Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mika 4:5 - DIEM PROTESTANTA

5 Ny firenen-kafa rehetra samy mankato ny andriamaniny avy; fa isika kosa mankatò ny TOMPO Andriamanitsika, mandrakizay doria.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

5 Ny firenena rehetra dia samy mandeha amin’ny anaran’ny andriamaniny avy, fa isika kosa dia handeha amin’ny anaran’NY TOMPO Andriamanitsika mandrakizay doria.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

5 Ny firenen-kafa rehetra samy mankato ny andriamaniny avy; fa isika kosa mankatò ny TOMPO Andriamanitsika, mandrakizay doria.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

5 Satria ny firenena rehetra samy mandeha amin’ny anaran’ny andriamaniny avy, ary isika mandeha amin’ny Anaran’i Iaveh, Andriamanitsika mandrakizay dia ho mandrakizay.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

5 Fa ny firenena rehetra samy mandeha amin’ny anaran’ny andriamaniny avy; Fa isika kosa handeha amin’ny anaran’i Jehovah Andriamanitsika mandrakizay doria.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

5 Fa ny firenena rehetra samy mandeha amin'ny anaran'ny andriamaniny avy; Fa isika kosa handeha amin'ny anaran'i Jehovah Andriamanitsika mandrakizay doria.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

5 Ny firenena rehetra dia samy mandeha amin’ny anaran’ny andriamaniny avy, fa isika kosa dia handeha amin’ny anaran’NY TOMPO Andriamanitsika mandrakizay doria.

Jereo ny toko dika mitovy




Mika 4:5
19 Rohy Ifampitohizana  

Rehefa feno 99 taona i Abrama, dia nisehoan’ny TOMPO ka nitenenany hoe: –Izaho no Andriamanitra Tsitoha; aoka handeha eo anatrehako ianao sady tsy hanan-tsiny;


Kanefa mbola samy nanao sarivongan’ny andriamaniny avy ny isam-pirenena ka nametraka izany tao amin’ireo tranon’ny toeram-panasinana, trano izay namboarin’ny mponina taloha tany Samaria; eny, samy nanao izany avokoa ny isam-pirenena tao amin’ny tanàna nitoerany:


Ny taranak’ireo vahiny ireo dia mbola manarakaraka izany fomba tranainy izany mandraka androany, fa tsy tena manaja marina ny TOMPO. Samy tsy tena arahiny na ny fomban-drazany, na ny lalàna sy ny didy izay nandidian’ny TOMPO ny taranak’i Jakôba, dia ilay Jakôba nomeny anarana hoe Israely.


Dia hanaovanay fihobiana ny fandresena ho azonao; ary hahofahofanay ny faneva ho voninahitry ny Andriamanitsika. Eny, hotanterahin’ny TOMPO anie izay rehetra angatahinao aminy!


banjino tsara ny màndany, ary diniho fatratra ny lapany; dia ho azonareo tantaraina amin’ny taranaka any aoriana


Tompo ANDRIANANAHARY ô, hiditra ao an-tranonao aho, satria Ianao nirotsaka an-tsehatra nomba ahy; ary dia ny fahamarinanao irery no hotsahiviko.


Ry taranak’i Jakôba, avia, aoka isika handeha amin’ny fahazavàn’ny TOMPO!


Ry TOMPO Andriamanitray ô, tompo maro no efa notompoinay talohanao; nefa ny anaranao ihany no satrinay hotsaroana.


Eny, lalana atoron’ny didim-pitsaranao no anantenanay Anao, TOMPO ô. Ny hanonona ny anaranao sy hahatsiaro Anao no hetahetam-ponay.


Hanao fanekempihavanana mandrakizay aminy Aho ka tsy hampitsahatra ny fanasoavako azy, ary hataoko ao am-pony ny fanajana Ahy mba tsy hialany amiko intsony.


Dia Izaho Tompo no ho herin’ny vahoakako; ary amin’ny anarako no hifampiarahabany. Izaho Tompo no manao izany teny hentitra izany».


Tamin’ny andro lasa dia navelan’Andriamanitra samy hanaraka ny lalana mahadiavolana ny fony avy ny firenena rehetra;


Koa henoy ny feon’ny TOMPO Andriamanitrareo ary tanteraho ny didy aman-dalàny izay ampitaiko aminareo anio.


Noho ianareo efa nandray an’i Kristy Jesoa ho Tompo, dia manaova fitondrantena toy ny olona tafaray aminy.


Ary ny zavatra rehetra, lazainareo na ataonareo, dia tontosao avokoa amin’ny anaran’i Jesoa Tompo ka isaory an’Andriamanitra Ray amin’ny alalany.


Nefa raha tàhiny tsy sitrakareo ny hanompo ny TOMPO, dia fidio anio izay hotompoinareo, na ny andriamanitra izay notompoin’ny razanareo tany ampitan’i Eofrata na ny andriamanitry ny Amôrita izay mponina teto amin’ny tany onenanareo; fa izaho sy ny ankohonako kosa dia hanompo ny TOMPO izahay.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra