Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Mika 4:9 - Baiboly Katolika

Nahoana no manezaka mitaraina ianao ankehitriny? Tsy misy mpanjaka va eo aminao, ary levona ny mpanolo-tsainao, no dia voan’ny fanaintanana ianao, toy ny vehivavy raha miteraka?

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Koa nahoana no mitaraina mafy ianao? Moa tsy misy mpanjaka va ao aminao, sa lany ringana avokoa ny mpanolotsainanao, no dia azon’ny fanaintainana ianao, toy ny vehivavy eo am-piterahana?

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Nahoana kosa no mitaraina mafy ianareo, ry mponin’i Jerosalema? Fa angaha tsy misy mpanjaka ao aminareo? Sa maty ireo mpanolo-tsainareo no dia manaintaina toy ny vehivavy miteraka ianareo?

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Nahoana kosa no mitaraina mafy ianareo, ry mponin’i Jerosalema? Fa angaha tsy misy mpanjaka ao aminareo? Sa maty ireo mpanolo-tsainareo no dia manaintaina toy ny vehivavy miteraka ianareo?

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Koa nahoana no mitaraina mafy hianao? Moa tsy misy mpanjaka va ao aminao, Sa lany ringana avokoa ny mpanolo-tsainao, No dia azon’ny fanaintainana hianao, toy ny vehivavy raha miteraka?

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Koa nahoana no mitaraina mafy ianao? Moa tsy misy mpanjaka va ao aminao, Sa lany ringana avokoa ny mpanolotsainao, No dia azon'ny fanaintainana ianao, toy ny vehivavy raha miteraka?

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Koa nahoana no mitaraina mafy ianao? Moa tsy misy mpanjaka va ao aminao, sa lany ringana avokoa ny mpanolotsainanao, no dia azon’ny fanaintainana ianao, toy ny vehivavy eo am-piterahana?

Jereo ny toko



Mika 4:9
20 Rohy Ifampitohizana  

hangovitra izy, ho azon’ny tebiteby amam-panaintainana; hiolanolana toy ny vehivavy miteraka izy; sady hifampijery samy hitanàka foana eo; ary hivoaramena hoatra ny afo ny tarehiny!


Izany no nahafeno tebiteby ny valahako; voan’ny fanaintainana aho, toy ny vehivavy miteraka. Miolanolana aho, mahare izany; tsiravina aho mahita izany;


Tahaka ny vehivavy bevohoka madiva ho teraka, miolanolana sy miantsoantso eo amin’ny fijaliany, tahaka izany izahay eo anatrehan’ny tavanao, ry Iaveh.


Ianao izay mitoetra any Libàna, sy manao ny akaninao any amin’ny sedera, endrey izany fitarainanao, rehefa tratry ny fanaintainana ianao, fifanintontsintonan’ny tena toy ny an’ny vehivavy mihetsi-jaza!


Koa aza matahotra ianao, ry Jakôba, mpanompoko, - teny marin’i Iaveh, - ary aza manam-badi-po, ry Israely. Fa indro Aho hanaisotra anao any an-tany lavitra, sy ny taranakao, avy any amin’ny tany nahababo azy. Dia ho tafaverina i Jakôba, ka hiadana, handry feizay, tsy hisy mpanabataba azy.


Mandra-pahoviana re no mbola hahitako ny faneva, sy handrenesako ny feon’anjomara?...


Fa izaho nandre feo, toy ny an’ny vehivavy mihetsi-jaza, tahaka ny fidrìdridrìdrin’ny vehivavy vao miteraka voalohany, dia ny feon’ny zanaka vavin’i Siôna; fa sady velon-taraina izy, no mitsotra tanana manao hoe: «Loza no manjò ahy, maty ny aiko, azon’ireo mpamono olona!»


Azo i Kariota; afaka ny trano mimanda; ary ny fon’ny mpiady maherin’i Moaba amin’izany andro izany, dia toy ny fon’ny vehivavy mihetsi-jaza.


Nandre izany ny mpanjakan’i Babela dia niraviravy tanana, nandry andriran’antsy, tra-panaintainana toy ny vehivavy eo am-piterahana.


Injany tonga amiko avy any an-tany lavitra, ny fitarainan’ny zanaka vavin’ny oloko manao hoe: Tsy ao Siôna intsony va i Iaveh? Tsy ao afovoany intsony va ny mpanjakany? Nahoana izy ireo no nampahatezitra ahy tamin’ny sampiny, sy tamin’ny zava-poana avy any amin’ny firenen-kafa?


Ilay fofon’aintsika, ilay voahosotr’i Iaveh, voasambotra tao an-davak’izy ireo, dia ilay nataontsika hoe: «Eo ambanin’ny alokalony, no ho velona any amin’ny firenena isika.»


Tsy ho ela no hilazany hoe: Tsy mana-mpanjaka isika, noho isika tsy natahotra an’i Iaveh; fa hahavita inona ho antsika moa izay mpanjaka?


Voan’ny fanaintainan’ny vehivavy raha miteraka izy; zaza tsy manam-pahendrena, fa nony tonga ny fotoana, tsy mandroso izy ho teraka.


Fa mandritra ny andro maro ny zanak’i Israely no hitoetra tsy mana-mpanjaka, tsy mana-mpanapaka, tsy manan-tsorona, tsy manan-tsangam-bato, tsy manana efôda ary tsy manan-terafima.


Ho mafy fijoro izy, ka hiandry ny ondriny, amin’ny herin’i Iaveh, amin’ny fiandrianan’ny Anaran’i Iaveh Andriamaniny; ary handry feizay ny olona, fa ho lehibe izy amin’izay, hatrany amin’ny faran’ny tany.


Ory ny vehivavy raha miteraka satria tonga ny fotoany; nefa tsy tsaroany intsony izay fahoriany rehefa teraka izy, noho ny hafaliany fa hoe misy olona teraka amin’izao tontolo izao.


bevohoka izy, sady nihetsi-jaza, ka nitaraina noho ny fanaintainam-piterahana.