao ankamantatra aminareo aho; ka raha lazainareo amiko, ao anatin’ny hafitoana fanasana, ny heviny, ka fantatrareo, dia homeko lobaka telopolo sy akanjo telopolo atao fanovana ianareo. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia hoy i Samsona tamin’ireo: Hanao ankamantatra aminareo aho. Koa raha lazainareo amiko ny heviny ka hitanareo ny valiny ao anatin’ny fito andro aharetan’ny fanasana dia homeko lobaka telopolo sy akanjo intelopolo miova ianareo. DIEM PROTESTANTA Ary i Samsôna nilaza tamin’ireo hoe: –Hanao ankamantatra aminareo aho. Koa raha milaza ny valiny amiko ato anatin’ny fito andro fanaovam-panasàna ianareo, dia homeko lobaka telopolo tsara tarehy sy akanjo telopolo fitondra mianjaika. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary i Samsôna nilaza tamin’ireo hoe: –Hanao ankamantatra aminareo aho. Koa raha milaza ny valiny amiko ato anatin’ny fito andro fanaovam-panasàna ianareo, dia homeko lobaka telopolo tsara tarehy sy akanjo telopolo fitondra mianjaika. Baiboly Protestanta Malagasy Ary hoy Samsona tamin’ireo: Hanao fampanonona aminareo aho; koa raha lazainareo amiko ny heviny ao anatin’ny hafitoana fanasana ka fantatrareo, dia homeko lobaka telo-polo sy akanjo intelo-polo miova hianareo. Malagasy Bible Ary hoy Samsona tamin'ireo: Hanao fampanonona aminareo aho; koa raha lazainareo amiko ny heviny ao anatin'ny hafitoana fanasana ka fantatrareo, dia homeko lobaka telo-polo sy akanjo intelo-polo miova ianareo. La Bible en Malgache Dia hoy i Samsona tamin’ireo: Hanao ankamantatra aminareo aho. Koa raha lazainareo amiko ny heviny ka hitanareo ny valiny ao anatin’ny fito andro aharetan’ny fanasana dia homeko lobaka telopolo sy akanjo intelopolo miova ianareo. |
Izy rehetra nomeny akanjo indray miova avy; i Benjamina nomeny volafotsy telon-jato farantsa sy akanjo indimy miova.
Nandre ny lazan’anaran’i Salômôna amin’ny Anaran’i Iaveh, ny mpanjaka vavin’i Sabà, ka tamy hizaha toetra azy amin’ny ankamantatra.
Dia hoy i Giezi; «Tsara daholo ihany. Nirahin’ny tompoko aho hilaza aminao hoe: Indro fa misy tovolahy roa lahy amin’ny zanaky ny mpaminany, vao tonga atỳ amiko avy any amin’ny tendrombohitr’i Efraima ka raha sitrakao, mba omeo talenta volafotsy iray sy fitafiana indroa miova kely ho azy ireo.»
Dia hoy ny mpanjakan’i Siria: «Mankanesa any, ary hampitondraiko taratasy ny mpanjakan’i Israely.» Dia lasa izy, sady nitondra talenta volafotsy folo, sy volamena 6.000 sikla, ary akanjo impolo miova.
Hafitoana no nankalazan’i Salômôna ny fety tamin’izany, dia izy mbamin’i Israely rehetra, vahoaka zavon-tany hatrany amin’ny hadilalan’ny Emata ka hatrany amin’ny ranon-driakan’i Ejipta.
dia ho fantany ny ohabolana aman-teny saro-pantarina, ny oha-teny sy ny ankamantatry ny olon-kendry.
Ry zanak’olona, manaova fampanonona ary milazà fanoharana amin’ny taranak’i Israely; milazà hoe:
Fanoharana no nilazan’i Jesoa izany rehetra izany tamin’ny vahoaka, ary Izy tsy niteny taminy afa-tsy tamin’ny fanoharana,
Aza mihary harena ho anareo etỳ an-tany izay misy harafesina sy kalalao manimba, ary mpangalatra manamy trano sy mangalatra;
Raha efa izany, nony hitan’i Jesoa ny hamaimaizan’ny olona nasaina naka ny fitoerana voalohany, dia nanao ity fanoharana ity tamin’izy ireo Izy:
Dia hoy ny mpianany taminy: «Indro milaza tsotra Ianao ankehitriny, fa tsy manao fanoharana akory.
Ankehitriny mizaha ao amin’ny fitaratra isika, ka tsy mahita mazava; fa rahatrizay, hifanatrika; ankehitriny, tapany no fantatro; fa rahatrizay hahalala tsara toy ny nahafantarana ahy aho.
Fa raha tsy mahalaza ny heviny amiko kosa ianareo, dia ianareo no hanome ahy ny akanjo lobaka telopolo sy akanjo telopolo atao fanovana».