Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mika 4:6 - DIEM PROTESTANTA

6 Hoy ny teny hentitry ny TOMPO hoe: «Amin’izany andro izany dia hangoniko indray ny saozanina, hovorîko indray izay niely sy nampahorîko.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

6 Amin’izany andro izany, hoy NY TOMPO, no hanangonako ny mandringa sy hamoriako izay noroahina mbamin’izay nampahoriko.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

6 Hoy ny teny hentitry ny TOMPO hoe: «Amin’izany andro izany dia hangoniko indray ny saozanina, hovorîko indray izay niely sy nampahorîko.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

6 Amin’izany andro izany, - teny marin’i Iaveh, - horaisiko ny mandringa, hovoriko ny efa mihahaka, sy izay efa nasiako mafy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

6 Amin’izany andro izany, hoy Jehovah, No hanangonako ny mandringa Sy hamoriako izay noroahina Mbamin’izay nampahoriko;

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

6 Amin'izany andro izany, hoy Jehovah, No hanangonako ny mandringa Sy hamoriako izay noroahina Mbamin'izay nampahoriko;

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

6 Amin’izany andro izany, hoy NY TOMPO, no hanangonako ny mandringa sy hamoriako izay noroahina mbamin’izay nampahoriko.

Jereo ny toko dika mitovy




Mika 4:6
16 Rohy Ifampitohizana  

Manangana an’i Jerosalema ny TOMPO: ao no hamoriany izay efa niely tamin’i Israely.


Fa izao no vavaka nataoko taminao: «Aza avela ho fanesom-pahavalo aho; ary aoka tsy hirehaka ireo, raha sendra mivoana ny famindrako!»


Izaho Tompo ANDRIANANAHARY, Ilay nanangona ny vahoaka Israely tafaely, dia mbola manao teny hentitra hoe: ‹Efa nanangona Aho, nefa mbola hanangona hafa koa›. »


Hankany amin’izay nielezan’ny vahoakan’i Israely ny vahoakan’i Joda ka hiara-miverina avy any amin’ny tany avaratra izy roa tonta ary hankany amin’ny tany izay nomeko ny razany ho fananany.


«Haveriko avy any an-tany avaratra izy ary hangoniko avy any am-bazan-tany. Ao avokoa mbamin’ny jamba sy ny mandringa, ary ny bevohòka sy ny tera-bao. Eny, vahoaka be no hiverina.


«Fa halaiko avy any amin’ny firenen-kafa ianareo ary hangoniko avy any amin’ny tany rehetra any, dia haveriko ao an-tanindrazanareo.


Hoy ny Tompo hoe: «Hangoniko tokoa ianareo rehetra, ry taranak’i Jakôba; hovorîko tokoa ianareo sisa velona amin’ny Israely. Hatambatro ho iray tahaka ny ondry ao am-balany ianareo, tahaka ny ondry andiany eny an-tsaha fiandrasana azy no hisian’ny olona maro hifanaretsaka eto.»


Indro tonga ny fotoana hamelezako izay rehetra nampahory anareo. Hotsaboiko ny maratranareo, hampodîko ny voasesitany; eny, havadiko ho voninahitra sy laza ny fanaovana tsinontsinona anareo tany amin’ny tany rehetra.


Fa ny hitady sy hamonjy izay very no nahatongavan’ny Zanak’olona!


Manana ondry hafa izay tsy avy amin’ity vala ity aho; ireny koa dia tsy maintsy tarihiko, ka hihaino ny feoko ary ho tonga andiany tokana entin’ny mpiandry tokana.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra