Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Isaia 40:5 - Baiboly Katolika

5 Dia hiseho ny voninahitr’i Iaveh, ka ho hitan’ny nofo rehetra tsy an-kavanavaka fa ny vavan’i Iaveh no efa niteny.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

5 Dia hiseho ny voninahitry NY TOMPO ary hiara-mahita izany ny nofo rehetra; fa ny vavan’NY TOMPO no efa niteny.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

5 Dia hiseho ny voninahitry ny TOMPO, ka hiara-mahita izany ny olona rehetra. Fa ny vavan’ny TOMPO mihitsy no efa niteny.»

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

5 Dia hiseho ny voninahitry ny TOMPO, ka hiara-mahita izany ny olona rehetra. Fa ny vavan’ny TOMPO mihitsy no efa niteny.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

5 Dia hiseho ny voninahitr’i Jehovah, Ary ny nofo rehetra hiara-mahita izany; Fa ny vavan’i Jehovah no efa niteny.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

5 Dia hiseho ny voninahitr'i Jehovah, ary ny nofo rehetra hiara-mahita izany; Fa ny vavan'i Jehovah no efa niteny.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

5 Dia hiseho ny voninahitry NY TOMPO ary hiara-mahita izany ny nofo rehetra; fa ny vavan’NY TOMPO no efa niteny.

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 40:5
39 Rohy Ifampitohizana  

Ka ny tamingan’i Jerôbôama maty an-tanàna hohanin’ny alika; ary izay maty an-tsaha hohanin’ny voromanidina; satria efa niteny i Iaveh.


Amin’izay dia hanaja ny Anaran’i Iaveh ny firenena, ary hanaja ny fiandriananao ny mpanjaka rehetra amin’ny tany


Fa i Iaveh nanangana an’i Siôna indray, niseho tamin’ny voninahiny Izy;


Hisaorana mandrakizay anie ny Anarany be voninahitra! Ho feno ny voninahiny anie ny tany rehetra. Amen! Amen!


Manoloana Azy ny famirapiratana amam-pahalehibeazana; ao amin’ny fitoerany masina ny hery amam-piandrianana.


Ny lanitra mitory ny fahamarinany, ary ny firenena rehetra mibanjina ny voninahiny.


ary ho hitanareo raha maraina ny voninahitr’i Iaveh, satria reny ny fimonomononanareo tamin’i Iaveh, fa izahay moa no inona no izahay no imonomononanareo?»


fa raha manohitra sy miodina kosa ianareo, dia ho levonin’ny sabatra; fa efa niteny ny vavan’i Iaveh.


Tsy hisy hampidi-doza na handrava, eran’ny tendrombohitra masina, satria ny tany ho feno fahalalana an’i Iaveh, toy ny fanambanin’ny ranomasina, feno ny rano manarona azy.


Nampitomboinao ny firenena, ry Iaveh, nampitomboinao ny firenena sy nahariharinao ny voninahitrao; nitarinao halalaka ny faritry ny tany.


Izahao ao amin’ny bokin’i Iaveh ka vakio: Tsy misy tsy ao ireo na dia iray aza, na ity na itsy tsy misy tsy tonga ao. Fa ny vavan’i Iaveh no efa nandidy izany, ary ny fofon’ainy no nanangona azy.


ary hamony tahaka ny narsisa; hirakotra voninkazo sy hientan-kafaliana ary hanao hoby firavoravoana izy. Homena azy ny voninahitr’i Libàna mbamin’ny hakanton’i Karmely sy i Sarôna. Izy ireo hahita ny voninahitr’i Iaveh, sy ny famirapiratan’ny Andriamanitsika.


Aoka ny lohasaha rehetra hasandratra; ny tendrombohitra aman-kavoana rehetra haetry; ny avo hanjary tany lemaka; ary ny vato mideza ho lembalemba.


Mba ho hitany sy fantany ary hodinihiny sy hiarahany mahalala, fa ny tanan’i Iaveh no nanao izany, ary ilay Masin’i Israely no nahary izany.


Hoy Izy: «Mbola zavatra kely foana ny maha-Mpanompoko anao, hanangana ny firenen’i Jakôba indray, sy hampody ireo sisa voatahiry amin’i Israely; fa hatsangako ho fahazavan’ny firenena ianao, mba hitaran’ny famonjeko hatramin’ny faran’ny tany.»


Nasehon’i Iaveh ny sandrin’ny fahamarinany, hiharihary eo imason’ny firenena rehetra. Ary ny faran’ny tany rehetra, hahita ny famonjen’ny Andriamanitsika.


dia hahita fahafinaretana ao amin’i Iaveh ianao amin’izany; sady hasandratro toy ny mpandresy, eo amin’ny avo amin’ny tany, sy hampiaraniko amin’ny lovan’i Jakôba rainao; fa ny vavan’i Iaveh no efa niteny.


Niantso mafy izy ireo, nifamaly ka nanao hoe: «Masina, masina, masina i Iavehn’ny tafika! feno ny voninahiny ny tany rehetra.»


Mitsangàna, ka mamirapiràta! fa miposaka ny fahazavanao; ary miposaka eo aminao, ny fahazavan’i Iaveh.


Fa amin’ny afo no anaovan’i Iaveh ny fitsarana, ary ny sabany no ampiharany azy amin’ny nofo rehetra; ary maro no ho voagorobak’i Iaveh.


Fa Izaho mahalala ny asany aman-kevitr’izy ireo! Tonga ny fotoana hamoriana ny firenena rehetra mbamin’ny samy hafa fiteny rehetra. Ho avy izy ireo ka hahita ny voninahitro,


Isaky ny voalohan’ny volana isaky ny voalohan’ny volana, sy isan-tsabata isan-tsabata, ho avy hiankohoka eo anatrehako ny nofo rehetra, hoy i Iaveh.


Izaho no Iaveh Andriamanitry ny nofo rehetra; moa amiko va hisy zavatra tsy azo atao?


Dia hoy i Iaveh: «Satria izy ireo nahafoy ny lalàko, izay nataoko teo anoloany; tsy nihaino ny feoko, sy tsy nanaraka izany.


Samy hipetraka eny ambany voalobony avy izy; sy eny ambanin’ny aviaviny; tsy hisy olona hanelingelina azy akory; fa ny vavan’i Iavehn’ny tafika no efa niteny.


Fa ny tany ho feno ny fahalalana ny voninahitr’i Iaveh, toy ny fandrakotry ny rano ny fanambanin’ny ranomasina.


Fa indro Aho manetsika ny tanako eo ambonin’ireny, ka izy ireo ho tonga remby ho an’ireo manompo azy; ary ianareo, hahalala fa i Iavehn’ny tafika no naniraka ahy.


dia fahazavana hanilo ny Jentily sady voninahitr’i Israely olonao.»


dia hahita ny famonjen’Andriamanitra ny nofo rehetra.»


Ary ny Teny dia tonga nofo, ka nonina tatỳ amintsika; ary nibanjina ny voninahiny izahay, dia voninahitra tahaka izay zakain-Janaka Lahy tokana avy amin’ny Rainy, sady feno fahasoavana sy fahamarinana Izy.


I Izaia no nilaza izany dia nahita ny voninahitry ny Tompo izy, ka nanambara Azy.


fa efa nomenao fahefana amin’ny nofo rehetra Izy, mba hanomezany ny fiainana mandrakizay an’izay rehetra nomenao Azy.


Amin’ny andro farany, hoy ny Tompo, dia handrotsahako amin’ny nofo rehetra ny Fanahiko, ka haminany ny zanaka lahinareo sy ny zanaka vavinareo, ary hahita tsindry mandry ny zatovonareo ary hanonofy ny antidahinareo;


Koa isika rehetra dia tsy mba voasaron-tava, fa mibanjina ny voninahitry ny Tompo toy ny amin’ny fitaratra; sady ovan’Izy Tompo izay fanahy, handray izany endrika izany sy hitombo fahazavana lalandava.


Satria, Andriamanitra izay nandidy hoe: «Aoka ny maizina no hiposahan’ny mazava» no nanazava ny fonay, mba hampahazavanay ny fahalalana ny voninahitr’Andriamanitra, izay mitaratra amin’ny tavan’i Kristy.


Io Zanany io izay famirapiratan’ny voninahiny, sy mariky ny Tenany, ary manohana ny zavatra rehetra amin’ny herin’ny teniny, dia mipetraka eo ankavanan’ny fiandrianany masina any amin’ny avo indrindra nony avy nanao ny fanadiovana ny fahotantsika.


Tsy mila masoandro ny tanàna, na volana hanazava azy, fa ny voninahitr’Andriamanitra no mamirapiratra ao aminy, ary ny Zanak’ondry no fanilony.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra