Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mika 4:7 - DIEM PROTESTANTA

7 Ny saozanina sisa tavela hataoko mahery, ireo voasesitany hataoko firenena matanjaka. Ka Izaho TOMPO no hanjaka aminy ao an-tendrombohitra Tsiôna, hatrizao ka ho mandrakizay.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

7 Ny mandringa no havelako ho sisa, ary izay noroahina lavitra no ho firenena matanjaka. NY TOMPO hanjaka aminy ao amin’ny tendrombohitra Ziona manomboka amin’izany ka ho mandrakizay.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

7 Ny saozanina sisa tavela hataoko mahery, ireo voasesitany hataoko firenena matanjaka. Ka Izaho TOMPO no hanjaka aminy ao an-tendrombohitra Tsiôna, hatrizao ka ho mandrakizay.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

7 Ny mandringa hataoko ho sisa, ary ny lasa lavitra ho firenena mahery; ka i Iaveh hanjaka amin’izy ireo ao an-tendrombohitra Siôna hatramin’izay ka ho mandrakizay.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

7 Ary ny mandringa no hapetrako ho sisa, Ary izay noroahina lavitra ho firenena mahery; Ary Jehovah hanjaka aminy ao an-tendrombohitra Ziona Hatramin’izany ka ho mandrakizay.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

7 Ary ny mandringa no hapetrako ho sisa, Ary izay noroahina lavitra ho firenena mahery; Ary Jehovah hanjaka aminy ao an-tendrombohitra Ziona Hatramin'izany ka ho mandrakizay.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

7 Ny mandringa no havelako ho sisa, ary izay noroahina lavitra no ho firenena matanjaka. NY TOMPO hanjaka aminy ao amin’ny tendrombohitra Ziona* manomboka amin’izany ka ho mandrakizay.

Jereo ny toko dika mitovy




Mika 4:7
32 Rohy Ifampitohizana  

«Izaho no manendry Azy ho mpanjaka eo Tsiôna tendrombohitro masina!»


dia ny fitiavana nasehonao no hanorenana mafy ilay sezafiandrianana ho an’ny taranak’i Davida; hisy mpitsara hipetraka eo sady hombàm-pahamarinana ka hitandro ny rariny sy ho fatra-pandala ny hitsiny.»


Amin’izay noho ny henatra dia hivoaramena ny volana ary hivaloarika ny masoandro; fa ny TOMPOn’izao rehetra izao no hanjaka ao Jerosalema, eo an-tendrombohitra Tsiôna, sady hamirapira-boninahitra eo anatrehan’ireo loholony.


Raha misy ampahafolon-tany tsy tratry ny loza aza, dia mbola hodorana amin’ny afo ihany koa izany; saingy ho tahaka ny hazo terebinta na ny ôaka izay mamela fototra ihany na voakapa aza. Kanefa avy amin’izany fototra tavela izany no hisian’ny taranaka masina indray.


Ny fianakaviana kely indrindra ho tonga olona arivo, ary ny fianakaviana osa indrindra hanjary firenena mahery. Izaho TOMPO mihitsy no hanafaingana izany amin’ny fotoana tokony hahatongavany.


Iza no efa nandre sy nahita zavatra toy izany? Tany anankiray ve hateraka indray andro monja? ary firenena iray ve ho azo atao indray miteraka? Kanefa izany no niseho tamin’i Tsiôna: vao nihetsi-jaza izy, dia teraka ireo zanany.


Ary hoy ny Tompo tamiko: «Ry ilay taranak’olombelona, ity toerana ity no misy ny sezafiandrianako, eto no fametrahako ny tongotro. Eto no honenako mandrakizay eo anivon’ny Israelita. Na ny vahoakan’i Israely na ny mpanjakany dia tsy hanala baràka ny anarako masina intsony amin’ny fanompoan-tsampy sy amin’ny fandevenana ny fatin’ireo mpanjakany eto.


«Amin’ny andron’ireo mpanjaka ireo ilay Andriamanitry ny lanitra no hanangana fanjakana izay tsy ho rava na oviana na oviana; ary ny fiandrianany tsy ho lasan’ny firenen-kafa. Io fanjakana io no hanorotoro sy handevona ireo fanjakana rehetra talohany, fa izy kosa hitoetra mandrakizay.


Koa ankehitriny, izaho Nebokadnetsara dia midera sy mankalaza ary manome voninahitra ilay Mpanjakan’ny lanitra; fa marina izay ataony rehetra, mahitsy ny asany rehetra. Ary hainy aetry aza izay mitondra tena amim-piavonavonana.


Ary nomena azy ny fanapahana sy ny voninahitra ary ny fanjakana, mba hanompo azy ny foko sy firenena ary ny samy hafa fiteny rehetra. Ny fanapahany dia haharitra mandrakizay ka tsy hanam-petra, ary ny fanjakany tsy ho rava na oviana na oviana.


Ny fahefà-manjaka sy ny fiandrianana ary ny fahalehibiazan’ny fanjakana rehetra eny ambanin’ny lanitra dia homena ny vahoakan’ilay Andriamanitra Avo Indrindra; ka ny fahefà-manjakan’io vahoaka io dia haharitra mandrakizay ary ny fiandrianana rehetra dia hanompo sy hankato azy.


rehefa afaka amin’ny fahababoana ireo, dia hiakatra ho ao an-tendrombohitra Tsiôna mba hifehy ny tendrombohitr’i Hesao. Amin’izay ny TOMPO mihitsy no ho mpanjaka.


Hoy ny Tompo hoe: «Hangoniko tokoa ianareo rehetra, ry taranak’i Jakôba; hovorîko tokoa ianareo sisa velona amin’ny Israely. Hatambatro ho iray tahaka ny ondry ao am-balany ianareo, tahaka ny ondry andiany eny an-tsaha fiandrasana azy no hisian’ny olona maro hifanaretsaka eto.»


Miakatra eo alohanareo ny mpamaky lalana; dia hamaky ny vavahady ianareo ary hivoaka ny tanàna. Izy TOMPO, mpanjakanareo, no mandeha mitarika eo alohanareo.


Ary hitsangana hitondra ny vahoaka izany mpanapaka nampanantenaina izany, hombàn’ny hery sy heniky ny famirapiratana avy amin’ny TOMPO Andriamaniny. Dia handry feizay ny vahoakany, satria ho lehibe hatrany am-paran’ny tany izany mpanapaka izany:


Tsy misy andriamanitra mitovy aminao, ry TOMPO mpanaisotra ny heloka. sy mpamela ny fahadisoana. Noho ireo sisa velona aminay vahoaka fanananao, dia tsy mitahiry fahatezerana mandrakizay Ianao fa tia maneho fitiavana aminay.


Ny sisa velona amin’ny vahoaka Israely dia tsy hanao heloka na hilaza lainga intsony, ary tsy hanao teny mamitaka intsony. Fa hihinana sy handry feizay izy ka tsy hisy hampatahotra azy.»


Amin’izany fotoana izany tokoa no hampodiako sy hamoriako anareo. Ho hitanareo fa hambiniko indray ianareo; homeko voninahitra sy laza ianareo any amin’ny firenena rehetra eto an-tany.»


dia hanjaka mandrakizay amin’ny vahoaka Israely Izy ary tsy hanam-pahataperana ny Fanjakàny.


Dia nitsoka trompetra ny anjely fahafito, ka nisy feo mahery tany an-danitra nanao hoe: «Efa lasan’ny Tompontsika sy ilay Mesiany ny fanjakana amin’izao tontolo izao, ka ho fanjakana maharitra mandrakizay izany!»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra