Dia nitombo sy nihanahery fanahy ny zaza, ary nitoetra tany an’efitra, ambara-pahatongan’ny andro hisehoany amin’i Israely.
Mpitsara 13:24 - Baiboly Katolika Ary tera-dahy ravehivavy, ka nataony hoe Samsôna no anarany. Dia nitombo ny zaza, sady notahin’i Iaveh. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary niteraka zazalahy Ravehivavy ka ny anarany nataony hoe Samsona. Dia nitombo ny zaza ary NY TOMPO nitahy azy. DIEM PROTESTANTA Ary nitera-dahy ny vadin’i Manôà ka ny anarany nataony hoe Samsôna. Dia nihalehibe ny zaza, ary ny TOMPO nitahy azy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary nitera-dahy ny vadin’i Manôà ka ny anarany nataony hoe Samsôna. Dia nihalehibe ny zaza, ary ny TOMPO nitahy azy. Baiboly Protestanta Malagasy Ary niteraka zazalahy ravehivavy, ka ny anarany nataony hoe Samsona; dia nitombo ny zaza, ary Jehovah nitahy azy. Malagasy Bible Ary niteraka zazalahy ravehivavy, ka ny anarany nataony hoe Samsona; dia nitombo ny zaza, ary Jehovah nitahy azy. La Bible en Malgache Ary niteraka zazalahy Ravehivavy ka ny anarany nataony hoe Samsona. Dia nitombo ny zaza ary NY TOMPO nitahy azy. |
Dia nitombo sy nihanahery fanahy ny zaza, ary nitoetra tany an’efitra, ambara-pahatongan’ny andro hisehoany amin’i Israely.
Ary i Jesoa nitombo fahendrena sy tena, ary nandroso nahatehotia tamin’Andriamanitra sy ny olona.
Ary inona koa no holazaiko? Tsy ho ampy ny andro hilazako ny amin’i Jedeôna, i Baràka, i Samsôna, i Jefte, i Davida, i Samoela, mbamin’ny mpaminany:
Novangian’i Iaveh i Anà, ka nanana anaka, dia niteraka telo lahy sy roa vavy. Ary i Samoela kely nitombo teo anatrehan’i Iaveh.
Dia nitombo ho lehibe i Samoela sady nomba azy i Iaveh ary tsy navelany ho raraka an-tany ny teniny.