Mpitsara 10:1 - Baiboly Katolika I Tolà zanak’i Foà, zanak’i Dôdao, lehilahy amin’i Isakara, no nitsangana hamonjy an’i Israely, taorian’i Abimeleka. Tany Samira amin’ny tendrombohitr’i Efraima izy no nonina. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Taorianan’i Abimeleka dia nitsangana hamonjy ny Israely i Tola, zanak’i Poa, zanak’i Dodo, lehilahy avy tamin’Isakara; izy dia nonina tao Samira, any amin’ny tany be havoana any Efraima. DIEM PROTESTANTA Taorian’ny nahafatesan’i Abimelèka dia nitsangana i Tôlà, zanakalahin’i Povà sady zafikelin’i Dôdao, mba hamonjy ny vahoaka Israely. Izy dia lehilahy avy ao amin’ny fokon’i Jisakara ary nonina tao Samira, any amin’ny faritra be tendrombohitra any Efraîma. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Taorian’ny nahafatesan’i Abimelèka dia nitsangana i Tôlà, zanakalahin’i Povà sady zafikelin’i Dôdao, mba hamonjy ny vahoaka Israely. Izy dia lehilahy avy ao amin’ny fokon’i Jisakara ary nonina tao Samira, any amin’ny faritra be tendrombohitra any Efraîma. Baiboly Protestanta Malagasy ARY taorian’i Abimeleka dia nitsangana hamonjy ny Isiraely Tola, zanak’i Dodo, lehilahy avy tamin’ny Isakara; ary mponina tao Samira any amin’ny tany havoan’i Efraima izy. Malagasy Bible Ary taorian'i Abimeleka dia nitsangana hamonjy ny Isiraely Tola, zanak'i Dodo, lehilahy avy tamin'ny Isakara; ary mponina tao Samira any amin'ny tany havoan'i Efraima izy. La Bible en Malgache Taorianan’i Abimeleka dia nitsangana hamonjy ny Israely i Tola, zanak’i Poa, zanak’i Dodo, lehilahy avy tamin’Isakara; izy dia nonina tao Samira, any amin’ny tany be havoana any Efraima. |
Telo amby roapolo taona no naha-mpitsara azy tamin’i Israely; dia maty izy, ka nalevina tao Samira.
Vao tonga izy dia notsofiny ny trômpetra tany amin’ny tendrombohitra Efraima. Nidina avy any amin’ny tendrombohitra niaraka taminy, ny zanak’i Israely, ary izy no nitarika azy ireo.
Fa nitaraina tamin’i Iaveh ny zanak’i Israely ka nananganan’i Iaveh mpanafaka izay namonjy azy izy, dia Otoniela zanak’i Keneza, zandrin’i Kaleba.
ary nampianjeran’Andriamanitra tamin’ny lohan’ny mponina tao Sikema, ny haratsiany rehetra. Izany no niharan’ny ozona nataon’i Joatama zanak’i Jerobaala tamin’izy ireo.