Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mpitsara 14:12 - DIEM PROTESTANTA

12 Ary i Samsôna nilaza tamin’ireo hoe: –Hanao ankamantatra aminareo aho. Koa raha milaza ny valiny amiko ato anatin’ny fito andro fanaovam-panasàna ianareo, dia homeko lobaka telopolo tsara tarehy sy akanjo telopolo fitondra mianjaika.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

12 Dia hoy i Samsona tamin’ireo: Hanao ankamantatra aminareo aho. Koa raha lazainareo amiko ny heviny ka hitanareo ny valiny ao anatin’ny fito andro aharetan’ny fanasana dia homeko lobaka telopolo sy akanjo intelopolo miova ianareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

12 Ary i Samsôna nilaza tamin’ireo hoe: –Hanao ankamantatra aminareo aho. Koa raha milaza ny valiny amiko ato anatin’ny fito andro fanaovam-panasàna ianareo, dia homeko lobaka telopolo tsara tarehy sy akanjo telopolo fitondra mianjaika.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

12 Ary hoy i Samsôna tamin’ireo: «Hanao ankamantatra aminareo aho; ka raha lazainareo amiko, ao anatin’ny hafitoana fanasana, ny heviny, ka fantatrareo, dia homeko lobaka telopolo sy akanjo telopolo atao fanovana ianareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

12 Ary hoy Samsona tamin’ireo: Hanao fampanonona aminareo aho; koa raha lazainareo amiko ny heviny ao anatin’ny hafitoana fanasana ka fantatrareo, dia homeko lobaka telo-polo sy akanjo intelo-polo miova hianareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

12 Ary hoy Samsona tamin'ireo: Hanao fampanonona aminareo aho; koa raha lazainareo amiko ny heviny ao anatin'ny hafitoana fanasana ka fantatrareo, dia homeko lobaka telo-polo sy akanjo intelo-polo miova ianareo.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

12 Dia hoy i Samsona tamin’ireo: Hanao ankamantatra aminareo aho. Koa raha lazainareo amiko ny heviny ka hitanareo ny valiny ao anatin’ny fito andro aharetan’ny fanasana dia homeko lobaka telopolo sy akanjo intelopolo miova ianareo.

Jereo ny toko dika mitovy




Mpitsara 14:12
22 Rohy Ifampitohizana  

Nomeny akanjo indray misolo avy koa izy rehetra, fa i Benjamîna kosa nomeny sekela volafotsy telonjato sy akanjo dimy.


Ny mpanjakavavin’i Sebà dia nahare ny laza nananan’i Salômôna noho ny anaran’ny TOMPO, ka avy hitsapa azy tamin’ny fanontaniana sarotra.


Ary hoy ny navaliny: –Tsara ihany aho; saingy nirahin’ny tompoko fotsiny aho hilaza aminao, fa misy zatovo roa lahy anisan’ny andia-mpaminany tonga ao aminy avy any amin’ny faritra havoan’i Efraîma. Koa miangavy anao izy mba hanome azy roa lahy volafotsy telopolo kilao ary akanjo fitondra mianjaika roa.


Ka hoy ny mpanjakan’i Siria: –Mandehana àry mankany amin’ny mpanjakan’i Israely, fa hampitondra taratasy ho azy aho. Dia lasa i Nahamàna nitondra volafotsy telonjato kilao sy volamena enimpolo kilao ary akanjo fitondra mianjaika folo.


Fito andro no niarahan’i Salômôna nankalaza ny fetin’ny Tranotomboka tamin’ny Israelita rehetra izay tafangona marobe, tonga avy amin’ny lafy valo hatreo Lebô-Hamata ka hatrany amin’ny lohasahan-driakan’i Ejipta.


fa hilaza fahendrena ny vavako, hametsovetso fahalalana ny foko.


hahatakarana ohabolana sy fanoharana ary ny tenin’olon-kendry sy ny ankamantany.


Manao akanjo izy ka mivarotra izany; mandafo fehikibo amin’ny mpandranto koa izy.


«Ry ilay taranak’olombelona, manaova ankamantatra ary fanoharana ho an’ny Israelita,


Noho izany, dia fanoharana no itenenako aminy: satria mijery izy fa tsy mahita, ary mihaino fa tsy mandre sady tsy mahafantatra;


Fanoharana no nanambaran’i Jesoa izany rehetra izany tamin’ny vahoaka. Ary tsy nanambara zavatra tamin’ny vahoaka afa-tsy tamin’ny fanoharana i Jesoa,


Dia nendahin’ireto miaramila ny fitafian’i Jesoa, ary akanjobe jaky no nampitafîny Azy;


–Aza mangorona harena ho anareo etỳ an-tany, izay misy kadradraka sy harafesina manimba, sady misy mpangalatra mamaky trano sy mangalatra;


Tsikaritr’i Jesoa kosa fa samy nifidy ny toerana voalohandohany ireo olona nasaina. Ka ho azy ireo indrindra no nanaovany ity fanoharana ity:


Dia hoy ny mpianatr’i Jesoa taminy: –Indro milaza tsotra Ianao ankehitriny, fa tsy manana fanoharana akory.


Ankehitriny tokoa dia mahita manjavozavo toy ny amin’ny fitaratra isika, fa rahatrizay vao hahita mifanatrika. Ankehitriny dia sombiny no zavatra fantatro, fa rahatrizay aho vao hahafantatra tsara toy ny ahafantaran’Andriamanitra ahy.


Ny harenareo efa lo ary ny fitafianareo efa lanin’ny kadradraka.


Rehefa nahita azy ny Filistinina, dia nifantina tovolahy telopolo mba hiara-mikorana aminy.


Raha tsy izany kosa, dia ianareo no hanome ahy lobaka telopolo tsara tarehy sy akanjo telopolo fitondra mianjaika. Ka hoy ny navaliny azy: –Ataovy àry ny ankamantatrao, fa mihaino anao izahay.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra