Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mpitsara 14:11 - DIEM PROTESTANTA

11 Rehefa nahita azy ny Filistinina, dia nifantina tovolahy telopolo mba hiara-mikorana aminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

11 Rehefa nahita azy izy mianakavy dia nametraka namana telopolo lahy hitoetra ao aminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

11 Rehefa nahita azy ny Filistinina, dia nifantina tovolahy telopolo mba hiara-mikorana aminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

11 Fa nahita azy ny olona dia nanasa olona telopolo lahy ho namany hiara-mitoetra aminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

11 Ary rehefa nahita azy izy mianakavy, dia nametraka namana telo-polo lahy hitoetra ao aminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

11 Ary rehefa nahita azy izy mianakavy, dia nametraka namana telo-polo lahy hitoetra ao aminy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

11 Rehefa nahita azy izy mianakavy dia nametraka namana telopolo lahy hitoetra ao aminy.

Jereo ny toko dika mitovy




Mpitsara 14:11
8 Rohy Ifampitohizana  

Iza koa no sahy hanokatra ny vavany, fa ireo nifiny dia mampihorohoro izay olona eny manodidina?


Tonga eto an-jaridainako aho, ry havako fofombadiko, ka mioty ny miorako mbamin’ny zava-manitro, sy mihinan-tantely avy amin’ny tohotra, ary misotro ny divaiko sy ny rononoko. «Mihinàna ianareo, ry sakaiza, ka misotroa; ary aoka ianareo ho sondriam-pitia.»


Dia hoy i Jesoa taminy: –Moa azon’ireo mpanotrona ny mpampaka-bady atao ve ny misaona raha mbola miaraka aminy eo ny mpampakatra? Tsia. Fa ho avy ny andro hanesorana ny mpampakatra eo aminy, ka amin’izay andro izay vao hifady hanina ireo mpanotrona.


Izay manana ny ampakarina no mpampakatra; fa ny sakaizan’ny mpampakatra dia mipetraka eo anilan’ny mpampakatra sy mihaino azy ary faly tokoa mandre ny feony. Izany hafaliana izany no efa tanteraka amiko ankehitriny.


Ary nidina nankany amin’ilay tovovavy i Samsôna, ka nanao fanasana fampakaram-bady tao toy ny fanaon’ny tovolahy rehetra.


Ary i Samsôna nilaza tamin’ireo hoe: –Hanao ankamantatra aminareo aho. Koa raha milaza ny valiny amiko ato anatin’ny fito andro fanaovam-panasàna ianareo, dia homeko lobaka telopolo tsara tarehy sy akanjo telopolo fitondra mianjaika.


Dia nilomay naka azy tao ny olona, ary niseho tamin’izay izy sady nitsangana teo afovoan’ny vahoaka, ka nanatombo halavana amin’ny olon-drehetra.


Rehefa tonga izy ireo, dia tazan’i Eliaba i Samoela, ka hoy izy hoe: «Ity mijoro eto anatrehany ity tokoa ilay nofinidin’ny TOMPO.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra