Mpitsara 13:20 - Baiboly Katolika Raha ilay miakatra mankany an-danitra avy eo ambonin’ny ôtely iny ny lelafo dia niakatra tao anatin’ny lelafon’ny ôtely ilay Anjelin’i Iaveh. Raha nahita izany i Manôe mivady dia lavo niankohoka tamin’ny tany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Rehefa niakatra ho amin’ny lanitra ny lelafo avy teo amin’ny alitara dia niakatra teo anatin’ny lelafo avy teo amin’ny alitara ilay Anjelin’NY TOMPO. Ary nijery izany i Manoa sy ny vadiny dia niankohoka tamin’ny tany. DIEM PROTESTANTA dia niakatra ho any an-danitra ny lelafo avy tamin’ny sorona teo amin’ny alitara. Ary hitan’izy roa fa niakatra tao anatin’ny lelafo ilay anjelin’ny TOMPO; koa niankohoka tamin’ny tany izy mivady. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara dia niakatra ho any an-danitra ny lelafo avy tamin’ny sorona teo amin’ny alitara. Ary hitan’izy roa fa niakatra tao anatin’ny lelafo ilay anjelin’ny TOMPO; koa niankohoka tamin’ny tany izy mivady. Baiboly Protestanta Malagasy Ary raha niakatra ho amin’ny lanitra ny lelafo avy teo amin’ny alitara, dia niakatra teo anatin’ny lelafo avy teo amin’ny alitara Ilay Anjelin’i Jehovah. Ary nijery izany Manoa mivady, ka dia niankohoka tamin’ny tany. Malagasy Bible Ary raha niakatra ho amin'ny lanitra ny lelafo avy teo amin'ny alitara, dia niakatra teo anatin'ny lelafo avy teo amin'ny alitara Ilay Anjelin'i Jehovah. Ary nijery izany Manoa mivady, ka dia niankohoka tamin'ny tany. La Bible en Malgache Rehefa niakatra ho amin’ny lanitra ny lelafo avy teo amin’ny alitara dia niakatra teo anatin’ny lelafo avy teo amin’ny alitara ilay Anjelin’NY TOMPO. Ary nijery izany i Manoa sy ny vadiny dia niankohoka tamin’ny tany. |
Mbola nanohy ny diany sady niresaka eny izy ireo; dia indro nisy kalesy afo sy soavaly afo nampisaraka azy roa lahy, ka niakatra ho any an-danitra tamin’ny tafio-drivotra i Elia.
Nony natopin’i Davida ny masony, dia hitany ilay Anjelin’i Iaveh teo anelanelan’ny tany sy ny lanitra, nitan-tsabatra voatsoaka natondrony nanandrify an’i Jerosalema. Niankohoka i Davida sy ny loholona, sady nitafy lasàka izy ireo.
Nony tonga teo akaikin’i Ornàna i Davida, nijery i Ornàna ka nahita an’i Davida, dia niala teo am-pamoloana izy, ary niankohoka tamin’ny tany teo anatrehan’i Davida.
Dia nanangana ôtely teo i Davida, ho an’i Iaveh, ary nanatitra sorona dorana sy sorom-pihavanana. Izy niantso an’i Iaveh, ary i Iaveh namaly azy tamin’ny afo avy any an-danitra latsaka teo amin’ny ôtely nisy ny sorona dorana.
Eo ambonin’ilay andohalambo nivelatra teo ambonin’ny lohany, nisy hoatra ny vato safira, mitarehin-tseza fiandrianana; ary toa nisy hoatra ny endrik’olona teo ambonin’io mitarehin-tseza fiandrianana io.
Hoatra ny fijery ny avana eny amin’ny rahona, amin’ny andro misy orana, no fijery ny famirapiratana nanodidina azy. Toy izany no fijery ny sarin’ny voninahitr’i Iaveh. Nony nahita izany aho, dia lavo, niankohoka tamin’ny tany, nandre feon’olona niteny.
Ary nisy afo nivoaka avy eo anatrehan’i Iaveh nandevona ny sorona dorana mbamin’ny sabora teo ambonin’ny ôtely. Ary nahita izany daholo ny vahoaka rehetra, dia nihoby an-kafaliana sady rafitra niankohoka.
Io Zanany io izay famirapiratan’ny voninahiny, sy mariky ny Tenany, ary manohana ny zavatra rehetra amin’ny herin’ny teniny, dia mipetraka eo ankavanan’ny fiandrianany masina any amin’ny avo indrindra nony avy nanao ny fanadiovana ny fahotantsika.
Nony niditra i Jedeôna dia namboatra zanak’osy ary nanao mofo tsy misy lalivay tamin’ny lafarina iray efah, ka rehefa nataony tao anaty harona ny hena, ary tao anaty vilany ny ro dia nentiny tamin’izay teo ambanin’ny terebinta ka natolony.
Ary naroson’ny Anjelin’i Iaveh ny lohan’ny tehina teny an-tanany, ka natendriny ny hena sy ny mofo tsy misy lalivay, dia nisy afo nivoaka niaraka tamin’izay tamin’ny vatolampy, nandevona ny hena sy ny mofo tsy misy lalivay; ary nanjavona tsy hitan’ny masony ny Anjelin’i Iaveh.