Dia hoy i Davida tamin’i Sibà: «Ny ampondra ho an’ny ankohonan’ny mpanjaka, hitaingenany, ny mofo amam-boankazo hihinanan’ny zatovo, ary ny divay hisotroan’izay reraka any an’efitra.»
Mpitsara 10:4 - Baiboly Katolika Izy nanan-janaka telopolo lahy, izay nitaingina ampondra telopolo sy nanan-tanàna telopolo, izay mbola antsoina mandraka androany hoe, Tranon’i Jaira, ary any amin’ny tany Galaada no nisy azy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nanana zanakalahy telopolo izay nitaingina borikilahy tanora telopolo izy sady nanana tanàna telopolo any amin’ny tany Gileada; antsoina hoe Havota-Jaìra ireny mandraka androany. DIEM PROTESTANTA Nanan-janaka telopolo lahy izay nitaingina boriky telopolo sady nanana toerana telopolo tao amin’ny faritanin’i Gilehada; ary mandraka ankehitriny dia antsoina hoe Havôta-Jaîro ireny toerana ireny. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nanan-janaka telopolo lahy izay nitaingina boriky telopolo sady nanana toerana telopolo tao amin’ny faritanin’i Gilehada; ary mandraka ankehitriny dia antsoina hoe Havôta-Jaîro ireny toerana ireny. Baiboly Protestanta Malagasy Ary nanana zanakalahy telo-polo izay nitaingina zana-boriky telo-polo izy, ary izy ireo nanana tanàna telo-polo any amin’ny tany Gileada; ary atao hoe Havota-jaïra mandraka andro-any ireo. Malagasy Bible Ary nanana zanakalahy telo-polo izay nitaingina zana-boriky telo-polo izy, ary izy ireo nanana tanàna telo-polo any amin'ny tany Gileada; ary atao hoe Havota-jaïra mandraka androany ireo. La Bible en Malgache Nanana zanakalahy telopolo izay nitaingina borikilahy tanora telopolo izy sady nanana tanàna telopolo any amin’ny tany Gileada; antsoina hoe Havota-Jaìra ireny mandraka androany. |
Dia hoy i Davida tamin’i Sibà: «Ny ampondra ho an’ny ankohonan’ny mpanjaka, hitaingenany, ny mofo amam-boankazo hihinanan’ny zatovo, ary ny divay hisotroan’izay reraka any an’efitra.»
Mifalia amin’ny hafaliana lehibe, ry zanaka vavin’i Siôna! Manaova feo firavoravoana, ry zanaka vavin’i Jerosalema. Fa indro ny Mpanjakanao avy ho atỳ aminao; marina izy sady arovan’Andriamanitra; manetry tena mitaingina ampondra dia ampondra tanora, zanak’ampondravavy.
Dia nandroso i Jaïra zanak’i Manase, ka nahafaka ny zana-bohiny izay nantsoiny hoe Zanabohitr’i Jaïra.
I Jaira, zanak’i Manase no nahazo ny tany Argoba, hatramin’ny sisin-tanin’ny Gesorianina sy ny Makatianina, ary nantsoiny amin’ny anarany ny vohitr’i Basàna izay atao hoe vohitr’i Jaira, mandrak’androany.
Nitsangana nanaraka azy i Jaira any Galaada izay nitsara an’i Israely nandritra ny roa amby roapolo taona.
Nanan-janaka efapolo lahy sy zafy telopolo lahy izy, izay nitaingina zanak’ampondra telopolo.
Ianareo izay mitaingina ampondravavy fotsy, ianareo izay mipetraka amin’ny karipetra, ary ianareo izay mizotra eny an-dalana, mihirà ianareo.