Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mika 4:9 - DIEM PROTESTANTA

9 Nahoana kosa no mitaraina mafy ianareo, ry mponin’i Jerosalema? Fa angaha tsy misy mpanjaka ao aminareo? Sa maty ireo mpanolo-tsainareo no dia manaintaina toy ny vehivavy miteraka ianareo?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

9 Koa nahoana no mitaraina mafy ianao? Moa tsy misy mpanjaka va ao aminao, sa lany ringana avokoa ny mpanolotsainanao, no dia azon’ny fanaintainana ianao, toy ny vehivavy eo am-piterahana?

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

9 Nahoana kosa no mitaraina mafy ianareo, ry mponin’i Jerosalema? Fa angaha tsy misy mpanjaka ao aminareo? Sa maty ireo mpanolo-tsainareo no dia manaintaina toy ny vehivavy miteraka ianareo?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

9 Nahoana no manezaka mitaraina ianao ankehitriny? Tsy misy mpanjaka va eo aminao, ary levona ny mpanolo-tsainao, no dia voan’ny fanaintanana ianao, toy ny vehivavy raha miteraka?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

9 Koa nahoana no mitaraina mafy hianao? Moa tsy misy mpanjaka va ao aminao, Sa lany ringana avokoa ny mpanolo-tsainao, No dia azon’ny fanaintainana hianao, toy ny vehivavy raha miteraka?

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

9 Koa nahoana no mitaraina mafy ianao? Moa tsy misy mpanjaka va ao aminao, Sa lany ringana avokoa ny mpanolotsainao, No dia azon'ny fanaintainana ianao, toy ny vehivavy raha miteraka?

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

9 Koa nahoana no mitaraina mafy ianao? Moa tsy misy mpanjaka va ao aminao, sa lany ringana avokoa ny mpanolotsainanao, no dia azon’ny fanaintainana ianao, toy ny vehivavy eo am-piterahana?

Jereo ny toko dika mitovy




Mika 4:9
20 Rohy Ifampitohizana  

Ho very hevitra tokoa izy noho ny fanaintainana sy ny fahoriana mahazo azy ka hiolanolana toy ny vehivavy hiteraka. Talanjona izy mifampijery ka mivaloarika ny tarehiny.


Izany no nahafeno fanaintainana ny tehezako manontolo. Nahatsiaro naharary aho toy ny fahararin’ny vehivavy mihetsi-jaza; taitra mafy aho nony nandre izany, raiki-tahotra aho nony nahita.


Toy ny vehivavy mihetsi-jaza hiteraka ka miolanolana sy mitaraina mafy, dia toy izany izahay teo anatrehanao, TOMPO ô.


Nilamina erỳ ianao niteronterona teny Libano, nanana akany tao anatin’ny sedera; kanjo akory izato sentonao fa nahazo anao tampoka ny fanaintainana tahaka ny fahararin’ny vehivavy miteraka!


«Koa aza matahotra ianareo, ry taranak’i Jakôba mpanompoko, hoy ny teny hentitry ny TOMPO; aza kivy ianao, ry firenena Israely, fa indro Aho hamonjy anao avy any amin’ny faritany lavitra any; indro Aho hamonjy ireo taranakareo avy any amin’ny tany izay nahababo azy. Hiverina ianareo, ry taranak’i Jakôba, ka hiadana sy handry feizay fa tsy hisy hanaitaitra intsony.


Mandra-pahoviana no mbola hijereko ireo faneva famantarana ady sy handrenesako ny feon’ny anjomara?


Nandre feo toy ny an’ny vehivavy miteraka aho, dia kiakiakan’ny vehivavy miteraka ny voalohan-janany. Feon’ireo mponin’i Tsiôna izany, dia ireo mponina misefosefo sady maninji-tanana miangavy hoe: «Lozanay fa reraka ny ainay noho ny ataon’ireo mpamono olona!»


Azon’ny fahavalo ireo tanàna, azony ny toera-mimanda. Ary amin’izany andro izany na dia ireo miaramila maherifon’i Môaba aza, dia manaintaina toy ny vehivavy mihetsi-jaza.


Ren’ny mpanjakan’i Babilôna izany vaovao izany, ka miraviravy tanana izy sady tratry ny fanaintainana toy ny vehivavy raha miteraka.


Injany! Re hatrany amin’ny faritra lavitra any ny antso vonjy ataon’ny vahoakako hoe: «Tsy ao Tsiôna intsony ve ny TOMPO, ary tsy ao aminy intsony ve ny mpanjakany?» Nahoana moa izy no nahatezitra Ahy tamin’ireo sarivongan-tsampiny, dia ireo zava-poana avy any an-kafa?


Ilay niankinan’ny fiainanay, ilay mpanjaka nohosoran’ny TOMPO ka mba efa nilazanay hoe: «Eo ambany fiarovanao no hanananay toerana eo anivon’ny firenen-kafa», dia indro voafandriky ny longoam-pahavalo!


Ankehitriny hiteny ireo hoe: «Tsy mana-mpanjaka izahay noho ny tsy nanajanay ny TOMPO. Sady soa inona ho anay moa no ho vitan’izay mpanjaka?»


Tahaka ny an’ny vehivavy hiteraka no fanaintainana mahazo azy. Kanefa dia zaza adaladala: tsy mety mivoaka avy ao an-kibo izy, na dia efa tonga aza ny fotoany.


Koa andro maro no hijanonan’ny Israelita tsy hana-mpanjaka na filoha, sorona na tsangam-bato, efôda na terafîma.


Ary hitsangana hitondra ny vahoaka izany mpanapaka nampanantenaina izany, hombàn’ny hery sy heniky ny famirapiratana avy amin’ny TOMPO Andriamaniny. Dia handry feizay ny vahoakany, satria ho lehibe hatrany am-paran’ny tany izany mpanapaka izany:


Ory ny vehivavy, rehefa hiteraka, satria tonga ny fotoam-panaintainany; saingy rehefa velon-jaza izy, dia tsy tsaroany intsony izay fahoriany, noho izy faly fa hoe misy olona teraka eo amin’izao tontolo izao.


Bevohòka ilay vehivavy sady mihetsi-jaza ka mitaraina, satria marary fatratra efa hiteraka.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra