Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Isaia 36:16 - Baiboly Katolika

16 Aza mihaino an’i Ezekiasa ianareo fa izao no tenin’ny mpanjakan’i Asiria: Manaova fanekem-pivavahana amiko, ary maneke ahy ianareo, dia samy hihinana ny voaloboka aman’aviaviny, sy hisotro ny rano eo amin’ny dobo famorian-dranony avy ianareo;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

16 Aza mihaino an’i Hezekia ianareo, fa izao no lazain’ny mpanjakan’i Asiria: Mihavàna amiko ianareo ka mankanesa atỳ amiko! Ary samia homana ny voalobony sy ny aviaviny avy ianareo, ary samia misotro ny rano avy amin’ny lavaka famorian-dranony

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

16 Aza mihaino an’i Hezekià ianareo, fa izaho mpanjakan’i Asiria kosa miteny aminareo hoe: Manaova fanekempihavanana amiko ianareo ary samia mibaboka atỳ amiko; dia samy hihinana ny voalobony sy ny aviaviny ary samy hisotro ny rano avy ao amin’ny lava-pantsakany avy,

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

16 Aza mihaino an’i Hezekià ianareo, fa izaho mpanjakan’i Asiria kosa miteny aminareo hoe: Manaova fanekempihavanana amiko ianareo ary samia mibaboka atỳ amiko; dia samy hihinana ny voalobony sy ny aviaviny ary samy hisotro ny rano avy ao amin’ny lava-pantsakany avy,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

16 Aza mihaino an’i Hezekia hianareo; fa izao no lazain’ny mpanjakan’i Asyria: Manaova fanekena amiko hiadananareo, ka mankanesa atỳ amiko, ary samia homana ny voalobony sy ny aviaviny, ary samia misotro ny rano avy amin’ny lavaka famorian-dranony avy hianareo,

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

16 Aza mihaino an'i Hezekia ianareo; fa izao no lazain'ny mpanjakan'i Asyria: Manaova fanekena amiko hiadananareo, ka mankanesa atỳ amiko, ary samia homana ny voalobony sy ny aviaviny, ary samia misotro ny rano avy amin'ny lavaka famorian-dranony avy ianareo,

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 36:16
16 Rohy Ifampitohizana  

dia ataovy hoe: ‹Indro, i Jakôba, mpanomponao, tamy ao aorianay ao koa!› » Fa hoy izy anakampony: «Hotoneko amin’ireo fanomezana eo alohako ireo ny fahatezerany, vao hahita ny tavany aho, ka angamba horaisiny tsara aho.»


Koa raiso ny fanatitro izay nentina teny aminao; fa efa nanisy soa ahy Andriamanitra, ka tsy orin’inon’inona aho.» Dia notereny mafy teo i Esao, ka nandray.


Nametrahan’i Davida miaramila mponina i Sirian’i Damasa, ka tonga mpanompon’i Davida nanatitra hetra ny Sirianina. Nomen’i Iaveh an’i Davida ny fandresena, tany amin’izay rehetra nalehany.


Maro toy ny fasika eny amoron-dranomasina i Jodà sy i Israely; ary nihinana sy nisotro sy nirobiroby.


Aza mihaino an’i Ezekiasa fa izao no lazain’ny mpanjakan’i Asiria: Manaova fanekem-pihavanana amiko ka maneke ahy ianareo, dia samy hihinana ny voaloboka aman’aviavinareo, samy hisotro ny rano ao am-pantsakanareo,


Dia niverina nankao amin’ilay olon’Andriamanitra izy mbamin’izay rehetra nomba azy. Ka nony tonga dia nandroso teo anatrehany, nanao hoe: «Indro hitako tsara izao, fa tsy misy Andriamanitra amin’ny tany rehetra hafa-tsy eto amin’i Israely ihany! Koa ankehitriny dia aoka handray ny fanatitra avy amin’ny mpanomponao ianao.»


Izay mitahiry ny aviaviny hihinana ny voany; ary izay miaro ny tompony homem-boninahitra.


Ny rano avy amin’ny lavaka famorian-dranonao no sotroy, ny rano mandeha avy amin’ny fantsakanao.


mandra-piaviko hitondra anareo, ho any amin’ny tany toy ny anareo, dia tany misy vary aman-divay, tany misy mofo amam-boaloboka.


Samy hipetraka eny ambany voalobony avy izy; sy eny ambanin’ny aviaviny; tsy hisy olona hanelingelina azy akory; fa ny vavan’i Iavehn’ny tafika no efa niteny.


Amin’izany andro izany, - teny marin’i Iavehn’ny tafika, - samy hifanasa avy ianareo, eo ambanin’ny voaloboka sy eo ambanin’ny aviavy.


Koa nataoko fa ilaina ny nangataka ireo havana iray finoana hialoha anay ho atỳ aminareo, mba hampamonona rahateo ny fiantrana nampanantenainareo, sady haha-tena fiantrana azy tokoa, fa tsy ho fahihirana.


Ka hoy ny loholon’i Jabesy taminy: «Mba omeo andro hafitoana àry izahay handefasanay iraka ho any amin’ny faritanin’i Israely rehetra; ka raha tany tsy misy olona hamonjy anay, dia hitolo-tena aminao izahay.»


Izao fanatitra entin’ny mpanomponao amin’ny tompoko izao, dia raiso ary aoka hozaraina amin’ny zatovo manaraka ny tompoko.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra