Ary hoy i Akimaasa, zanak’i Sadôka: «Avelao kely aho hihazakazaka, hitondra ny vaovao any amin’ny mpanjaka, fa nomen’i Iaveh ny rariny izy, noafahany tamin’ny tanan’ny fahavalony.»
Mpitsara 11:36 - Baiboly Katolika Dia hoy izy taminy: «Dada ô, efa niloa-bava tamin’i Iaveh ianao, ka ataovy amiko araka izay naloaky ny vavanao, satria efa novalian’i Iaveh ny nataon’ny taranak’i Amôna fahavalonao taminao». Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa hoy ny zanany vavy taminy: Ry dada ô, raha niloa-bava tamin’NY TOMPO ary ianao dia ataovy amiko araka izay naloaky ny vavanao satria NY TOMPO efa namaly anao tamin’ny Amonita fahavalonao. DIEM PROTESTANTA Fa namaly azy ny zanany vavy hoe: –Dada ô, raha nanao voady tamin’ny TOMPO ianao, dia tanteraho amiko izay efa naloaky ny vavanao taminy satria IZY efa namela anao hamaly faty ny Hamônita fahavalonao. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fa namaly azy ny zanany vavy hoe: –Dada ô, raha nanao voady tamin’ny TOMPO ianao, dia tanteraho amiko izay efa naloaky ny vavanao taminy satria IZY efa namela anao hamaly faty ny Hamônita fahavalonao. Baiboly Protestanta Malagasy Fa hoy ny zanani-vavy taminy: Ry dada ô, raha niloa-bava tamin’i Jehovah ary hianao, dia ataovy amiko araka izay naloaky ny vavanao, satria Jehovah efa namaly ny taranak’i Amona fahavalonao ho anao. Malagasy Bible Fa hoy ny zananivavy taminy: Ry dada ô, raha niloa-bava tamin'i Jehovah ary ianao, dia ataovy amiko araka izay naloaky ny vavanao, satria Jehovah efa namaly ny taranak'i Amona fahavalonao ho anao. La Bible en Malgache Fa hoy ny zanany vavy taminy: Ry dada ô, raha niloa-bava tamin’NY TOMPO ary ianao dia ataovy amiko araka izay naloaky ny vavanao satria NY TOMPO efa namaly anao tamin’ny Amonita fahavalonao. |
Ary hoy i Akimaasa, zanak’i Sadôka: «Avelao kely aho hihazakazaka, hitondra ny vaovao any amin’ny mpanjaka, fa nomen’i Iaveh ny rariny izy, noafahany tamin’ny tanan’ny fahavalony.»
Dia indro tonga koa ilay Kosita, ka nanao hoe: «Aoka ny mpanjaka tompoko hihaino zava-baovao mahafaly, fa nomen’i Iaveh anao androany ny rariny, ny amin’izay rehetra nitsangana hikomy aminao.»
Dia hoy ny mpanjaka taminy: «Inona no mbola itenenanao izany teninao izany? Efa niteny aho: Hozarainao sy i Sibà ny tany.»
Tsy misy atahorako anefa izany zavatra izany; ary tsy ataoko ho zavatra ny aiko rehefa tanteraka ny diako, ka vitako ny raharaha noraisiko tamin’i Jesoa Tompo, dia ny mitory ny Evanjelin’ny fahasoavan’Andriamanitra.»
Fa namaly izy ka nanao hoe: «Nahoana no dia mitomany toy izao ianareo, ka tonga mahahontsa ny foko? Izaho izao dia vonona tsy ny hafatotra ihany, fa na ny ho faty any Jerosalema aza, mba ho voninahitry ny Anaran’i Jesoa Tompo.»
nanao vy very hamonjy ny aiko izy mivady ireo, ka tsy izaho irery no misaotra azy, fa ny Eglizy rehetra any amin’ny Jentily koa,
fa ny raharahan’i Kristy no saika nahafaty azy; ary ny fanefana ny fanompoana ahy tsy efanareo no nanaovany ny ainy tsy ho zavatra
i Sehôna mpanjakan’ny Amôreana, izay nonina tao Hesebona; ny takatry ny fahefany dia hatrany Arôera, eo amin’ny ranon-driakan’i Arnôna, ary hatreo am-pamatonan’ny lohasaha amin’ny antsasak’i Galaada, ka hatramin’ny ranon-driakana Jaboaka, faritry ny tanin’ny taranak’i Amôna,