Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Mika 2:9 - Baiboly Katolika

Ny vehivavy eo amin’ny vahoakako roahinareo hiala amin’ny tranony tsy foiny; esorinareo eo amin’ny zanany madinika ny voninahitro hiala aminy mandrakizay.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ny vehivavy amin’ny oloko dia roahinareo hiala amin’ny tranony mahafinaritra; esorinareo hiala mandrakizay amin’ny zanany madinika ny voninahitra avy Amiko.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Ny vehivavy eo amin’ny vahoakako dia roahinareo hiala amin’ny trano tsy foiny; esorinareo hiala mandrakizay amin-janany ny hasambarana nomeko azy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ny vehivavy eo amin’ny vahoakako dia roahinareo hiala amin’ny trano tsy foiny; esorinareo hiala mandrakizay amin-janany ny hasambarana nomeko azy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ny vehivavy eo amin’ny oloko dia roahinareo hiala amin’ny tranony mahafinaritra; Esorinareo hiala mandrakizay amin’ny zanany madinika ny voninahitro.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ny vehivavy eo amin'ny oloko dia roahinareo hiala amin'ny tranony mahafinaritra; Esorinareo hiala mandrakizay amin'ny zanany madinika ny voninahitro.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ny vehivavy amin’ny oloko dia roahinareo hiala amin’ny tranony mahafinaritra; esorinareo hiala mandrakizay amin’ny zanany madinika ny voninahitra avy Amiko.

Jereo ny toko



Mika 2:9
14 Rohy Ifampitohizana  

Hisaorana mandrakizay anie ny Anarany be voninahitra! Ho feno ny voninahiny anie ny tany rehetra. Amen! Amen!


Ny laiko rava; ny kofehin-daiko, tapaka avokoa; ny zanako nandao ahy, tsy misy intsony izy ireo; tsy misy olona intsony, hanangana indray ny laiko, sy hanorina indray ny tranolaiko.


Haneho ny voninahitro eo amin’ny firenena Aho, ka ho hitan’ny firenena rehetra ny fitsarana hataoko sy ny tanako hahinjitro amin’izy ireo.


satria iriny mafy ny hahita ny vovo-tany eo an-dohan’ny olona ory; sy ataony izay hiketrahan’ny lalan’ny madinika; satria olo-mianaka izy samy mandeha amin’ny zazavavy iray ihany mba handotoany ny Anarako masina;


Tsiriritiny ny saha ka alainy, ny trano koa ka lasany; anaovany an-keriny avokoa ny olona mbamin’ny tranony, ny tompo mbamin’ny lovany.


Fa ny tany ho feno ny fahalalana ny voninahitr’i Iaveh, toy ny fandrakotry ny rano ny fanambanin’ny ranomasina.


Nanopy ny masoko aho, ka nahita: ka indro nisy lehilahy nitondra kofehy famolaina teny an-tanany.


Mila loza ianareo mpanora-dalàna sy Farisianina mpihatsaravelatsihy, fa hidianareo eo anoloan’ny olona ny fanjakan’ny lanitra; ka ny tenanareo tsy miditra, ny olona hiditra sakananareo.


Fa miseho ho manao fivavahana lavareny izy ireny, kanjo mihinana ny fananan’ny mpitondratena, ka vao mainka hohelohina mafimafy kokoa».


fa mifetsy ny fananan’ny mpitondratena amin’ny fivavahana lavareny ataony mba ho fieboana fotsiny, ka hohelohina mafimafy kokoa izy.»


Koa isika rehetra dia tsy mba voasaron-tava, fa mibanjina ny voninahitry ny Tompo toy ny amin’ny fitaratra; sady ovan’Izy Tompo izay fanahy, handray izany endrika izany sy hitombo fahazavana lalandava.


Satria, Andriamanitra izay nandidy hoe: «Aoka ny maizina no hiposahan’ny mazava» no nanazava ny fonay, mba hampahazavanay ny fahalalana ny voninahitr’Andriamanitra, izay mitaratra amin’ny tavan’i Kristy.


Ho sitraky ny mpanjaka tompoko anie ankehitriny ny hihaino ny tenin’ny mpanompony: Raha i Iaveh no nanesika anao hamely ahy, aoka hankasitrahiny ny hanitry ny fanatitra anankiray; fa raha olombelona kosa, aoka ho voaozona eo anatrehan’i Iaveh izy, satria efa nandroaka ahy izy izao, mba hanesotra amiko ny anjara-toerako amin’ny lovan’i Iaveh, nanao hoe: Mandehana manompo andriamani-kafa.