Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Marka 12:40 - Baiboly Katolika

40 Fa miseho ho manao fivavahana lavareny izy ireny, kanjo mihinana ny fananan’ny mpitondratena, ka vao mainka hohelohina mafimafy kokoa».

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

40 ary mandany ny tranon’ny mpitondratena ka manao vavaka lavareny mba ho fisehoana ivelany. Ireo dia hahazo fanamelohana mafimafy kokoa.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

40 Ataony tapitra ny fananan’ny mpitondratena, ary vavaka lavareny no mody ataony hisehosehoana: ireny olona ireny dia hohelohina mafimafy kokoa.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

40 Ataony tapitra ny fananan’ny mpitondratena, ary vavaka lavareny no mody ataony hisehosehoana: ireny olona ireny dia hohelohina mafimafy kokoa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

40 ary mandany ny tranon’ny mpitondratena ka manao vavaka lavareny mba ho fiolahana; ireo no hahazo fahamelohana mafimafy kokoa.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

40 ary mandany ny tranon'ny mpitondratena ka manao vavaka lavareny mba ho fiolahana; ireo no hahazo fahamelohana mafimafy kokoa.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

40 ary mandany ny tranon’ny mpitondratena ka manao vavaka lavareny mba ho fisehoana ivelany. Ireo dia hahazo fanamelohana mafimafy kokoa.

Jereo ny toko dika mitovy




Marka 12:40
13 Rohy Ifampitohizana  

Misy firaisan-tetiky ny mpaminaniny eo afovoany. Toy ny liona mierona mamiravira ny hazany, dia mihinana ny fanahy izy ireo; mifaoka ny fananana sy ny rakitra, mampitonbo isa ny mpitondratenany eo afovoany.


Tsiriritiny ny saha ka alainy, ny trano koa ka lasany; anaovany an-keriny avokoa ny olona mbamin’ny tranony, ny tompo mbamin’ny lovany.


Mila loza ianareo mpanora-dalàna sy Farisianina mpihatsaravelatsihy, fa hidianareo eo anoloan’ny olona ny fanjakan’ny lanitra; ka ny tenanareo tsy miditra, ny olona hiditra sakananareo.


Mila loza ianareo, mpanora-dalàna sy Farisianina mpihatsaravelatsihy, fa ny fivavahanareo lavareny no entinareo mihinana ny fananan’ny mpitondratena; izany no vao mainka hahamafimafy kokoa ny fanamelohana anareo.


«Ry bibilava, taranaky ny menarana, ataonareo ahoana no fandositra tsy hohelohina ho any amin’ny gehen’afo?


Ary raha mivavaka ianareo, dia aza mba maro teny tahaka ny Jentily, fa ataony ho ny hamaroan’ny teniny no hihainoana azy,


ary ny fipetrahana voalohany ao amin’ny sinagoga, mbamin’ny fitoerana ambony amin’ny fanasana.


fa mifetsy ny fananan’ny mpitondratena amin’ny fivavahana lavareny ataony mba ho fieboana fotsiny, ka hohelohina mafimafy kokoa izy.»


Eny, mandefitra tokoa ianareo, raha misy manandevo anareo, raha misy mandany anareo, raha misy maka ny anareo, raha misy mirehareha aminareo, raha misy mamely ny tavanareo.


Fa anisan’izany ireo mitsofoka any an-tranon’ny sasany mambabo vehivavy adala vesaran’ny ota sy tarihin’ny filana maro,


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra