Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mika 4:4 - DIEM PROTESTANTA

4 Ny olona samy hipetraka eo anivon’ny voalobony sy aviaviny ka tsy hisy hampahatahotra azy.» Ny TOMPO Andriamanitr’izao rehetra izao, no mampanantena izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

4 Samy hipetraka eny ambanin’ny voalobony sy ny aviaviny izy, ary tsy hisy hampihorohoro azy, fa ny vavan’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, no niteny.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

4 Ny olona samy hipetraka eo anivon’ny voalobony sy aviaviny ka tsy hisy hampahatahotra azy.» Ny TOMPO Andriamanitr’izao rehetra izao, no mampanantena izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

4 Samy hipetraka eny ambany voalobony avy izy; sy eny ambanin’ny aviaviny; tsy hisy olona hanelingelina azy akory; fa ny vavan’i Iavehn’ny tafika no efa niteny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

4 Fa samy hipetraka eny ambanin’ny voalobony sy ny aviaviny izy, Ary tsy hisy hanaitaitra azy; Fa ny vavan’i Jehovah, Tompon’ny maro, no efa niteny.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

4 Fa samy hipetraka eny ambanin'ny voalobony sy ny aviaviny izy, Ary tsy hisy hanaitaitra azy; Fa ny vavan'i Jehovah, Tompon'ny maro, no efa niteny.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

4 Samy hipetraka eny ambanin’ny voalobony sy ny aviaviny izy, ary tsy hisy hampihorohoro azy, fa ny vavan’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, no niteny.

Jereo ny toko dika mitovy




Mika 4:4
25 Rohy Ifampitohizana  

Ary nandry feizay i Joda sy i Israely tamin’ny andro rehetra niainan’i Salômôna; fa samy niadam-pinaritra teo anivon’ny voalobony sy ny aviaviny ny olona hatreo Dana ka hatrany Beera-Seba.


Tsy hisy hanelingelina ny fialan-tsasatrao, fa maro aza no hila sitraka aminao.


Koa fanambinana sy rariny ho an’ny vahoaka anie no hovokarin’ny tendrombohitra sy ny havoana!


Aza manahy ny fampitahoran’ireo adala na ny famelezan’ny olon-dratsy, raha tonga izany.


Fa raha mandà kosa ianareo ka mikomy, dia ny sabatra no handripaka anareo.» Izany no nambaran’ny TOMPO.


Ho lao mandrakizay mandrakizay ireo tanàna manodidina azy, ka ho tonga fitobian’ny ondry aman’osy ary handry am-pilaminana ao ireny, fa tsy hisy mpanelingelina azy.


«Amin’izany andro izany, hoy ny teny hentitry ny TOMPOn’izao rehetra izao, dia hiletsy ilay tsatòka natsatoka teo amin’ny toerana mafy; hiala izy ka hianjera, ary ho vaky avokoa ireo entana rehetra nahantona teo.» Izany no nambaran’ny TOMPO.


TOMPO ô, fony azom-pahoriana izahay, dia nitady Anao tokoa; ary niantso vonjy taminao izahay, rehefa voaterin’ny famaizanao.


Fiadanana no ho vokatry ny hitsiny; ary filaminana sy fandriampahalemana no haterany hatrany hatrany.


Aza mihaino an’i Hezekià ianareo, fa izaho mpanjakan’i Asiria kosa miteny aminareo hoe: Manaova fanekempihavanana amiko ianareo ary samia mibaboka atỳ amiko; dia samy hihinana ny voalobony sy ny aviaviny ary samy hisotro ny rano avy ao amin’ny lava-pantsakany avy,


Dia hiseho ny voninahitry ny TOMPO, ka hiara-mahita izany ny olona rehetra. Fa ny vavan’ny TOMPO mihitsy no efa niteny.»


Hitombina mafy amin’ny fahamarinana ianao: hampanalaviriko anao ny famoretana, ka tsy hatahotra na inona na inona intsony ianao; hampanalaviriko anao ny fampihorohoroana, ka tsy hananontanona anao intsony.


dia ho tonga loharanom-pifaliana ho anao Aho. Izaho TOMPO no hitondra anao ho mpandresy eny an-tendron-kavoan’ilay tany ka hampanaram-po anao amin’ny lovan’i Jakôba razanao. Fa ny vavako no mampanantena izany.»


Hanendry mpiandry mahafatra-po ho azy Aho, ka tsy hanan-tahotra na horohoro intsony izy, ary tsy hisy ho banga amin’ny fiantsoana. Izany no teny hentitra avy amiko TOMPO.»


«Koa aza matahotra ianareo, ry taranak’i Jakôba mpanompoko, hoy ny teny hentitry ny TOMPO; aza kivy ianao, ry firenena Israely, fa indro Aho hamonjy anao avy any amin’ny faritany lavitra any; indro Aho hamonjy ireo taranakareo avy any amin’ny tany izay nahababo azy. Hiverina ianareo, ry taranak’i Jakôba, ka hiadana sy handry feizay fa tsy hisy hanaitaitra intsony.


«Hanao fanekempihavanana amin’ny andianondriko Aho: Hofoanako tsy ho eo amin’ny tany ny biby masiaka ka honina am-pilaminana any an-taniefitra izy ary handry any an’ala aza.


Tsy ho babon’ny hafa firenena na ho rembin’ny bibidia intsony izy, fa honina am-pilaminana, ka tsy hisy hampatahotra azy.


Hanapa-kevitra ianao fa hiakatra hamely ireo olona finaritra miaina am-pilaminana avokoa ao amin’ny tany izay tsy mba misy tanàna voahodidina manda na manana vavahady mihidy.


Amin’izay dia hohadinoiny ny fahafaham-baràka nanjo azy noho ny hadisoana rehetra nataony tamiko. Hiaina indray am-pilaminana eo amin’ny taniny izy ka tsy hisy hanaitaitra azy.


Hasiako fiadanana eo amin’ny tany, ka handry tsy hisy hanaitra ianareo; fa hofongorako ny biby masiaka eo amin’ny tany, ary tsy mba handalovan’ady intsony izy.


Ary hitsangana hitondra ny vahoaka izany mpanapaka nampanantenaina izany, hombàn’ny hery sy heniky ny famirapiratana avy amin’ny TOMPO Andriamaniny. Dia handry feizay ny vahoakany, satria ho lehibe hatrany am-paran’ny tany izany mpanapaka izany:


Ny sisa velona amin’ny vahoaka Israely dia tsy hanao heloka na hilaza lainga intsony, ary tsy hanao teny mamitaka intsony. Fa hihinana sy handry feizay izy ka tsy hisy hampatahotra azy.»


Amin’izany andro izany ianareo dia samy ho finaritra hifanasa ho eo ambany voaloboka aman’aviavinareo, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPOn’izao rehetra izao.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra