Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Mpitsara 1:27 - Baiboly Katolika

I Manase tsy nandroaka ny mponina tao Betsàna sy ny tanàna momba azy, na ny tao Tanàka sy ny tanàna momba azy, na ny mponina tao Dôra sy ny tanàna momba azy, na ny mponina tao Jeblaamà sy ny tanàna momba azy, ka nahazo toky hipetraka amin’izany tany izany ny Kananeanina.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

I Manase dia tsy nahazo an’i Bety-Sana sy ireo vohitra miankina aminy na i Tanàka sy ireo vohitra miankina aminy, sady tsy naharoaka ny mponina tany Dora sy ireo vohitra miankina aminy, na ny mponina tany Ibleama sy ireo vohitra miankina aminy na ny mponina tany Megido sy ireo vohitra miankina aminy; nikiry hitoetra tamin’ny tany ny Kananita.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Ary ny taranak’i Manase dia tsy naharoaka ny mponina tao Bety-Seàna sy Tahenàka na ny tao Dôra sy Jiblehama ary Megidao na tamin’ireo tanàna madinika samy miankina aminy avy; koa nanohy nipetraka tamin’izany faritany izany hatrany ny Kanahanita.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ary ny taranak’i Manase dia tsy naharoaka ny mponina tao Bety-Seàna sy Tahenàka na ny tao Dôra sy Jiblehama ary Megidao na tamin’ireo tanàna madinika samy miankina aminy avy; koa nanohy nipetraka tamin’izany faritany izany hatrany ny Kanahanita.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary Manase tsy nahafaka an’i Beti-sana sy ny zana-bohiny, na Tanaka sy ny zana-bohiny, sady tsy naharoaka ny mponina tany Dora sy ny zana-bohiny, na ny mponina tany Ibleama sy ny zana-bohiny, na ny mponina tany Megido sy ny zana-bohiny, satria tian’ny Kananita hitoerana indrindra izany tany izany.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary Manase tsy nahafaka an'i Beti-sana sy ny zana-bohiny, na Tanaka sy ny zana-bohiny, sady tsy naharoaka ny mponina tany Dora sy ny zana-bohiny, na ny mponina tany Ibleama sy ny zana-bohiny, na ny mponina tany Megido sy ny zana-bohiny, satria tian'ny Kananita hitoerana indrindra izany tany izany.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

I Manase dia tsy nahazo an’i Bety-Sana sy ireo vohitra miankina aminy na i Tanàka sy ireo vohitra miankina aminy, sady tsy naharoaka ny mponina tany Dora sy ireo vohitra miankina aminy, na ny mponina tany Ibleama sy ireo vohitra miankina aminy na ny mponina tany Megido sy ireo vohitra miankina aminy; nikiry hitoetra tamin’ny tany ny Kananita.

Jereo ny toko



Mpitsara 1:27
16 Rohy Ifampitohizana  

dia ny taranaka mandimby azy ireo tamin’ny tany, izay tsy azon’ny zanak’i Israely natao anatema, no nalain’i Salômôna andevo mpanao fanompoana, dia mbola toy izany ireo mandrak’androany.


Tamin’ny androny, niakatra hamely ny mpanjakan’i Asiria any amin’ny Ony Eofrata, i Faraôna-Nekao mpanjakan’i Ejipta, ary nandeha hanehatra azy i Josiasa mpanjaka. Kanjo vao hitan’i Faraôna izy dia matiny tao Magedao.


Raha nahita izany i Okoziasa mpanjakan’i Jodà, dia nandositra tamin’ny lalan’ny tranon’ny zaridaina. Fa nenjehin’i Jehò izy sady nataony hoe: «Asio ao anaty kalesiny ao ihany koa iny.» Dia nasian’ny olona izy, teo amin’ny fiakaran’i Gavera, akaikin’ny Jeblaama. Nandositra nankany Magedao izy, dia maty tao.


Tsy hanao fanekem-pihavanana amin’izy ireo na amin’ny andriamanitr’izy ireo ianao.


Ho voaozona anie izay mitsilamodamoka amin’ny asan’i Iaveh! Ho voaozona anie izay mihazona ny sabany tsy handatsa-dra!


ka ho efa voatolotr’i Iaveh Andriamanitrao anao, sy resinao ireny dia ataovy anatema, fa aza anaovanao fanekena akory izy ireo, na anananao antra.


Ny avy amin’ny antsasaky ny fokon’i Manase dia i Tanàka sy ny manodidina azy ary i Geta-Remôna sy ny manodidina azy: tanàna roa.


Nony maty i Jôsoe, dia nanontany an’i Iaveh ny zanak’i Israely nanao hoe: «Iza aminay no hananika voalohany ny Kananeanina hiady aminy?»


Tsy nandroaka ny Jeboseanina nonina tao Jerosalema ny taranak’i Benjamina, ka niara-nonina tamin’ny zanak’i Benjamina tao Jerosalema mandraka androany ny Jeboseanina.


Any amin’ny tanin’ny Heteanina no nalehan-dralehilahy, dia nanorina tanàna izy, nomeny anarana hoe Lozy, mbola anarany mandraka androany izany.


Nony efa nihanahery i Israely, dia nampandoaviny hetra ny Kananeanina, nefa tsy noroahiny izy ireo.


Tonga ireo mpanjaka ka nandrafitra ady izy ireo, nandrafitra ady tamin’izay ireo mpanjakan’i Kanaana, dia tao Tanàka teo amoron’ny ranon’i Magedao, fa tsy nahazo na dia akoram-bolafotsy iray aza.


Tsy novonoin’i Saola sy ny vahoaka anefa i Agaga, mbamin’ny tsara indrindra tamin’ny ondry, ny omby, ny biby avy amin’ny terany fanindroany, zanak’ondry mbamin’izay tsara rehetra, tsy nekeny hatao anatema izany, fa ny ratsiratsy sy tsy misy vidiny ihany no nataony anatema.


Ny fiadian’i Saola napetrany tao amin’ny tempolin’i Astarte ary ny fatiny napetrany teo amin’ny mandan’i Betsàna.