Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Mika 1:4 - Baiboly Katolika

Ny tendrombohitra hitsonika eo ambanin’ny diany, ny lohasaha hitresaka toy ny savoka eo anoloan’ny afo, toy ny rano voarotsaka amin’ny tany misolampy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Miempo ao ambaniny ny tendrombohitra, ary mivava ny lohasaha, tahaka ny savoka taninin’ny afo sy tahaka ny rano mivarina any amin’ny hantsana.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

miempo eo ambany tongony ny tendrombohitra tahaka ny savoka taninin’ny afo; ary loadoaka ny lohasaha tahaka ny rehefa misy riaka mivarimbarina eny an-kilahila.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

miempo eo ambany tongony ny tendrombohitra tahaka ny savoka taninin’ny afo; ary loadoaka ny lohasaha tahaka ny rehefa misy riaka mivarimbarina eny an-kilahila.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Miempo ao ambaniny ny tendrombohitra, Ary mivava ny lohasaha, Tahaka ny savoka taninin’ny afo, Sy tahaka ny rano akorotsaka eny amin’ny hantsana.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Miempo ao ambaniny ny tendrombohitra, Ary mivava ny lohasaha, Tahaka ny savoka taninin'ny afo, Sy tahaka ny rano akorotsaka eny amin'ny hantsana.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Miempo ao ambaniny ny tendrombohitra, ary mivava ny lohasaha, tahaka ny savoka taninin’ny afo sy tahaka ny rano mivarina any amin’ny hantsana.

Jereo ny toko



Mika 1:4
12 Rohy Ifampitohizana  

Andriamanitra no ao afovoany, ka tsy azo hozongozonina Izy; vao mazava atsinanana ny andro dia tonga hamonjy azy Andriamanitra.


Aoka hitsangana Andriamanitra, ka hiely ny fahavalony, ary handositra ny Tavany, ireo mankahala Azy.


Miempo hoatry ny savoka ny tendrombohitra eo anatrehan’i Iaveh, dia eo anatrehan’ny Tompon’ny tany rehetra.


Ny Tompo Iavehn’ny tafika mikasika ny tany ka miempo izy, ary misaona avokoa ny mponina eo aminy; misondrotra tahaka an’i Nila izy manontolo, ary mietry tahaka ny onin’i Ejipta izy.


Mihorohoro ny tendrombohitra eo anoloany, ary miempo ny havoana; mientanentana ny tany eo anatrehany, dia izao tontolo izao sy izay rehetra monina eo aminy.


Nahita anao ny tendrombohitra ka mangovitra, nisy rambon-danitra nandalo, niloa-peo ny hantsana sady nanangan-tanana mankany ambony.


Nijanona Izy, ka nampihorohoro ny tany; nijery Izy ka nampihozongozona ny firenena; torotoro ny tendrombohitra mandrakizay, nietry ny havoana fahagola; ny lalany taloha no narahiny.


Amin’izany andro izany, ny tongony hipetraka eo an-tendrombohitry ny Oliva, izay manandrify an’i Jerosalema amin’ny lafiny atsinanana, ka hitresaka eo afovoany miantsinanana sy miankandrefana ny tendrombohitry ny Oliva, ka hisy lohasaha lehibe, fa ny antsasaky ny tendrombohitra hitresaka mianavaratra, ary ny antsasany kosa hianatsimo;


Raha efa izany, indro hitako ity seza fiandrianana lehibe fotsy mamirapiratra, sy Ilay mipetraka eo amboniny; ka ny tany sy ny lanitra nandositra ny tavany, fa tsy nisy hitoerany intsony;


Iaveh ô, fony ianao nivoaka avy any Seira, nony nandroso avy any an-tsahan’i Edôma, nihorohoro ny tany, ny lanitra aza nitsonika, ary nitsonika ho rano ny rahona.