Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Mika 4:4 - Baiboly Katolika

Samy hipetraka eny ambany voalobony avy izy; sy eny ambanin’ny aviaviny; tsy hisy olona hanelingelina azy akory; fa ny vavan’i Iavehn’ny tafika no efa niteny.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Samy hipetraka eny ambanin’ny voalobony sy ny aviaviny izy, ary tsy hisy hampihorohoro azy, fa ny vavan’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, no niteny.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Ny olona samy hipetraka eo anivon’ny voalobony sy aviaviny ka tsy hisy hampahatahotra azy.» Ny TOMPO Andriamanitr’izao rehetra izao, no mampanantena izany.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ny olona samy hipetraka eo anivon’ny voalobony sy aviaviny ka tsy hisy hampahatahotra azy.» Ny TOMPO Andriamanitr’izao rehetra izao, no mampanantena izany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Fa samy hipetraka eny ambanin’ny voalobony sy ny aviaviny izy, Ary tsy hisy hanaitaitra azy; Fa ny vavan’i Jehovah, Tompon’ny maro, no efa niteny.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Fa samy hipetraka eny ambanin'ny voalobony sy ny aviaviny izy, Ary tsy hisy hanaitaitra azy; Fa ny vavan'i Jehovah, Tompon'ny maro, no efa niteny.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Samy hipetraka eny ambanin’ny voalobony sy ny aviaviny izy, ary tsy hisy hampihorohoro azy, fa ny vavan’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, no niteny.

Jereo ny toko



Mika 4:4
25 Rohy Ifampitohizana  

Nandry feizay i Jodà sy i Israely tamin’ny andro rehetra niainan’i Salômôna. Samy teo ambanin’ny voalobony sy ny aviaviny avy, hatrany Dàna ka hatrany Bersabea.


handry feizay ianao, ka tsy hisy mpanabataba, ary maro no hanafosafo ny tavanao.


Aoka hahavokatra fiadanana ho an’ny vahoaka ny tendrombohitra, torak’izany ny havoana, amin’ny fahamarinana.


Tsy hisy hatahorana na ny fampatahorana tonga tampoka, na ny famelezana avy amin’ny ratsy fanahy.


fa raha manohitra sy miodina kosa ianareo, dia ho levonin’ny sabatra; fa efa niteny ny vavan’i Iaveh.


Ny tanànan’i Aroera ilaozana, nafoy ho an’ny biby fiompy izy, ka mijanona ao tsy misy mampiala azy.


Amin’izany andro izany - teny ton’i Iavehn’ny tafika,- hotsoahana ilay fantsika natsatoka amin’ny fitoerana mafy; hombotana izy ka hianjera, dia ho levona ny entana nahantona taminy; fa efa niteny i Iaveh.


Nitady Anao izy, nony azom-pahoriana, ry Iaveh ô, noborahiny ny fitarainany, raha nokapohinao izy.


Ary ny ho vokatry ny fahamarinana dia ny fitsaharana sy ny fandriam-pahalemana mandrakizay.


Aza mihaino an’i Ezekiasa ianareo fa izao no tenin’ny mpanjakan’i Asiria: Manaova fanekem-pivavahana amiko, ary maneke ahy ianareo, dia samy hihinana ny voaloboka aman’aviaviny, sy hisotro ny rano eo amin’ny dobo famorian-dranony avy ianareo;


Dia hiseho ny voninahitr’i Iaveh, ka ho hitan’ny nofo rehetra tsy an-kavanavaka fa ny vavan’i Iaveh no efa niteny.»


Hatao miorina tsara amin’ny fahamarinana ianao; aoka ho lavitra anao anie ny fanahiana, fa tsy manan-katahorana ianao; ho lavitra anao anie ny fampahatahorana, fa tsy hanakaiky anao izany.


dia hahita fahafinaretana ao amin’i Iaveh ianao amin’izany; sady hasandratro toy ny mpandresy, eo amin’ny avo amin’ny tany, sy hampiaraniko amin’ny lovan’i Jakôba rainao; fa ny vavan’i Iaveh no efa niteny.


Ary hanangana mpiandry izay hiandry azy Aho; ka tsy hanan-tahotra na vadi-po intsony izy; sady tsy hisy diso tsy eo, na dia iray aza, - teny marin’i Iaveh. -


Koa aza matahotra ianao, ry Jakôba, mpanompoko, - teny marin’i Iaveh, - ary aza manam-badi-po, ry Israely. Fa indro Aho hanaisotra anao any an-tany lavitra, sy ny taranakao, avy any amin’ny tany nahababo azy. Dia ho tafaverina i Jakôba, ka hiadana, handry feizay, tsy hisy mpanabataba azy.


Hanao fanekem-pihavanana amin’izy ireo Aho; hofoanako tsy hisy amin’ny tany, ny biby masiaka; handry feizay izy any an’efitra; ary hatory any anaty ala.


Ny firenena tsy hamabo azy intsony; ny bibin’ny tany tsy hihinana azy intsony ary handry feizay, tsy hisy hanaitaitra azy izy.


Ianao hilaza hoe: «Hiakatra aho hamely izany tany misokatra izany, ho avy aho ho ao amin’ireo olona miadana sy mandry feizay ireo, izay samy manana fonenana tsy mimanda avy, tsy manana hidy, na vavahady akory.


Hitondra ny fahafaham-barakany izy, mbamin’ny fivadihany rehetra nataony tamiko, raha avy izay handriany feizay eo amin’ny taniny, ka tsy hisy mpanaitaitra intsony.


Hasiako fiadanana eo amin’ny tany, ka handry tsy hisy hanaitra ianareo. Ny biby masiaka hofongorako amin’ny tany; ary ny sabatra tsy hamakivaky ny taninareo.


Ho mafy fijoro izy, ka hiandry ny ondriny, amin’ny herin’i Iaveh, amin’ny fiandrianan’ny Anaran’i Iaveh Andriamaniny; ary handry feizay ny olona, fa ho lehibe izy amin’izay, hatrany amin’ny faran’ny tany.


Ny sisa amin’i Israely dia tsy hanao ny tsy marina, na hilaza lainga, ary tsy hahitana eo am-bavany intsony izay lela mandainga. Fa hihinana sy handry feizay izy ireo, ary tsy hisy olona hanaitaitra azy.


Amin’izany andro izany, - teny marin’i Iavehn’ny tafika, - samy hifanasa avy ianareo, eo ambanin’ny voaloboka sy eo ambanin’ny aviavy.